ALAHADY FAHA-24 TAONA D
- Eksaody 32, 7-14
- Salamo 50
- 1 Timote 1, 12-17
- Md Lioka 15, 1-32
RAIAMANDRENY TSY MAHAFOY ZANAKA ANDRIAMANITRA.
“Ny fitiavan-jaza, hoy ny mpanoratra iray (Erich Fromm) dia manaraka fitsipika iray: mitia aho satria notiavina; ny fitiavana matotra koa manaraka fitsipika iray: tiavina aho satria mitia”. Tsy ny tahotra ny tsy ho tiavina intsony no antony hitiavan’ny olona matotra fa noho ny fahatsapany kosa fa ny mitia no mampisy heviny ny fiainany. Tsy fanerena ny zanany mba ho tia azy no antony anetsahin’Andriamanitra zavatsoa antsika. Maimaim-poana ny fitiavany ka ny hahatsapan’ireo zanaka izany “fitiavana matotra” izany no hitomboan’izy ireo koa amin’ny fahamatorana am-panahy.
Anisan’izany i Moizy izay ambaran’ny Vakiteny I fa nitalaho ho an’ny vahoaka mba tsy hanafaizan’ny Tompo azy ireo. Tsy azo adinoina fa mbola nanjavozavo tao amin’ireo vahoaka ireo ny endrik’Ilay Andriamanitra “Ray”, nasehon’i Jesoa antsika. Noheverin’ny Israelita fa tahaka ny andriamanitra Ptah (sarin’ombalahy, barea) tao Memphis ihany YHWH ka namaly izay nanaraka ny didiny tamin’ny fahasoavana sy ny fahavokaran’ny tany ary nanafay kosa ny mpanota. Nandritra an’i Moizy nivavaka tamin’YHWH tany an-tendrombohitra dia mba nanefy ny andriamanitra Ptah ho azy koa ny vahoaka (Eks 32, 1-6).
Manoloana ny fitiavan’Andriamanitra izay maniry ny hijioga miaraka amintsika, dia sahala amin’ny vahoaka Israely ihany isika: mafy hatoka (Eks 32, 9). Ao ambadiky ny fanompoan-tsampy rehetra moa dia tsara ho tsaroana fa misy fahadisoan-kevitra lehibe dia tsy inona fa ny fiheverana hibaiko an’Andriamanitra, ka tsy ametrahana ny tena amin’ny maha-zavaboary notiavina, ary tahaka an’Israely izay tsy nahatsiaro akory ny fitiavan’ilay nananafa azy ireo tamin’ny tana-mahery (jereo ny Tononkiran’i Moizy Eksaody 15). Ny mpanompo sampy dia mihevitra fa azo tambazava vavaka na fanatitra ny fahasoavan’Andriamanitra, ary na aiza na aiza misy fangatahana tambiny mba ho tiavina dia mbola fitiavan-jaza ihany izany. Ny vavaka marina dia fikatsahana ny endrik’ilay Andriamanitra marina.
Ambaran’ny vakiteny voalohany fa tezitra tamin’ny vahoakany Andriamanitra ary nolazaina fa tsy Izy fa i Moizy no nitondra azy ireo niakatra avy tany Ejipta. Nampanantena an’i Moizy ho tonga vahoaka lehibe anefa Izy, tahaka ny nataony tamin’i Abrahama (Jen 12,2) fa handringana kosa ity vahoaka mafy hatoka ity. I Moizy kosa tsy nanaiky izany. Izay Mpamimany marina araka ny fon’Andriamanitra dia miray fo mandrakariva amin’ny vahoaka, na dia mpanota aza, ka mitalaho famindram-po ho an’ny vahoaka, manala tsiny azy “eo anatrehan’Andriamanitra” (cf. Amosy 7, 2-3). Ny fangatahany manko tsy miantehitra amin’izay mety ho soa ataon’ny vahoaka, na amin’izay mety ho fibebahany na izay mety ho fampanantenana (poakaty na tsia), fa amin’ny voninahitr’Andriamanitra sy amin’ny fitiavany tsy mivadika. Mahatoky Izy, ka izay mahalala ny Tavany dia mahalala fa “na manandino ny naterany aza ny reny, Andriamanitra tsy manadino ny vahoakany” (Izaia 49, 8-15).
