Alahady faha-22 D mandavan-taona
- Siraka 3, 17-27
- Salamo 67/
- Hebrio 12, 18-24/
- Md Lioka 14, 1.7-14
“Izay manetry tena no hasandratra.”
Lalana mankany amin’ny fahamboniana araka izany ny fanetren-tena. Lalana mitondra mankamin’ny voninahitra ary raha mbola olombelona koa, dia ny hampisy lanjany ny fiainany no katsahiny. Ny hoe Voninahitra manko : amin’ny teny grika doxa midika ho fanomezana toerana ambony, fiheverana ho zavatra sarobidy…fa amin’ny teny hebrio (Kav’od) milaza kosa ny lanja, ny vesatry ny zavatra iray : ny maha-izy azy ny zavatra iray. Mba hahazoantsika tsara ny fampianaran’ny Evanjely androany dia tsara ny manoritsoritra ny fampianaran’i Jesoa, mampiditra indrindra ny maha-sarobidy ny Famindrampon’Andriamanitra. Ny Evanjely araka ny nosoratan’i Lioka moa dia lazaina hoe Evanjelin’ny Famindram-po, ivon’izany fanambarana izany ny toko faha-15 hovakiana amin’ny alahady faha-24)
Alahady roa lasa izay, nilaza tamintsika ny faniriany ny hirehetan’ny afom-pitiavany izy (Lk 12), afo izay manery antsika hiditra amin’ny varavarana ety (Lk 13). Izy no varavarana, Izy no lalana mitondra antsika ho amin’ny famonjena. Miara-monina amintsika Izy, miara-misakafo amintsika ka mandinika ny ataontsika.
Ny Evanjely anio dia manamafy io fiarahan’i Kristy monina amintsika io. Mampianatra antsika ny tokony hatao raha mahazo fanasana isika na raha toa ka hanasa olona. Tsy azo hadinoina fa ny Fanasana no maha-Fiangonana ny Fiangonana. Eglizy : voaantso hiombona ao amin’i Kristy ary voaantso hizotra ny lalam-pahamasinana, lalana izay izorana miaraka (syn-odos). Ny Lakolosy izay velomina, tsy dia hoe famantarana lera loatra fa fampahatsiahivana fa voaantso ho amin’ny fampakaran’ny Zanak’Ondry isika, ary fahasambarana izany.
« Ny teny hoe “Eglizy (Fiangonana)” [ekklèsia, avy amin’ny teny grika hoe ek-kalein, “miantso ny any ivelany”], dia midika hoe “fiantsoana hivory”. Teny ilazana ny famoriam-bahoaka , izay ankapobeny amin’ny endrika ara-pivavahana. Io no fiteny nampiasaina matetika tao amin’ny Testamenta Taloha amin’ny teny grika amin’ny famoriana eo anatrehan’Andriamanitra ny vahoaka voafidy, indrindra ny famoriana teo Sinaia izay teo no nandraisan’i Israely ny Lalàna sy nanorenan’Andriamanitra azy ho vahoakany masina. Amin’ny fiantsoana hoe “Fiangonana” ireo ankohonana mpino voalohany izay nino an’i Kristy dia mahatsiaro tena ho mpandova an’ io fiangonana io » (KFK 751).
Eo am-pamaliana izany antso izany dia tsy sanatria fifaninanana ho lehibe sy ho hitan’ny olona no hiezahana, fa ny mba hapetraky ny mpanasa amin’ny toerana tokony hisy ny tena. Izany no fanetren-tena : ny fiekena ny maha-izy azy ny olona sy ny tena (ny fahaizana sy ny mety ho fahalemena na kilema).
Mba azontsika bebe kokoa ny atao hoe fanetren-tena dia azo jerena ny foto-teny humus, dikan-teny latinina (midika hoe tany) lazain’ny grika ταπεινόω (tapeinoo), mampitovy tantana amin’ny tany, mametraka ny tongotra amin’ny tany. Izay manetry tena dia mahatsapa ny maha-vovoka azy ka mbola hody vovoka. Mahatsapa ny fahalemena sy ny fetra ka izany no mampisokatra amin’ny filàna ny hafa, amin’ny fahitana ny hafa ho mpirahalahy mianala fa tsy mpifanandrina sanatria. Tsy izany ihany anefa, ny fahaizan’ny tany mandray ny fako sy ny loto, aorian’ny masoandro sy ny orana mifandimby dia manova ireo humus ireo ho zary zezika hahalonaka azy ka hampamokatra ny voly: ny fifanompoana no hahafahana mioty voka-tsoa lehibebe kokoa.
