Alahady faha-26 mandavan-taona Taona D
- Amosy 6, 1.4-7
- Salamo 146
- 1 Tim 6, 11-16
- Md Lioka 16, 19-31
Ny soa atao levenam-bola
“Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena ianareo”. Ny fampianaran’i Jesoa tamin’ny alahady heriny dia nanampy antsika handini-tena amin’ny hoe hatraiza no tokony hiraiketan’ny olona amin’ny haren’ny tany! Firifiry ny ady sy fifanolanana ateraky ny harena mandalo, na dia amin’ny mpiray tampo aza: ady tany, ady lova! Dia hoy i Md Paoly manoratra ho an’i Timote : “Izay te hanan-karena dia tafalatsaka amin’ny fakam-panahy,[…] satria ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra” (I Tim 6, 9-10). Fampianarana mialoha ny vakiteny faharoa (ITim 6, 11-16) anio moa io.
Tsy midika ho fanaovana tsinontsinona ny fivoaran’ny maha-olona anefa izany. Tsy afaka ny tsy hampiasa ny vola aman-karena manko ny fiainana an-davan’andro satria io no “hozatry ny fiainana”, hoy ny Ntaolo. Ny tian’i Jesoa hasiana tsindrim-peo dia ny hizorantsika araka ny fahamarinana. Ao amin’ny boky nosoratan’i Papa Benoit XVI, Jesus von Nazareth, ao amin’ny toko faha-efatra, momba ny hasambarana, (Edizione italiana pejy.113-114) dia milaza izy fa ny “fahamarinana”, araka ny Testamenta Taloha, dia ny fifikirana amin’ny Lalàna (Torah), fiainana araka ny Tenin’Andriamanitra, araka ny hampahatsiahivan’ny Mpaminany azy mandrakariva, (Lk 16,16.31); ao amin’ny Testamenta vaovao kosa, dia ny Finoana an’i Kristy izay tsy fifanoherana fa fandavorariana ny Lalàna.
Tsy zavatra mandeha ho azy anefa ny fiainana ny finoana. Teo amin’ny Eglizy tany Efezy izay notantanin’i Timote dia nisy loza roa nanambana ny finoan’ny vita Batemy ka mila iadivana mafy: ny hevi-diso sy ny fampianaran-diso etsy an-daniny ary ny fitiavan-karena etsy an-kilany. Tsara ho fantatra fa rehefa ny fitadiavan-karena no mahamay dia tsy izay hahasoa ny olona intsony no imasoana fa izay mahafinaritra azy. Ary mahagaga fa ny zavatra mahafinaritra sy ny rendrarendra tsy mba misy zaraina maimaim-poana nefa tsy mampaninona ny olona ny mandany vola amin’ireny.
Ambaran’i Paoly anefa fa tsy afaka ny haka ohatra hafa afa-tsy Jesoa Kristy ny kristianina ary tahaka an’i Jesoa nijoro ho vavolombelona teo anatrehan’i Pilaty no ijoroantsika koa ho vavolombelona eo anivon’ny fiaraha-monina misy antsika ka hiady mba hahazoana ny fiainana mandrakizay. Manova ny ady sy ny fifandirana rehetra misy eo amin’ny fiaraha-monina izany raha isika kristianina sy ny tsara sitrapo rehetra no miady hahazo ny fiainana mandrakizay. Matetika manko ny tombontsoa sy ny harena mbamin’ny voninahitra no kendrena ka mazava loatra fa fifandirana sy fifampiandaniana tsy misy farany no vokatr’izany.
Ny fananarana ataon’i Amosy mpaminany (Vak.I), momba ny tsy fahamarinana misy eo amin’ny fiaraha-monina dia mahakasika tanteraka ny fiaraha-monina misy antsika : ny omby mahia tsy lelafin’ny namany! Tsy ho afaka ny hiady ny ady tsara izay milomano ao anatin’ny fahasambarana ka manadino ny fahorian’ny hafa. Mamintina ny fampianarana mikasika izany ny tenin’i Md Joany hoe: Raha misy milaza azy ho tia an’Andriamanitra, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy, satria, raha ny rahalahiny hitany aza tsy tiany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra tsy hitany? Sady izao no didiny efa azontsika: izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa (1 Jn 4, 20-21).
Andriamanitra mitandro ny rariny, manome rariny ny ampahoriana, manome sakafo ny noana sy mamaha ny mpifatotra ny Andriamanitsika (Salamo 145 setriny), ka izay zanany dia tsy afaka ny tsy hanahaka azy.