Ny tsara ifantohan’ny saintsika ary anio dia ny tonom-bavaka nataon’i Moizy mba hangatahana fifonana ho an’ny vahoaka: tsy fialan-tsiny amin’izay ota be vava nataon’izy ireo fa fitanisana kosa ny fitiavana mandrakizay nasehon’ilay nampanantena ny fahasambarana ho an’ny vahoakany. Izany no amafisin’ny Salamo 50 izay mitanisa ireo hatsaram-pon’Andriamanitra:
Andriamanitra o, Iantrao (חָנַן Hanan) aho araka ny hatsaram-ponao (חֶסֶד Hêsêd); ary araka ny indrafonao (רַחַם raHam) miavosa dia fafao, koseho hiala ny fikomiako (פֶּשַׁע pesha`); sasao mba hadio tanteraka ny heloko (עָוֹן `avôn) ary diovy amin’ny fahotako (חַטָּאָה Hatta’ah) aho.
Ny fieken-keloka sy fangataham-pamelana dia mifototra amin’ny fahatsapana ny halehiben’ny famindram-pon’Andriamanitra izay afaka mamorona fo madio sy fanahy vaovao ao anatintsika, ary izany no mahatonga ny andininy faha-17 amin’io Salamo io ho fanokafana ny vavaka voalohany ataon’ny Mpino: hisokatra ny vava mba hanambara ny fideràna an’Andriamanitra (Sal 50, 17). Ny mametraka ny fitokisana eo am-pelatanan’ilay Tia tsy misy tambiny, izany no atao hoe mivavaka, satria mahatsapa fa raha alan’ANdriamanitra amintsika ny Fanahiny Masina dia ho zava-poana ihany izay ataontsika rehetra (Sal 50, 13).
Izany no mahatonga ny Litorjian’ny Eglizy mampianatra antsika hifona amin’ny fitanisana ny hatsaran’ilay Mpisiolo vava antsika eo anatrehan’ny Ray, ilay nirahina hanasitrana fo mivalo, ilay tonga hiantso ny mpanota. Ny taratasin’i Md Paoly ho an’i Timote (1 Tim 1, 12-17) dia mampahatsiaro antsika ny rafitra mampiavaka ny fankalazana ny fibebahana marina: fiekena ny fahotana ka ahatsapana ny haratsiany ka manenina marina tokoa; ny fankalazana ny Fitiavan’ilay tia antsika mialoha, ilay maty ho antsika fony isika mbola mpanota (Rm 5, 6-11) ary minia tsy mijery izay vitantsika mba hanokafany lalana vaovao hiainana ny hafenoan’ny fiainana (mamela heloka, par-don) ary porofon’ny fibebahana marina ny fijoroana ho vavolombelon’izany fitiavana izany: loza ho ahy raha tsy mitory ny Evanjely aho (1 Kor 9, 16), hoy i Md Paoly, satria nomen’i Jesoa fitokisana ka hiezaka ho ohatra velona ho an’izay manantena ny fiainana mandrakizay amin’ny fiainana andavanandro.
Tsara ho tadidiana manko fa tsy Andriamanitra velively no handeha handringana ny vahoaka araka izany. Fantantsika ny tohin’ny tantara ka rehefa tafidina tao an-toby Moizy dia amin’ny anaran’Andriamanitra no nanirahany ny zanak’i Levi nanaiky hiara-dalana aminy ka hahazo ny tso-drano mba handringana ny vahoaka sisa rehetra mikomy. Teo anatrehan’Andriamanitra izy nitalaho fa teo anatrehan’ny zava-misy kosa tsy mbola nahatsindry fo. Lazain’ny Salamo setriny koa fa ny vavak’i Moizy no nampitony ny hatezeran’Andriamanitra. Izany tokoa ve?
Momba ny fahatezerana kosa, manoloana ny fahotan’ny hafa, mazàna dia io toetran’i Moizy lazain’ny Boky Eksaody io (Eksaody 32, 11ss) no manavanana ny olona: na dia izy ihany aza no nivavaka nifona tamin’Andriamanitra mba ho an’ny vahoaka, dia ilay Tenin’ny Fiainana, noraisiny avy amin’Andriamanitra ary tsy mbola voavaky akory, Teny nosoratan’Andriamanitra mba hahitana ny tokony atao (Torah) no potehina voalohany, ary avy eo dia ny vokatry ny fahotan’ny olona, izay efa ratsy rahateo, no ampisotroina azy, ka izay mety ho voka-dratsin’izany indray (vokatry ny fisotroana ranom-bolamena) dia lazaina fa kapoky ny Tompo (Eksaody 32, 19-20)!
