Alatsinainy faha-19 mandavantaona
- Ankasa Ezekiela 1, 2-5. 24-28d/Salamo 148
- Tsy ankasa Deteronomy 10, 12-22 /Salamo 147
- Md Matio 17, 22-26
[Ny andininy faha-21 amin’ity toko ity moa dia lazain’ny mpandalina fa tsy nisy tao amin’ny Evanjelin’i Md Matio fa ny mpandika soratra (copistes) no nampiditra azy, avy amin’ny fitantaran’i Md Marka. Ny Evanjely vakiana amin’ny Sorona Masina rahateo dia manomboka amin’ny andininy faha-22 mitantara ny fanambaran’i Jesoa (2°) ny hijaliany.]
Eo am-pitetezana an’i Galilea no hanambaran’i Jesoa fanindroany amin’ny mpianany ny hanolorana ny zanak’olona eo am-pelatanan’ny olombelona, hovonoina fa hatsangan-ko velona (ἐγερθήσεται, indicatif futur passif de ἐγείρω). Avy any Sezarean’i Filipo Izy sy ny Mpianatra (Mt 16, 13), fa nolazain’i Jesoa fa tsy maintsy hiakatra ho any Jerosalema ka hohampijalian’ny Loholona sy ny Lohandohan’ny Mpisorona (Mt 16, 21), taorian’ny fiovana terehy teny an-tendrombohitra avo (Mt 17, 1) dia mitety an’i Galilea, ny moron’ny farihin’i Genesareta izay niantsoany ny mpianany (Mt 4, 18), fa anirahany azy ireo koa ho Eglizy hitory ny Evanjely (Mt 28, 16).
Eto dia voalaza fa atolotra ny Zanak’olona. Iza no manolotra Azy? I Jodasy ve? Ny lohandohan’ny mpisorona ve? Ny “passive divine” moa dia entina ilazana ny asan’Andriamanitra, ka ny Rainy izany no manolotra Azy antsika, ary Izy kosa no manolotra ny tenany ho fanehoana ny voninahitr’Izy Ray sy ny fitiavany ny olombelona. Izy manolotra ny tenany no hovonoin’ny olona, fa tsy matahotra ho faty kosa ny tsara, satria mino fa handresy mandrakariva ny hazavana. Izany no lalan’ny fitsanganan-ko velona.
Nony tafaverina tao Kafarnaoma moa izy ireo dia ny amin’ny adidy tokony ataon’ny kristianina indray no resahan’ny Evanjely: ny dragma roa (δίδραχμον didrachmon, karama roa andro) tokony haloha isan-taona ho avotr’aina ho an’izay feno roapolo taona, araka ny Boky Eksaody (Eks 30, 11-16), hanohanana ny fanompoana ao an-tempolin’Andriamanitra, araka ny Bokin’i Nehemia (Ne 10, 33). Tokony handoha hetra ve ny kristianina? Ny valinteny eto dia mazava: tsy ho avy amin’ny kristianina na oviana na oviana no hiavian’ny fanafintohinana.
Tsy sanatria ny fanekena izay drafitra apetraky ny mpitondra no hanafoana na hanesotra ny fahafahana amin’ny maha-zanaka. Ambaran’i Jesoa mazava fa “ny marina no maha-olon’afaka” (Jn 8, 32) ka tsy amin’ny tsy fanarahan-dalàna no heverina hanorenana fiaraha-monina tsaratsara kokoa. Ny hetra dia natao hampandehanan-draharaha, ka ny mety ho fanodikodinam-bola ataon’izay mitantana azy dia tsy tokony ho antony hanapahan-kevitra tsy hanao adidy. Mbola tolona hafa kosa no atao ho amin’ny fampanjakana ny fahamarinana.
I Piera nandeha hisedra indray ny ranomasina mba hanjono no hahazo trondro iray, misy vola tokana (στατήρ stater), handoavany ny hetra ho azy sy ho an’i Jesoa. Natao hanafaka sy hahasambatra ny lalàna rehetra ka izay mety hapetraky ny lamina hampandehanan-draharaha dia tokony hohajaina. Tsy sanatria ny mpianatr’i Kristy no hivelona amin’ny hosoka sy ny risoriso.