“Ho voaozona ny olona mitoky amin’olombelona, sy manao ny nofo ho sandriny, ary miala amin’ny Tompo ny fony. Hohasoavina ny olona mitoky amin’ny Tompo, sy manatena ny Tompo ho tokiny… mamaly ny olona araka ny asany ny Tompo”. Inona ary ny hevitr’izany? Lazain’i Md Paoly fa navotana isika, tsy vokatry ny asantsika fa noho ny finoana, noho ny fahasoavana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra (Efeziana 2, 8). Raha tsy azo tsara anefa izany dia hanahirana satria matetika heverintsika fa vokatry ny fiezahantsika ary valisoa mifanahaka amin’ny fahamasinantsika ny lanitra, ary noho izany dia mila miezaka mba hahazoana azy, satria Andriamanitra mahita izay mendrika hahazo ny lanitra, ny sisa havariny any amin’ny afobe.
Mialoha ny hanazavana izany anefa dia tsara ihany koa ny manamarina ny mety ho fiheveran-dison’ny sasany ka hihevitra fa tsy mila miezaka izany, ary afaka manao izay danin’ny kibo, satria fitiavana Andriamanitra ka tsy afaka ny tsy handray antsika ho any an-danitra na dia mahavita zavatra tsy mifanaraka amin’ny sitrapony aza. Mila eritreretina ihany ny lazain’ny salamo fa ny ratsy fanahy dia sahala amin’ny akofa, paohin-drivotra, ny hatsaram-panahy no mampisy heviny, mampisy lanjany ny fiainana (Sal 1).
Mila miezaka ary izany isika sa tsia? Mazava loatra fa mila miezaka isika, mila “mandinika sy misaintsaina andro aman’alina ny lalàn’ny Tompo” (Sal 1). Tsy ny fanaovana na ny tsy fanaovana ezaka manko no olana fa ny antony hanaovana azy. Misy ny miezaka mba hahalala an’Andriamanitra, ka hitombo fitiavana Azy, ary izany fibanjinana ny fitiavany izany, ny fahatsapana fa notiavina no manova ny fiainana ho tonga taratry ny fitiavany (Sal 146). Tonga ato an-tsaiko ireo “nosoavin’ny Ray” izany tsy nahalala akory fa nanao soa tamin’ny noana sy ny mangetaheta, ny tsy nitafy sy ny mpivahiny, ny marary sy ny voahilikilika natao an-tsesintany (Mt 25). Tsy ny ho voavonjy no nanaovan’izy ireo asa soa fa noho izy ireo “nohasoavina” ka tsy afaka ny tsy hanasoa.
Ny tombontsoa azontsika amin’ny fiainana dia “fahasoavana”, tsy entina hireharehana fa entina hanasoavana. Te hovaliana babena ao amin’ireo endriny Andriamanitra. Ny tantara haintsika tsianjery, voalaza ao amin’ny Evanjely anio: ilay mpanankarena sy Lazara (אֶלְעָזָר ‘El`azar), midika hoe novonjen’Andriamanitra, anarana manambara fa ilay mahantra dia tsy adinon’Andriamanitra tsy akory. Porofon’izany ny nampiakarany azy ho eo am-pofoan’i Abrahama, na dia izy aza no maty aloha, fa samy ho faty ihany anefa. Tany amin’ny fonenan’ny maty (ᾅδης hades, avy amin’ny hoe α-εἰδῶ, a-eidô, midika hoe tsy taka-maso) dia lazain’i Md Lioka fa ao anatin’ny fijaliany no niandrandra ilay mpanankarena ka nahita an’i Abrahama nitrotro an’i Lazara. Lasa any amin’ny afobe, hoy isika. Dia any ve mbola mivavaka? Afaka mahita an’i Abrahama? Inona no tian’ny Evanjely hampitaina amintsika?
Lazain’ny Evanjely fa nisy mpanan-karena iray, tsy fantatra akory hoe iza no anarany, fantatra fotsiny fa ny fihaingony sy ny fomba fiainany dia nanjary fitaovana nangadiany ny hantsana nanasaraka azy tamin’ilay mahantra, אֶלְעָזָר ‘El`azar, Eleazara, nampian’Andriamanitra. Tsy Andriamanitra manko no mangady ny hantsana hilatsahantsika any amin’ny afobe fa ny safidy ataontsika ihany. Nisafidy ny hanao tsinontsinona an’i Lazara ity mpanan-karena ka tamin’ny andro nampahory azy, efa tsy hita pesimpesenina intsony ny antsana tsy hahafahany hahazo famonjena intsony, na dia avy amin’i Abrahama Rainy aza.
