06 aogositra : Fankalazana ny niovan’ny Tompo tarehy
- Daniela 7, 9-10. 13-14
- Salamo 96
- 2 Piera 1, 16-19
- Md Matio 17, 1-9
Tsy azo sarahana ny fitantarana ny fiekem-pinoan’i Piera izay voafidy ho vato anorenana ny Fiangonana (Mt 16, 13-19) sy ny Fiovan’ny Tompo tarehy (Mt 17, 1-9) izay lazain’i Matio fa niseho afaka henemana taorian’izay. Ny havaloan’andro lazain’i Lioka dia manampy antsika hahazo ny fetin’ny Pantekoty, fetin’ny lalàna vaovao, fomban’ny jody mivavaka havaloan’andro mba hanomana ny fo handray ny Lalàna sy hivelona amin’ny fiainana azy. Ny takela-baton’ny Lalàna anefa tsy mahavoky ho an’izay mbola fatra-pitady ny mofo, misy ny mivavaka kanefa toa mahatsapa fa vao mainka toa miha-ratsy ny fandehan-javatra, satria tsy miandry ny fivoarany araka an’Andriamanitra fa araka izay nirin’ny fony. Ny fandinihana ny fiovan’ny Tompo tarehy no manampy antsika hahazo fa Lalàna vaovao no mitondra antsika amin’ny tranolay vaovao honenan’Andriamanitra. Tsy ny mofo ihany no mahavelona fa ny Teny entin’Andriamanitra mahary sy mitahy ny aina, raisina ka hiainan’izay mandà ny tenany sy manaiky ny ho mpanompo, tahaka an’Andriamanitra.
Raha te handalina izany fifandraisany izany dia azo vakiana ny Boky nosoratan’ny Papa Benoit XVI, Jesoan’i Nazareta, ny toko faha-9 izay hitantarany ny Fiekem-pinoan’i Piera sy ny Fiovan’ny Tompo Tarehy. Ao no hanazavany ny fifandraisan’ny Fiovana Tarehy sy ny Eksaody 24 izay nihaonan’i Moizy tamin’i YHWH tany an-tendrombohitra… mbamin’ireo fety Jody hafa. Ho an’ny Papa BENOIT XVI, ny Fiovana tarehy dia manambara amintsika ny tsiambaratelon’ny vavaka (avvenimento di preghiera). Ny voninahitr’i Kristy tafatsangana no hahafahantsika mahazo ny Soratra Masina. Ho an’izay manana andraikitra manokana amin’ny Fitantanana ny andian’ondrin’i Kristy moa (raiamandreny, mpanabe, zoky, pretra, filoha sns) dia manan-danja manokana ny vavaka, izay hifotoran’ny fanarahan-dia an’i Kristy : « Ity no Zanako Malalako, henoy Izy« , voaantso hihaino ka hiaina ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy isika, mialoha ny hitoriana izany amin’ny hafa. Manana adidy haneho ny endrik’Andriamanitra amin’ny hafa manko ny zanak’Andriamanitra rehetra, ka izay efa nahita marina ny endrik’i Kristy no afaka maneho azy amin’ny hafa.
I Moizy sy Elia dia efa nisantatra ny karemy izay efapolo andro hiomanana hihaona amin’ny Tompo. I Moizy moa, niakatra teny an-tendrombohitra niaraka tamin’i Aarona sy ny zanany roalahy (Adab sy Abihò) ary nijanona efapolo andro sy efapolo alina tany an-tendrombohitra, tao anatin’ny rahona, mba hihaona amin’YHWH (Eks 24, 18) ary i Elia izay nandeha efapolo andro sy efapolo alina mba hihaona amin’YHWH any an-tendrombohitra (I Mpanjaka 19, 8) ary i Kristy nivavaka sy nifady hanina tany an’efitra efapolo andro sy efapolo halina mialoha ny niantsoany ny Mpianany (Mt 4, ary tsara vakiana koa ireo naoty atoron’ny Baiboly TOB). Tsy azo adinoina ihany koa fa ny fety anio dia fanombohan’ny efapolo andro hiomanana amin’ny Fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny 14 septambra.