Tsy moramora anefa ny hanaiky ny fetran’ny tena, vao mainka tsy mora ny miaiky ny hampamokatra ny hafa, indrindra moa fa ny hoe “arakaraka ny hisondrotana no hanetren-tena” (Vak.I). Ny adidy tsy an’olon-dratsy, hoy ny Ntaolo, ka na izy ireo aza mahatsapa fa ny fanaovana adidy no mampisy hasina sy maha-olom-banona. Mampalahelo indraindray ny mahita olona omena andraikitra ka ny tahotry ny tsy hahomby na tsy hahazo ny tombony kendrena no hanitsakitsahana ny zon’ny hafa.
Eo amin’ny fiaraha-monina dia mampalahelo fa anabeazana hatrany am-pianarana ny hifaninana ho ambony noho ny hafa, ary indraindray aza misy mahavita mamingana ny hafa mba hanamafisana ny toerana heverina ho tratra. Mifaninana hifanaja, hoy Md Paoly, προηγέομαι (proegeomai): hifaninana hanao tsara laza ny hafa noho ny tena (Rom 12, 10). Lazain’i Ben Siraka amin’ny Vakiteny I fa ny fon’ny olona manan-tsaina misaintsaina ny hainteny ary ny sofina mahay mihaino no fanirian’ny hendry: “Mihainoa ry Israely” (Dt 6, 4) no voalohany amin’ny Didy ary “sambatra ny olona mifaly amin’ny Lalàn’ny Tompo sy misaintsaina azy andro aman’alina”, hoy ny Salamo (Sal 1,2).
Ny mahagaga anefa dia izay nitranga teo amin’ny zanak’Israely izay tsy te haheno ny feon’Andriamanitra mivantana intsony ka na ny biby aza mikasika ny tendrombohitra fihaonana dia notorahim-bato (Heb 12, 20 ; Eks 19, 12ss) ka toa Andriamanitra mampangovitra ilay Andriamanitra ivavahana. Tsy tahotra hampandositra anefa ny fahatsapana ny herin’Andriamanitra fa vao mainka aza tokony hanampy antsika hitoky amin’ny fitiavan-dRay. Izany no nahatonga an’i Md Paoly hampahatsiaro antsika fa tsy Fanahim-pahandevozana no noraisintsika, ka hatahotra indray isika, fa Fanahim-pananganan-janaka, ka iantsoantsika hoe: Aba! Ray! (Rom 8, 15).
Ny Salamo 67 dia mampianatra antsika ny toetran’io Andriamanitra Raintsika io, ary toetra izay tokony halain-tahaka hoenti-manatanteraka ny adidy takian’ny andraikitra hanondrotan’ny fiaraha-monina sy ny Eglizy antsika satria tsy misy fahefana na andraikitra azon’ny olona raisina raha tsy nomena azy avy any ambony izany (Jn 19, 11):
- אָסַר ‘acar).
Ao amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Lioka dia im-betsaka no voatantara i Jesoa miara-mihinana amin’ny olona: ao amin’i Simona ilay Farisiana (Lk 7, 36); any amin’i Maria sy Marta (Lk 10, 38); any an-tranon’ny farisiana iray (Lk 11, 37); ao an-tranon’ny Loholon’ny Farisiana indray (EVanjely anio); any amin’i Zake (Lk 19) ary Izy manasa ny Apostoly (Lk 22). Tsy mahagaga moa raha noheverin’ny sasany ho lehilahy lian-kanina sady mpisotro Izy (Lk 7, 34).
Amin’ireo fiarahana misakafo ireo, ny telo dia ao an-tranon’ny Farisiana. Tamin’ny voalohany, nosasan’ny vehivavy ratsy fitondran-tena nanasa ny tongony tamin’ny ranomaso, namafa izany tamin’ny volon-doha sy nanosotra azy ilomanitra ka nomen’i Jesoa ho ohatra hotahafin’ny rehetra amin’ny fitiavana be satria voavela heloka (Lk 7); Ny sakafo faharoa (LK 11) i Jesoa tsy nisasa tanana fa avy eo niafara tamin’ny fitanisàna ireo zavatra mampalahelo rehetra manjo ny Farisiana sy ny Mpanora-dalàna izay nizezika fanontaniana betsaka mba hamandriana Azy (and. 53-54).