Mbola misy mpanakarena sy Lazara (Evanjely) eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika. Fa nahoana moa no io fanoharana io no nofidian’i Jesoa hilazany ny fomba hihainan’ny “Farisiana fatra-pitia vola” ny Lalàna (and. 14)? Satria nambarany mazava fa ny Didim-pitiavana no mamintina ny Lalàna sy ny Mpaminany (Lk, 10, 25-28). Ny fahasahiranana mety hateraky ny asa aman’andraikitra tsy hahasakana ny asa fanasoavana. Ilay Samaritanina (Lk 10, 25-37 Evanjely amin’ny alahady faha-15 D mandavantaona) dia nanohy ny diany rehefa avy nikarakara ilay azon’ny jiolahy ka saika maty.
Ampahatsiahivin’i Md Lioka mialoha ity tantara anio ity fa ampianarin’i Jesoa isika mba hampiasa ny harena tsy marina hitadiavana namana handray antsika any amin’ny mandrakizay (Lk 16, 9). Avy eo avoitrany amin’ny fitantarana fa tsy hoe akory nangalatra na nanano ratsy ilay mpanan-karena. Nangady lavaka (hantsana) hampanelanelana azy sy Lazara izy. Ny hadisoany dia ny tsy fitsinjovany ilay “hohasoavin’Andriamanitra”, adinony ny adidy napetrak’Andriamanitra taminy, araka ny lalan’i Moizy (Eksaody 22, 21-24; Amosy 5, 10-12; Izaia 1,17; 58, 7). Lazain’i Lioka amin’izany ary fa izay ampieboeboin’ny haren’ny tany dia tampina ny masony ka tsy hahita ny torohevitra atoron’ny Lalàna sy ny mpaminany intsony.
“Ny hasambaran’ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy dia amin’ny fisaintsainana ny lalan’ny Tompo andro aman’alina”, hoy ny Salamo 1 setriny, dia ataonao ahoana ny hanao izany? Aiza tokoa moa no hananao fotoana hanaovana izany raha toa ka “hanao fihinanam-be isan’andro” ianao. Raha Facebook sy Internet, TV sy MP tsy hikatsahana ny lalan’ny Tompo fa hiheveran-tena ho manan-karena (na manana namana) no mameno ny fo, na ho ela na ho haingana, ho zary “akofa paohin-drivotra” ny fiainanao: very hasina.
Lazain’i Lioka aza fa ny alika avy no tonga nilelafa ny feriny. Ny fery lelafin’ny alika dia maina, sitrana. Ny alika izany tonga mitsabo an’i Lazara, saingy ilay mpanakarena kosa, lasa ratsiratsy kokoa noho ny alika, tsy niontsona akory tamin’ny fahorian’ilay mahatra eo an-tokonam-baravarany.
Dia inona ny fijaliana nampahory ilay Mpanankarena? Efa zatra nihinana izy, kanefa tsy nangataka zavatra betsaka: rano kely monja hakasika ny lelany no mba nangatahiny, satria mangetaheta izy, saingy hangetaheta mandrakizay. Tara loatra ny fahatsapany ny tena harena, ka tsy mba nanangona ho amin’ny mandrakizay izy, fa nandanilany foana ny fananany. Mampalahelo ianareo mpanankarena, hoy i Jesoa (Lk 6, 24).
Na eo aza anefa ny fijaliany, dia eo ihany koa ny fiahiany ireo rahalahiny dimy, mbola miriaria, sao sanatria hanary ny fiainany amin’ny zavatra tsisy dikany koa izy ireny ka mety hanenenana mandrakizay. Mazava ny valin-tenin’i Abrahama. Tsy Andriamanitra fa Abrahama no milaza, ilay Rain’ny Mpino, hilazana fa na ny fampianaran’ny Testamenta Taloha aza dia efa manoro antsika ny lalana mitondra amin’ny fahasambarana. Manana ny Lalàna sy ny Mpaminany isika. Averimberin’i Lioka matetika ireo. I Jesoa mivavaka, miresaka amin’ny Lalàna sy ny Mpaminany mba hanamafy ny fanapahan-keviny hiditra any Jerosalema (Fiovana tarehy, Evanjely Alahady II). Izay tsy te hahavery ny fiainany dia manana ny Lalàna sy ny Mpaminany hanoro lalana azy ho amin’ny fibebahana (Evanjely anio), efa voasoratra ao amin’ny mpaminany avokoa ny zavatra rehetra mikasika an’i Jesoa (Lk 18, 31), ary nazavainy an’ireo Mpianatra roa nankany Emaosy izay voasoratra momba Azy ao amin’i Moizy sy ny Mpaminany sy ny Salamo (Lk 24, 44).