I Moizy sy Elia dia taratry ny voninahitr’Andriamanitra, satria izy ireo no vavolombelona nahita ny voninahitr’Andriamanitra nonina tao Sinai. Ny tranolay fihaonana (Shekinà) dia hahatsiarovan’ny Jody io fisehoan’ny voninahitra nandrakotra tendrombohitra nandritra ny henemana io ka ny andro fahafito (afaka henemana) Andriamanitra no niteny tamin’i Moizy. Saingy i Moizy ihany avy eo no naminany ka niteny tamin’ny zanak’Israely hoe: “Hanangana mpaminany anankiray tahaka ahy eo afovoanao, eo amin’ny rahalahinao, YHWH Andriamanitrao; hohenoinareo izy” (Det 18, 15).
Ny Lalàna (voasoratra tamin’ny takela-bato) no vavolombelon’ny fiarahan’YHWH tamin’ny vahoakany (izay ny tranolay voalohany). Ny Mpampinany dia tsy nanao afa-tsy ny nampahatsiaro ny vahoaka mba tsy hanao fo vato ka hiverina amin’ny Lalàn’ny Tompo (izay ny tranolay faharoa). Ilay Teny tonga nofo kosa no ilay “zanak’Andriamanitra”, anaram-boninahitra omena ny zanaky ny Mpanjaka mandray ny fiketraham-panjakana ka asandratra ho Mesia, hiaro sy hitady izay hahasambatra ny vahoaka. Mesia araka ny sitrak’Andriamanitra anefa (Izaia 42,1), hanetry tena sy hahalefitra fa tsy araka ny fiheveran-dison’ny olona. Izy no ilay Mpaminany nolazain’i Moizy, ary lazain’ny Ray fa hohenointsika. Ny fihainoana Azy no zary “tranolay” hahatonga antsika ho fonenan’ny Trinite Masina (Jn 14, 23). Izy no Emanoela, Tranolay mandrakizay maneho fa miara-monina amin’ny vahoakany Andriamanitra.
Tsy fanangonana ny traikefam-piainana nataontsika ny firosoana ho kristianina. Izay mahita ny voahangy tsara dia tsy maintsy hivarotra (hahafoy) izay rehetra nangoniny hatramin’izay mba hividy azy (Mt 13, 45ss). I Moizy sy Elia dia nanamboatra ny lalana nitondra amin’ny fiainana ihany, jiro manazava ao anatin’ny haizim-pito vokatry ny hamafin’ny fon’olombelona, fa rehefa tonga ilay masoandrobe lohataona dia tsy ho hitan’ny maso intsony izy ireo. I Jesoa irery sisa. Mampalahelo raha mbola afangaro amin’ny sikidy sy ny fanandroana na amin’ny fanompoana andriamani-kafa, eny fa na dia amin’ny fanarahana ny fomban-drazana (raha sanatria tsy mifanaraka amin’ny Evanjely izany) ny finoana an’i Jesoa Kristy. Izay tena tafahaona tamin’YHWH dia hamirapiratra ny tarehiny (Eksaody 34, 29).
Niresaka ny fiakarany any Jerosalema tamin’i Moizy sy Elia i Jesoa, hoy i Md Lioka. I Piera kosa nandray fitenenana, miantso an’i Jesoa ho “Rabì – ῥαββί” (Marka), “Mpampianatra – ἐπιστάτης” (Lioka), “Tompo – κύριος” (Matio) mba hahafahana mitoetra eny an-tendrombohitra, mba hahafahana mitahiry an’Andriamanitra ho azy mandrakizay. Vonona hanorina samirery tranolay telo “aho”, hoy izy (Matio). Manolotra ny tenany ho antsika Andriamanitra saingy tsy azontsika hofehezina kosa amin’izay mety ho fomba na fihevitra na “tranolay” ataontsika (2 Sam 7, 3; 1 Tantara 17, 4).