Na i Moizy aza anefa mba nanao sary hivavahana ihany koa (Fanisana 21), inona no mahasamihafa ny sariomby sy ny bibilava varahina? Tsara ho tadidiana fa i Ezekiasa, mpanjaka nanao izay mahitsy teo imason’YHWH dia nanamontsana ny bibilava varahina nataon’i Moizy satria fanompoan-tsampy ho an’ny zanak’Israely izany (2 Mpanjaka 18, 4), fitenenan-dratsy an’Andriamanitra ny fiheverana fa sazy avy Aminy ny vokatry ny hadalany sy ny fahotantsika olombelona; indraindray manko ny andraikitra tsy vita na tsy tiana hatao dia heverina hovahan’Andriamanitra amin’ny fahagagana vokatry ny fikasihana na ny fiambozonana zava-masina na vokatry ny vavaka piliavava; indraindray koa adino fa ny zava-masina dia famantarana ihany: tsy ny zavatra hitan’ny masony fa ilay Andriamanitra mpamonjy ny olona no nahasitrana ireo nibanjina ny bibilavan’i Moizy, hoy ny Bokin’ny fahendrena (Fah 16, 7), manome ny fanazavana ny amin’ny maha-samihafa ny bibilava varahina sy ny sarin-tsampy rehetra.
Izany no tokony havalintsika izay milaza fa manompo sampy isika amin’ny sary sy sarivongana mameno fiangonana: tsy ny zavatra hitan’ny masony fa ilay Andriamanitra mpamonjy ny olona no nahasitrana ireo nibanjina ny ireny sary mitory ny asan’Andriamanitra ao amin’ny olomasiny ireny. Baibolin’ny mahantra, hoy Md François, satria hahafahan’ny tsy mahay mamaky teny sy manoratra, ary hahafahan’izay mahay mamaky koa aza, mamaky sy mitadidy ny lalan’ny fahasambarana atoron’ny Evanjely ny sarimasina sy ny sarivongana fa tsy sanatria natao hotompoina. I Jesoa nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana no famantarana lehibe indrindra nomen’Andriamanitra antsika, ka amin’ny fibanjinana Azy no hidirantsika amin’ny fiainana mandrakizay (izay lazain’i Joany fa ny Fahalalàna an’Andriamanitra Jn 17, 3) raha hinoantsika fa Izy no hafenoan’ny fanambarana ny Ray (revelation): Andriamanitra manaiky ho faty, toy izay hamaly faty. Izay mino (πιστεύω pisteuo) Azy, izany hoe izay mametraka ny fitokisany rehetra Aminy no hanana ny fiainana mandrakizay, hanandrana ny fiainam-pahasambarana ao amin’Andriamanitra, tsy aorian’ny fahafatesana (Joany 6) fa dieny izao “anio” izao.
Md Lioka 15, 1-32
Inona no ataon’Andriamanitra amin’ireo olona mandà tsy hiditra ao amin’ny fanasany? Ambaran’i Mikea Mpaminany (Mikea 7, 14-20) fa Andriamanitra mpamela heloka ny Andriamanitr’Israely. Amaranany ny Bokiny ny fangatahana amin’YHWH mba ampiseho amin’i Jakoba ny fahamarinany, ary hampiseho amin’i Abrahama ny famindram-pony, amin’ny fanariana any anaty ranomasina ny fahotana. Izy irery ihany no Andriamanitra manesotra ny fahotana sy mamela fahadisoana, hoy ny Mpaminany Mikea. Tsy ny mpanota no harian’Andriamanitra araka izany fa ny fahotana.
Ny loza, hoy Md Augustin dia ny ampifangaroantsika ny mpanota sy ny fahotana, ka noho ny fankahalana ny ota dia mety ho azom-pakam-panahy koa hankahala ny mpanota, na noho ny fitiavana ny mpanota dia mety hivarilavo koa ao anatin’ny fahotana: ny mpanota avotana (tiavina) fa ny fahotana kosa ankahalaina (iadiana).