Asain’ny Ray hihaino an’i Jesoa isika, ka lalana hahafahantsika mahafantatra Azy ny fandinihana ny Soratra Masina. Manana an’i Moizy sy ny Mpaminany isika ka tsy hiandry ny maty hitsangana vao hibebaka na izay vao hiezaka hanome heviny ny fiainantsika. Efa napetrak’Andriamanitra eo am-pelatanantsika ny hafenoan’ny fahasoavany ka anjarantsika ny mampiasa izany, hanomezana hasiny ny fiainantsika na hanariantsika azy hopaohin-drivotra ho very mandrakizay. Izay tsy voazarantsika dia hanjary fanamelohana ho antsika.
Hovalian’Andriamanitra araka ny asantsika isika, na ny marimarina kokoa, ny fahaizantsika mampiasa ny fahasoavana omeny maimaim-poana no mampisy heviny ny fiainantsika eo anatrehany raha avelantsika hiasa ao am-pontsika ny fahasoavany ka hitondra vokatra eo amin’ny andavanandrom-piainana.
Tsy mora anefa ny hanokatra ny fo hiova amin’ny fitiavan-tena sy ny fikatsahana tombontsoa ho an’ny hafa. Maro no te hanapa-kevitra hiova fo nefa mahatsiaro tena fa voafatotra, tsy afa-manoatra, ka miandrandra fahagagana mba hiovana. Dia mova tsy ilay lazain’i Jesoa momba ilay Mpanankarena niangavy mba hisehoan’i Lazara amin’ny rahalahiny! “Raha tsy mino an’i Moizy sy ny Mpaminany izy ireo, tsy hino na dia misy mitsangana avy amin’ny maty aza”. Dia hiandry inona isika vao hibebaka? Tsy ny fahafatesana fa ny fiainana no mampibebaka.
Mazava ny hafatra ampitain’ny Evanjely: ny Soratra Masina (Lalàna sy ny Mpaminany) no manampy antsika fa dimy ihany no mba rahalahintsika. Ny hoe enina mirahalahy manko, ho an’ny Jody dia tsy hafenoana, nila an’i Lazara izy ireo mba ho feno fito, mba ho sambatra, saingy naleony nahilika ilay mahantra. Tsy afaka ny hiditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra anefa izay mihevitra fa manana amby ampy hahafahana miolonolona sy hanilikilika ny hafa, hieverana ho mahavita tena, hieverana fa ny fifaliana miaraka amin’ny mpanan-karena namana dia fahasambarana: fandavahana lavaka hilevenana izany, fampitomboana ny elanelana misy eo amin’ireo voavonjy sy ny toeram-pijaliana.
Izay no antony nanafaran’i Paoly antsika ny zavatra tokony hotandremana : “hikatsaka fahamarinana, fahazotoa-mivavaka, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy” (Vak. II). Izany no ady tsaran’ny Finoana. Ady satria misy tolona tsy maintsy ataontsika, misy anjara miandry antsika : ny fandinihina ny ohatra navelan’i Kristy, mba hanahafantsika Azy, araka ny fahamarinany. Izay no maha-Kristianina antsika, ary manampy antsika hamolavola ny fo amam-panahy hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, ilay Andriamanitra tsy sasatra ny manao soa (Salamo 146), maneho ny heriny amin’ny famelan-keloka sy ny famindram-po (Vavaka fangatahana), ka miantso antsika hanao toy ny ataony. Tsarovy mandrakariva fa “ny fitiavana no hitsarana antsika” (Mt, 25, 31-46).
Ezaka isan’andro ny hahita ny endrik’i Kristy ao amin’ny mahantra sy ny fadiranovana, ao amin’ny marary sy ny voafonja. Aza mangatak’andro ary dieny mbola manana fotoana hihainoana an’i Moizy sy ny mpaminany satria tsy mifametra ny aina hoy ny Ntaolo.
Hanampy antsika ho sakaizan’ny mahantra anie ny famakiana sy ny fandalinana ny Tenin’Andriamanitra ka hahafahantsika miray lova amin’izy ireo, rehefa ho avy ny andro hahataperan’ny fivahinianana ety an-tany.