Natsangan’Andriamanitra ho zanany isika tamin’ny Batemy noraisintsika, ary azo araraotina tsara hanavaozana izany voninahitra maha-zanaka antsika izany ny Fankalazana anio, ka hahafahantsika mampifanaraka ny fiainana amin’izany. Ambaran’i Kristy fa ilay voninahitra hitan’Israely amin’ny Fahazavan’ny tava sy ny fitafian’i Moizy ( Eks 24, 17 sy naoty) dia misy heviny noho ny porofom-pitiavana nasehony eo ambony Hazofijaliana. Ny voninahitra lehibe indrindra azon’Andriamanitra omena, hoy Md Piera dia ny filazany hoe : “Ity no Zanako malalako izay sitrako indrindra”[1] (2 Piera 1, 16-19). Mampatahotra ny maheno izany, hoy ny Evanjely, ary mahalavo miankohoka amin’ny tany (Mt 17, 6), tahotra satria mipetraka ilay Mpitsara ka manokatra ny Boky, dia ny bokin’ny fiainana (Vakiteny I Daniela 7), tahotra mampanontany tena mandrakariva, sao tsy mifanaraka amin’izay maha-zanak’Andriamanitra ny fiainana.
I Kristy no fahatanterahan’ny Lalàna sy ny Mpaminany, izany no tanjon’ny Fiainany (Mt 5, 17). Ny fahalalana Azy araka ny tena toetrany no hahafahana manahaka Azy, hoy Md Joany (1 Joany 3, 2: Tononkiran’ny Komonio). Ao Aminy no hahafahantsika mitandrina ilay akanjo fotsy porofon’ny nampakarana antsika ho vadiny ao amin’ny Eglizy amin’ny alalan’ireo sakramenta noraisintsika (batemy, komonio…), tsy ho akanjom-boninahitra sy fety ihany, fa ankanjo hanehoana koa ny fahavononan-kanompo, haneho ny maha-Mpanjaka antsika amin’ny fampanjakana ny Fitiavana, hiaina ny maha-Mpaminany antsika amin’ny Fijoroana ho vavolombelon’ny finoana nekena (na ho Hazofijaliana aza no hiafaran’izany) ary hivelona ny maha-Mpisorona amin’ny fiainam-bavaka, hahatsapana fa ny fihaonana amin’ny Ray eny an-tendrombohitry ny fivavahana no hany loharano azo hanovozana ny hery hahafahana mitondra ny hazofijaliana sy manara-dia an’i Kristy amin’ny fihainoana Azy (Lk 9, 23)[2] ka hahafahan’ny Ray ihany koa manome voninahitra antsika, amin’ny hanambarany ny maha-zanany antsika, satria taratry ny fitiavany.
Ilay mararin’ny androbe, lazain’ny Perikaopa manaraka ity Evanjely ity (Mt 17, 14ss) izay nentin’ilay rainy tamin’ny mpianatra nefa tsy nahasitrana azy izy ireo, dia entina anambarana fa izay tsy miaraka amin’i Kristy eny an-tendrombohitra mba hivavaka dia tsy afaka ny handroaka ny fanahy maloto. Ao no hahafahantsika manantena ny fiovan-tarehy izay efa nosantarin’i Jesoa Kristy Filoha (prefasy).
Mivavaha mba hampiova ny toetrantsika hitovy endrika amin’i Kristy ny vavaka ataontsika.
[1] Ity no zanako malalako (Salamo 2, 7), ilay malalako (Jenezy 22,2, Isaaka vaovao), ankasitrahako indrindra (Izaia 42,1, Mpanompon’YHWH), henony Izy (Det 18, 15, ilay Moizy vaovao).
[2] Ny antoka omen’izay te hanara-dia an’i Jesoa nosoratan’i Lioka manelanelana ny Fiekem-pinoan’i Piera sy ny Fiovan’ny Tompo tarehy (Lk 9, 23).