Dia ahoana izany ny afobe? Tsisy voasazy intsony izany fa voavonjy daholo? Dia ho vitan’Andriamanitra ve ny hamela ny zanany ho very satria mafy loha tsy nanaiky Azy, raha toa ka lazain’i Md Paoly fa tsy tambin’ny ezaka vitantsika ny lanitra fa fahasoavana maimaim-poana avy Aminy?
Efa niverimberina matetika teto izany fanontaniana izany. Tsy Andriamanitra no nandavaka hantsana hampisaraka an’ilay mpanankarena sy Lazara tany am-paradisa fa ny fomba fiainany isan’andro, nihevitra ho ambony ka ny fanasana sy ny fihinanam-be, ny akanjo lafovidy sy ny rendrarendra no nimasohany (Lioka 16: Alahady 26D). Tsy Andriamanitra no hanasazy ireo nanankinana ny foto-boalobony fa ny nenina rehefa hahita ny hafa mampamokatra ny fanjakan’Andriamanitra (Lk 20). Fanomanana sy fisantarana ny fiainana mandrakizay ity fiainana ity, ka ny akofa paohin-drivotra dia tsy maintsy hariana, ny vokatra kosa angonina any an-tsopitra (jereo 1 Kor 15). Anjaran’ny tsirairay ny mampisy lanjany ny fiainany, eo anatrehan’Andriamanitra mba tsy hanenenany mandrakizay, rehefa ho avy ny andron’ny am-pamoaka. (Dia antsoy amin’izay tianareo hiantsoana azy izany nenina mandrakizay izany).
Ny vakiteny II dia manentana antsika hahatsiaro fa tsy ny mpamonjy lamesa na ny olona tsara laza no nanoloran’i Kristy ny tenany sy novonjeny fa ny mpanota ary izay mahatsiaro tena fa novonjen’i Kristy tamin’ny famindram-pony lehibe no afaka hidradradradra hitory izany mba ho fianarana ho an’izay hino Azy ka hahazo ny fiainana mandrakizay. Ny Evanjely dia mampianatra antsika hibanjina ny fitiavan’ny Ray mba hahafahana miaina ny maha-zanaka. Tantaran’ilay zaza mpandany moa no mahazatra antsika hiantsoana azy, fa ny marimarina kokoa, dia mitantara ilay “Ray mpamindra fo” sy ny zanany roa ny Evanjely.
Ho an’izay tsy afaka ny hifaly amin’ny fiaraha-misakafo ataon’i Jesoa miaraka amin’ny mpamadika tanindrazana (poblikana) sy ny mpanota moa ity fanoharana ity. Tsikaritry ny mpandinika Baiboly sasany ny fifanarahan’ireo fanoharana telo ampiasain’i Lioka mba hilazana amin’ny farisianina sy ny Jody fa tsy feno fatra ny hafalian’ny Ray raha tsy vory avokoa ny zanany rehetra. Ny ondry very eo amin’i Israely dia entin’i Jesoa an-tsoroka, miara-misakafo aminy; ny olona rehetra eny amin’ny kion-dalana dia sahala amin’ny vola latsaka, saingy efa voaangona koa, satria nofafany ny trano manontolo; ilay zoky variana niasa any an-tsaha, manantena ny handova irery ny fanjakana no hany sisa any ivelany, mahatonga an-dRainy hivoaka any mba hiangavy azy hiara-paly.
Mialoha izany anefa dia lazain’i Lioka fa mety ho toy ny ondry isika, maniasia “tsy am-pahalalana” tahaka an’i Paoly (vak II), ka mitaraina sy mikiakiaka, mibarareoka mandrapaha-tongan’ilay mpiandry hitondra an-tsoroka antsika ho any am-bala. Mety ho tahaka ny dragma (vola tsangan’olona) isika, latsaka tsy misy mpahita, tsy afaka ny hitaraina akory, angamba amin’ny fotoana hilatsahana ihany, ka hiandry ilay tompony hifafa ny trano rehetra mba hahitany azy indray.
