Alarobia faha-23 mandavantaona
- Ankasa 1 Kôrintiana 7, 25-31 /Salamo 44/
- Tsy ankasa Kôlôsy 3, 1-11/Salamo 144
- Md Lioka 6, 20-26
Rehefa tafidina eny amin’ny tany lemaka i Jesoa, nahita ny olona nanatona azy mba hahazo fanasitranana, dia niatrana nijery ireo mpianany Izy, tsy avo fijery araka ny fiteny araka izany fa mitràka (ἐπαίρω epairo) fijery, manaiky ho mpanompon’ireo mpianatra. Ary izao no Teny naloaky ny vavany:
“Sambatra ianareo mahantra fa anareo ny Fanjakan’Andriamanitra”. Toa zavatra mifanohitra amin’ny fomba fiheveran’ny tontolo no nolazainy. Tsy asan’olombelona anefa izany fa ny fandaharan’Andriamanitra mahefa araka ny fahendreny lavorary, ka hahatsiarovan’ny olona kosa fa tsy ny tanjany na ny hareny no hahafahany mandova ny Fanjakana, fa ny fitiavana maimaim-poanan’ilay Ray tia ny hahavonjy ny zanany rehetra. Tsy afaka ny hahazo izany Teny izany anefa afa-tsy ny Mpianatra ihany, izany hoe ireo izay efa nahita ny Harena miafina ka vonona ny hahafoy ny zavatra rehetra mba hanarahan-dia an’i Jesoa. Safidy araka izany fa tsy lahatra ny fahasambarana.
Raha ny mahantra fadiranovana mifanena amintsika no ilazantsika hoe: “sambatra ianao”, dia hafahafa ihany, saingy raha asehontsika azy kosa ny fahamboniany eo anatrehantsika (miatrana, tahaka an’i Jesoa isika mijery azy) dia mety hiova ny fandraisany ny teny lazaintsika. Ny “pauvre” araka ny dikany avy amin’ny pauper (latinina) moa dia ny olona mifanohitra amin’ny mpanankarena. Ireto moa mahazo tombontsoa miavosa amin’ny zara raha isasarana, ireroa kosa maty misasatra nefa zara raha mahazo karama vary masaka, ny teny grika ptochoì moa dia ilazana ireo tsy manana na dia ny hotafiana sy ny harapaka aza, fadiranovana, ka zary miforitra anaty, miafina satria matahotra (ptochos). Nahoana moa izy ireo no sambatra?
Tsy hoe nahafoy akory fa satria ireo no zanaka arovan’ny Tompo, anatanterahany ny fampanantenany (Izaia 61, 1), ary izay rehetra mihevitra ho zanak’Andriamanitra dia tsy afaka ny tsy hiombom-po Aminy amin’ny fiarovana ireo zanany ireo. Na inona na inona manko karazana fahantrana dia tsy maintsy misy tsy fahamarinana mandrakariva any ifotony any. Tsy afaka ny hiala tsiny eo anatrehan’ny tsy fananan’ny hafa izay te hiombona amin’ny fahasambaran’Andriamanitra. Izay voahosotry ny Fanahy dia tsy afaka ny tsy hitory ny Evanjely amin’ny mahantra (Lk 4, 18).
“Mahafaly ahy ny mahita ny Fiangonanareo mahantra eo anilan’ny mahantra”, hoy Papa François namangy antsikany taona 2019. Teny efa nolazainy taoriana kelin’ny naha-voafidy azy ho Papa. Ny Mpianatra no nitodian’i Jesoa ka nilazany fa sambatra satria mahantra, anawim, mahantran’YHWH, mahantra satria lany nozaraina amin’ny famonjena ny rahalahy ny fananana (Asa 11, 29ss; 24, 17), mahantra satria tsy manana ianteherana intsony afa-tsy ny fitsimbinan’Andriamanitra. Izay te ho mpianatr’i Kristy dia tsy afaka ny hihavaka amin’izany.
Afaka miteny amin’ireo noana hoe “sambatra ianareo”, izay vonona ny hiaina tahaka ny nataon’i Jesoa ilay teraka tao an-tranon’omby (Lk 2, 7), nisakafo tamin’ny fanasana ataon’ny hafa (Lk 5, 29; 7, 37), nitomany (Lk 19, 41) ary maty nohelohina ho faty tsy an-drariny (Lk 23, 25), kanefa nisikim-ponitra nanasoa ny olona no nanome baiko ny Apôstôly mba “hanome hanina ny olona”. Ny hanohanan’ny hafa, ny fijalian’ny hafa dia miantso antsika mba hanao izay vita, hanala fangirifiriana sy hitondra fiadanana ho an’ny olon-drehetra.
Amin’ireo mpianatra koa no hilazan’i Jesoa fa mampalahelo ny fiainan’izy ireo raha toa ka simbain’ny fifikirana amin’ny harena, ny fahafinaretana, ny rendrarendra sy ny voninahitry ny tany. Loza ho an’izay mametraka ny fitokisany amin’ny haren’ny tany, satria sarotra ny hisokafan’ny fony hiandrandra ny harena holovain’izay miaina ny maha-zanaka ao amin’ny Fanjakan’ny Lanitra. Tsy ho afaka ho tonga fahasambarana ny haren’ny tany hiheverana ho ambony noho ny hafa.
Ny fitadiavana ny hafinaretana sy ny voninahitry ny tany dia hanimba ny fo ka tsy hahafahana miaina araka ny maha-zanaka, tsy hahafahana hizara ny harena, izay fanomezana avy amin’Andriamanitra mba hanasoavana ny tena sy ny hafa, ka hanao izay hahazoana voninahitra eo anatrehan’ny olona ihany, ka tsy hiraharaha izay mety hifanaraka amin’ny rariny sy ny hitsiny intsony.
Mazava ny hafatr’i Paoly ho antsika: “hialana izay rehetra mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny zanaky ny tsy finoana ka tokony hikatsaka mandrakariva ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy, eo ankavanan’Andriamanitra” (Kol 3, 1-11).