Talata faha-21 mandavantaona
- Ankasa 2 Tesalônika 2, 1-3a, 14-17/ Salamo 95
- Tsy ankasa 1 Tesalônika 2, 1-8 /Salamo 139/
- Md Matio 23, 23-26
Loza (οὐαί ouai) ho anareo ry Farisiana mpiatsaravelatsihy (ὑποκριτής hypokrites)[1].
Misy fito ireo filàna loza lazain’i Matio amin’ny toko faha-23. Mila mitandrina mandrakariva koa isika, satria ireo Farisianina sy Mpanora-dalàna kely misisika koa ao amin’ny fiainantsika no itorian’i Md Matio ny Evanjeliny fa tsy ny farisianina avy ivelan’ny Fiangonana tsy akory. Ny telo nolazain’ny Evanjely omaly. Andeha ary hojerentsika ireo “filàna loza” roa hafa lazain’ny Evanjely anio.
Ny Deterônômy moa mandidy mba hihinanana eo anatrehan’ny Tompo isan-taona ny am-pahafolom-pananana ary hanomezana izany ny Levita sy ny kamboty amam-pitondratena isaky ny telo taona (Det 14, 22-29). Ny Boky Fanisana kosa mampahatsiaro ny santa-bokatra tsara indrindra ho an’ny Mpisorona ary milaza fa ny fahafolon-karena rehetra no anjara lova ho an’ny Fokon’i Levì (Fanisana 18, 21). Tsy ny fanarahan-dalàna izay mety ho nataon’ny olona ihany hifanaraka amin’ny tombontsoany fotsiny anefa fa ny fitiavana no hitsarana antsika. Sao sanatria manko ny hetra sy ny adidy “tsy maintsy atao” (satria fampandehanan-draharaha) vita fa ny fitiava-namana “0”, zéro: adino ny “rariny (κρίσις) sy ny famindram-po (ἔλεος) ary ny finoana (πίστι)”, hoy ny Evanjely, mampahatsiaro antsika izay “tsara sy izay takìn’ny Tompo efa nampahafantarina antsika dia ny hanao ny rariny (מִשְׁפָּט), handala ny fitiavana (חֶסֶד) ary hiara-dia amin’ny Tompo amim-panetren-tena (צָנוּעַ)” (Mikea 6, 8).
Misy olona mahavita “denier du culte” sy santa-bary an’hetsiny satria misoratra ao amin’ny boky firaiketana ka arantirantin’ny tompon’andraikitra ao am-piangonana aza indraindray, saingy tsy mbola nahafoy nihoatra ny ariary zato ho an’ny mpifanolo-bodirindrina mahantra sy fadiranovana, mba mitady izay ho anjarany fa “nanao no tsy ambinina”. Manahirana ihany satria adidy tokony atao daholo izany, hoy ny Evanjely.
Manoloana izany dia ampitandremin’i Md Matio isika sao sanatria mitatavana moka nefa mitelina rameva, very amin’ny antsipirihiny ka tsy mahita ny zavatra amin’ny ankapobeny, manadino ny hiafarana. Tsy sanatria koa anefa hanao teli-moka. Mampalahelo ny hieritreritra ny tompon’andraikitra, na ny marimarina kokoa ny nomena andraikitra hikarakara ny litorjia ohatra, ka ny fanitsiana ny fihetsika iray mety tsy nifanaraka tamin’ny fandaminana no manjary olana hanambaniana na hikitakitana ny hafa satria tsy nitandrina na variana, eny fa na inona na inona mety ho antony. Atao ahoana intsony ny hihevitra fa fankalazana ny fitiavan’Andriamanitra sy ny Famindram-pony ary manampy antsika hihaina izany ny Litorjia. Izay zavatra ataontsika tsy am-pitiavana dia tsy mamelona fa mamono.
Ny loza manaraka mety hahavoa raha tsy mibebaka isika dia ny manasa ny ivelan’ny lovia sy kapoaka nefa ny ao anatiny avela ho feno halatra sy tsy fahononana. Ny ivelany manko no imatimatesana (mihatsara velatsihy) ka adino fa ny Ray izay mahita ny ao amin’ny mangingina, izay mahita ny efitrano nanafenany ny hareny rehetra – ταμεῖον (tameion), ka mahahalala avy ao am-pony lalina, no hamaly soa antsika amin’ny fiantsoany antsika ho zanaka mpandova ny fanjakany. Antsoin’i Jesoa isika handio ny ao anaty mba hahadio koa ny ivelany.
Zavatra roa no atoron’ny Evanjely mba tsy ho ao anatin’ny kaopy sy ny loviantsika dia ny halatra sy ny tsy fahalalàna onony. Tsy afaka ny hihinana sy hisotro avy amin’ny zavatr’olona nangalarina na nanaovana an-keriny isika (ἁρπαγή, ἁρπάζω: maka an-keriny). Tsysanatria vokatry ny risoriso sy ny tsy fahamarinana no hivelomana. Loza ho antsika raha tsy averintsika amin’ny tompony izay zavatr’olona nalaintsika tsy an-drariny (Lk 19, 8).
Ny zavatra faharoa mila itandremana koa raha tsy te hidiran-doza dia ny lovia sy ny kaopy feno tsy fahononana. Mety misy hihevitra manko hoe tsy nangalatra ka afaka mihinana sy miletra amin’izay noheveriny ho nisasarana. Izay mety ho tsy fahononana, na ny tsy fahaizana mifehy tena (ἀκρασία) dia mitondra loza. Tsy loza ho an’ny fahasalamana ihany fa loza hampaloto antsika hatraty ivelany, satria izay tokony hifampizarana amin’ny hafa mba hahalavorary sy hahavelona aina tanteraka (Mt 19, 21) no ho zary poizina hampivarilavo.
Vavaka vaovao alohan’ny sakafo atoron’ny Evanjely ho antsika izany: “Andriamanitra ô, aoka mba tsy hisy halatra na tsy fahalalana onony ao anaty viliako sy ao anaty kaopiko. Amen”.
Sambatra ny madio fo fa hahita an’Andriamanitra. Ny hadiovam-po no hahafahantsika mibanjina ny tavany indrindra eo amin’ireo madinika sy ory nohariany hitovy endrika aminy, ka mila ianarana izany hoy Izaia Mpaminany (Iz 1, 17). Ny antsika koa anefa ny fahaizana manao zavatra na izay mety heverina ho “fahalavorariana” dia mampiavonavona sy mahatonga tsy hahalefitra amin’ny fahalemena na ny kileman’ny hafa indraindray. Ny fo tsy voazarazara fa babon’ny fitiavan’Andriamanitra ihany anefa no afaka hitia marina tokoa tahaka Azy “lavorary sy mpamindra fo”, ka ho afaka hanandrana sy higoka ny hasambarana feno ampanantenainy izay te hiaina ao amin’ny fitiavany.
Hitombo ao amintsika anie ny faniriana izay nampanantenainy (vavaka fangatahana herinandro XXI).
[1] Ao amin’ny Mt 23, 13-37 dia im-pito no miverina io: and. 13.15.16.23.25.27.29.