Mety ho sitrapontsika koa anefa no ho very satria mafy ho antsika ny miaina ny lalàn’ny fitiavana izay toa mamehifehy antsika. Lazain’i Md Lioka fa nangataka ny anjara lovany ilay zandriny. Araka ny Boky Levitika (Lv 25,23) dia tsy amidy ny tany, fa ny fanana kosa dia ny 2/3 an’ny lahimatoa (Dt 21, 17), ary tsy afaka mahazo ny lova ny zanaka raha tsy maty ny raiamandreny. Voalaza araka izany fa tsy fitakiana ny anjarany fotsiny fa ny faniriana te hihaina malalaka, tsy elingelenin’ny raiamanandreny heverina ho “maty”, tsy te ho voafehifehy ka hanao an’Andriamanitra ho tsy misy, izany no ilazana ny fihetsika nataon’ilay zandriny. Ny ampahatelon’ny lova izany no nalainy ary dia nolaniany tamin’ny fitondran-tena ratsy sy ny vehivavy janga araka ny voalazan’ilay zokiny. Rehefa voaterin’ny hanoanana anefa izy dia niandry kisoa, izay zavatra tsy azony atao akory araka ny Boky Levitika (Lv 11, 7), ary zavatra heverina fa sarotra lavitra noho izay niainany tao an-tranon-drainy, na izany aza anefa tsy mbola feno ihany ny kibo ka hatramin’ny hanin-kisoa avy tiana hohanina. Teo izy vao nahatsiaro fa ny mpiasan’ny Rainy aza mbola miadana noho izy, izy ireo voky hanina.
Fantany fa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehan’ny Rainy izy, tsy manana zo hitaky na inona na inona intsony. Fantany ny fitiavan’ny Rainy saingy tsy ny hanararaotra izany no nataony. Raha araka ny lalàna dia afaka ny nandroaka azy ny rainy, afaka ny hanameloka azy mihitsy aza satria nanosihosy ny zon’ny fianakaviana.
Eto no anehoan’i Lioka ny tena endrik’Andriamanitra manoloana antsika mpanota, manoloana an’izay mety hahavita handà ny fisiany mihitsy aza.
Tsy naniry afa-tsy ny ho mpiasa ilay zaza mpandany, tsy hifona fa hitady ny tombontsoany no niverenany. Ilay rainy kosa anefa, nahatazana azy vao lavitra, izany hoe tsy sasatra ny niandry ny hiverenany, ka honena (σπλαγχνίζομαι splagchnizomai, רַחוּם raHùm amin’ny hebrio), nididododo nitsena azy (nihazakazaka: ny lehilahy lehibe tsy mihazakazaka, mandeha miadana, mahamenatr’olona ny mihazakazaka fa tsy noraharahiany izany), ary namihina (ἐπιπίπτω epipipto nianjera, nihazakazaka dia niantoraka) teo amin’ny vozon’ny zanany mpandany ary nanoroka azy (καταφιλέω kataphileo, tsy nitsahatra ny nanoroka azy).
Nasain’ny rainy nomena ny akanjo tsara indrindra izy sady nasiana peratra ny ratsan-tanany, izany hoe naveriny taminy ny hafamendrehany sy ny hasina maha-zanaka azy, nasiana kiraro ny tongony: tsy andevo na mpanompo izy fa zanaka, olona afaka. Novonoina ny omby nafahy, izany hoe hilazana fa fety efa nomaniny hatry ny ela ny fiverenan’ilay zanany, ary io no fety lehibe indrindra nandrasany.
Ho an’ilay Ray be famindram-po, fety mandrakariva ny fiverenan’ny zanany, na inona na inona hadisoany, satria lazainy fa ny fibebahana dia fahavelomana indray. Ilay zokiny kosa, satria mihevitra fa tambin’ny asa sy ny fahendrena ny fitiavana, tsy hoe tsy te-hahalana intsony ny momba ilay zandriny izy: “io zanakao io” hoy izy tamin-drainy, tsy afaka ny hitia ilay zandry toy ny rahalahy izy, satria tsy mba niaina na oviana na oviana ny maha-zanaka. Ny fiverenan-jandriny no nararaotiny hamoahahana ny tao am-pony rehetra. Mitovitovy amintsika ihany rehefa tezitra dia manao litania ny zavatra mampalahelo rehetra izao: tsy afaka nifaly aho, tsy nahazo zanak’osy hifaliana akory nefa maty nanompo izay ela izay.