Ny Evanjely androany moa Lioka 14, 1.7-14 izay mampahatsiaro antsika ny voalazan’ny Ekleziastika hoe : “Raha ny manam-pahefana no manasa anao, mijanona eny lavidavitra hianao, fa hanery anao mafimafy kokoa ny fanasany; Aza dia manakaiky azy loatra, fandrao roahiny hianao; ary aza mijanona lavitra azy loatra, fandrao hadinony” (Ekl 13, 9-10). Aleo asandratra toy izay hahetry, hoy Jesoa.
Misy andininy 5 tsy novakiana moa eo mitantara ny nanasitrana’i Jesoa ilay lehilahy mnairano.
Ny toko faha-13 sy 14 amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Lioka dia mahavaky loha raha dinihina amin’ny antsipirihiny: ny varavarana ety (Lk 13, 24) saingy tian’ny Ray kosa mba ho feno ny efitrano fihinanana ka tereny hiditra ao avokoa ny olon-drehetra (Lk 14, 23). Amin’ny Evanjely anio anefa dia tiany ny mitantara ny Sabata farany niainan’i Jesoa, niarahany nihinana tamin’ny loholon’ny Farisianina iray. Manaiky ny hifampizara ny mofon’izao tontolo izao Izy mba hahafahany manolotra antsika kosa ny mofon’ny fiainana (mbola hataony amin’i Zake koa io).
Voaasa hihinana ao amin’ny fanasana ny olona rehetra, satria ny hanina dia miantoka ny aina. Tian’Andriamanitra ho velona ny olona. Tonga mba hamelona antsika i Jesoa ary tonga mba hahatonga lafatra ny aina ao amintsika (Jn 10, 10). Nisy lehilahy iray manirano anefa, izany hoe mibinabina feno rano ny vatany (ὑδρωπικός hy mm dropikos), mangetaheta lava kanefa arakaraka ny hisotroana no mampibinabina ka mazava loatra tsy afaka ny hiditra amin’ilay “varavarana ety” nolazain’ny EVanjely tamin’ny heriny. Mety hilazana ilay Farisiana mieboebo ambaran’i Lioka any amin’ny toko faha-18 io (Lk 18, 11ss). Fa na iza na iza, dia mila sitranina. Ny andro anefa Sabata. Hanao izany tahaka ny nataony tamin’ilay vehivavy maty tanana ve izy (Lk 6, 6ss) sy ilay vehivavy nanjoko tsy afa-nitraka (Lk 13, 10-17)?
Tsy ny Farisianina ihany anefa no ametrahan’i Jesoa ny fanontaniany fa ny mpampianatra ny lalàna koa: azo atao ve ny manasitrana ny andro Sabata? Ho azy ireo kosa, na ny famaliana an’i Jesoa aza tsy nataony akory. Fa i Jesoa kosa nanasitrana ary nanafaka ilay nabontsin’ny rano nosotroiny, namaha ny fatorany (ἀπολύω apoluo) ka namela azy handeha. Ambony noho ny lalàna rehetra manko ny lalàn’ny fitiavana.
Tsy didy fa fety no vonjentsika ny alahady. Ny Lalàn’i Moizy manko dia manoro mba hitandrina ny Sabata ka hanamasina azy, didy nomen’YHWH mba hahatsiarovana ny nanavotany ny vahoakany tamin’ny fanandevozana tany Ejipta (Det 5, 15). Isika kosa dia mankalaza ny Pakan’i Kristy, ny fandreseny ny fahafatesana sy ny fahotana, ka manamasina izany amin’ny fampifanarahana ny fo amam-panahy amin’izany fandresena izany.
Fa raha iverenana ny vakiteny anio, ny ao amin’ny boky Alahady sy Andro fety moa nijanona amin’ny and.11. Tsy hita ao amin’ny vakiteny araka izany ny and. 12-14 ary mety tsy voavaky ao am-piangonana. [Ary hoy kosa izy tamin’ilay nanasa azy: Raha manasa olona hisakafo antoandro na hariva ianao, aza dia ny sakaizanao na ny rahalahinao na ny havanao na ny mpanan-karena mifanakaiky aminao no asaina, fandrao asain’ireo koa ianao ka ho voavaliny izay nataonao taminy. Fa raha manao fanasana ianao, ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba no asao: dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly anao ireo; fa rehefa mby amin’ny fitsanganan’ny olo-marina vao hovaliana ianao.]