Tsy nety niditra izy, saingy ilay “Ray” kosa, tsara fo, ka nivoaka nankeo aminy. Andriamanitra manantona mandrakariva ny zanany, saingy tsy manery, mampahatsiaro azy ireo ny fitiavany mahafoy ny zavatra rehetra. Ampahatsiahiviny antsika fa ny zanaka dia mpandova, nomeny ny fiainany. Azy izay rehetra an’ny Ray, miombom-pananana amin’Andriamanitra izay mitoetra ao an-tranony sy manao ny sitrapony. An’i Jesoa izay rehetra an’ny Ray, ny Fanahy kosa handray ny avy aminy ka hanambara izany amintsika, ary isika kosa handray izay an’ny Fanahy ka hanambara izany amin’ny hafa. Fiombonana ny Trinite Masina ary iombonan’izy ireo ihany koa ny fiainana izay zarainy amintsika manontolo. Izay mino Azy dia tsy hanana zavatra manokana intsony (Asa 2, 44) ary tsy hisy hilaza ny fananany ho azy (Asa 4, 32) satria iombonana ao amin’ny Ray.
Ambaran’ity fanoharan’ny Evanjely ity ary fa tsy ny fananana no mahasambatra, fa ny maha-zanaka. Tsy ny fananana zavatra hiliban’ny tena manokana no hahavelona fa ny fiombonana aina sy fananana amin’ny Ray. Tsy ny fijanonana ao an-tranon-dray akory aza, tahaka ilay zoky nalahelo ny fiverenan’ny zandriny, fa ny fahatsapana izany fitiavana izany. Fahoriana raha sanatria ny mba hahazo sitraka no anaovana ny asa aman’andraikitra. Ilay zaza mpandany tsy te ho fehifehezin’ny rainy intsony ka nisintaka; ilay zokiny kosa, teo ihany fa tsy nahita hafaliana, alahelony ny tsy nahazo na dia zanak’ondry kely hifaliana miaraka amin’ny sakaiza aza, kanefa ambaran’ilay rainy mazava fa azy ihany ireo fananana tsy lany tamin’ny fetifety ireo, tombony ho azy no mety nampahihitra ny rainy taminy.
Izay mahatsapa fa tsy ny fananana no maha-sambatra fa ny maha-zanaka sy ny fifankatiavanana, dia hifaly mandrakariva amin’ny fiverenan’ny “zaza mpandany”, tsy mampaninona izay fahaverezan’ny vola aman-karena amin’ny “vehivavy janga”, satria fahavelomana ny fiverenan’izay nania ao am-bala.
Mampanontany tena ihany anefa raha hafaliana ho an’ny Fiangonana sy ny zanak’Andriamanitra ny fiverenan’ny rahalahy iray avy nandany ny fananana tamin’ny fitondran-tena ratsy. Samy mandini-tena amin’izany isika satria voaantso mba hanahaka ny hatsaram-pon’ny Ray. Tsara anefa ny manamarika etoana, sao sanatria misy olona entanin’ny faniriana tsy hanorina fa handrava, hitsikera sy hanome tsiny fa tsy hoe hitady ny fomba handresena ny ratsy, ka hanome tsiny ny fiangonana na ny Fikambanana amin’ny fangatahan’ny zanany sasany hiverina, kanefa tsy hiverina ho mpiasa fa mbola handany ny harena sisa tavela izay tsy azony tamin’ny fisintahany voalohany. Taratry ny fibebahana marina ny fanetren-tena, hametra-tena ho mpanompo.
“Matoa aho anie toy izao”, hoy ny hira… dia Izy Tompo, saingy, manoloana ny hafa, satrintsika matetika hifosa sy hitantara ny fahalemena, sitrany hahay hanamarinan-tena, kanefa raha mahatsapa isika fa ny fahasoavan’Andriamanitra no maha-toy izao antsika, dia ho tonga vavaka ny hasosorana noho ny halemen’ny hafa, ho zary fikaonan-doha hijerena izay mahasoa sy hanomanana ny omby hafahy hovonoina amin’ny hiverenan’ilay zaza mpandany ny takoritsika sy ny fanaovana toeran-tsy zaka amin’ny mety ho fiheverantsika ho tompon’andraikitra kanefa mety hanakana ny fibanjinana an’Andriamanitra ho Ray be fitiavana.
Ho zary fibanjinana ny fitiavan’Andriamanitra mandrakariva anie ny fivavahantsika ka hanampy antsika hifaly amin’ny fibebahana, asan’ny Fanahy Masina izay tanterahiny amin’ny famelantsika ny Tenin’Andriamanitra haniteraka sy hanova ny fiainantsika.