“Raha manasa olona ianao dia aoka izay tsy hana-kavaly no hasainao”. Fampianarana natolony ilay loholon’ny Farisianina io, fampianarana mifanohitra amin’ny mahazatra. Ka raha izany ve amin’ny fanamasinana pretra na amin’ny fanamasinana eveka ireny, tsy mainsty ny olona tsongoinolombolo no voaasa voalohany. Efa nisy hatramin’ny andron-dry Md Jakoba izany (Jak 2, 2-4). Dia aiza no nasiantsika ny fampianaran’i Jesoa? Mety hilaza ianao hoe ka tsy azo raisina ara-bakiteny anie ny Tenin’Andriamanitra fa voaasa tany amin’ny lamesa ny olon-drehetra. Dia ahoana ary no hampiharantsika izany tsy ara-bakiteny?
Ny sakafo atoandron’ny Sabbata manko dia tsy sakafo fe sakafo fotsiny fa fiaraha-mihinana maharitra mba hiresadresahana sy hifampizarana ny fiainana. Mazava loatra araka izany fa ny fanasana atao amin’ny mahantra dia fifampizarana amin’izy ireo ny fiainana ary fanekena koa handray izay mety ho takatr’izy ireo ka azony hifampizarana, mety ho resaka tsy hifampitohy akory aza. Ny fanasana azy ireo araka izany dia midika ho fandraisana azy ireo ho tapaka sy namana.
Heveriko fa ezaka isan’andro no mandavorary ny fitiavantsika : isan’andro no hanamafisana ny faniriana ny ho masina. Isan’andro no hizahana ny endrik’i Jesoa ao amin’ny ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba… ao amin’ireo hanaovan-tsoa satria tsy manan-kavaly…
Tsy afaka ny hahita ny endrik’i Jesoa ao amin’ny hafa anefa isika raha tsy ao am-pontsika aloha no hanombohana izany fikarohana ny endriny izany, hibanjinantsika ny Lakroà, fahalavoana ho an’izao tontolo izao fa fandresena kosa ho an’Andriamanitra. Mila havaozina mandrakariva araka izany ny maha-kristianina antsika. Mila manontany tena matetika hoe : inona no maha-kristianina ahy? Izay endrika tiantsika manko no zahantsika amin’izay alehantsika. Raha ny voninahitra sy ny harena araka izao tontolo izao no endrika mahababo ny fontsika dia ho amin’izany no hanompanantsika ny fiainana manontolo. Raha toa ka i Kristy Voafantsika kosa sy ny ho an’ny fanjakany dia izay vao ho fointsika ho an’ny mahantra hatramin’ny fiainantsika manontolo aza… satria noho i Kristy sy ho an’i Kristy.
Ny Eokaristia no sakafo hanasana (καλέω kaleo, hiantsoana) antsika hiray aina aminy ka hianarantsika ny fifanompoana, ny fanasana tongotra, ny fanekena ho andevon’ny hafa, satria ny hafalian’ny hafa no antom-pahasambaran’ny tena. Raha sanatria mba manan-katao isika dia tsarovy fa tsy fihantrana sanatria no hanampiantsika ny mahantra fa fiangaviana mba hizaran’izy ireo amintsika ny Fanjakan’ny Lanitra, satria izy ireo no tompony, an’ny mahantra ny fanjakan’ny lanitra (Mt 5, 3), ka loharanon-kafaliana dia ny ety an-tany ny mifampizara fiainana sy hafaliana amin’izy ireo.
Izany hafaliana izany no valisoa omanin’Andriamanitra ho an’izay mampiasa ny harena sy ny fiainany hanasoavana ny hafa: izy ireo no zanak’ilay Avo indrindra (Lk 6, 35).
Ho tia an’Andriamanitra tokoa anie ny fontsika, hazoto hanompo Azy ka hampitsiriany sy hotahiriziny ao am-pontsika ny hatsaram-panahy, hitovizantsika endrika tanteraka Aminy, ka hahatonga antsika ho zanaka mpandova ny fanjakany satria sitrak’Izy Fanahy Masina ny hanome antsika ny toe-panahin’i Kristy ilay nentanim-pitiavana ka nanetry tena hatrany eo anatrehan’ny hafa (Vavaka fangatahana).