Alahady faha-17 mandavantaona Taona D
- Jenezy 18, 20-32/ Salamo 137
- Kolosy 2, 12-14
- Md Lioka 11, 1-13
Izay mpivavaka tsara, mivavaka am-pitokiana sy faharetana.
Ny asa nanirahana ilay Samaritana dia ho tanteraka rehefa tonga amin’ny fahalavorariana ao amin’i Kristy ny olona rehetra ka handray ny Fanahy avy amin’ny Ray hahafahany miantso Azy hoe : Abbà. Ny hampianatra antsika izany no nahatongavan’i Jesoa raha vonona ny hihaino Azy tahaka an’i Maria isika, hitoetra eo anilan’ny tongony. Avy amin’izany fampianarana izany no hahaizantsika mivavaka araka ny tokony ho izy.
Hoy ny Fampianaran’ny Eglizy: “Lehibe ny misterin’ny finoana”. Ambaran’ny Fiangonana ao amin’ny Sembolin’ny apôstôly izany (fizarana voalohany) ary ankalazainy amin’ny litorzian’ny sakramenta (fizarana faharoa), mba hifanaraka amin’i Kristy ao amin’ny Fanahy Masina, ho voninahitr’Andriamanitra Ray, ny fiainan’ny mpino (fizarana fahatelo). Io mistery io àry dia mitaky ny mba hinoan’ny mpino izany, hankalazany izany ary hiainany izany ao anatin’ny fifandraisana sady maharitra no an’ny tsirairay miaraka amin’Andriamanitra velona sy marina. Izany fifandraisana izany no atao hoe fivavahana (KFK 2558).
Ny vavaka araka izany dia ny fikolokoloana ny maha-zanak’Andriamanitra antsika, mba hahafahantsika miaina araka izany ka hanandrana sady handova ny fahasambarana nampanantenain’i Jesoa, dia ny fiombonan’aina amin’ny misterin’Andriamanitra Trinite Masina (Jn 17, 21-22). Izany fifandraisana amin’ny Ray lazain’ny Katesizy izany dia mivoatra avy amin’ny fihainoana ny Fanambaran’Andriamanitra (fihainoana ny Teniny) ka handraisana azy am-pinoana, amin’ny fandalinana sy ny fankalazana azy mba hahatongava nofo azy eo amin’ny andavanandrom-piainana. Izay maniry handova ny fiainana mandrakizay dia tsy maintsy miezaka ny hahalala an’Andriamanitra, satria izany no fiainana mandrakizay, hoy Md Joany, ny fahalalantsika Azy no hahafahana maka tahaka ny fomba fiainany, hanandramana ny hasambarany amin’ny fanarahana ny lalana atorony hahasambatra antsika. Ny Vavaka tena izy araka izany dia ny fiezahana hahalala bebe kokoa an’Andriamanitra mba hahafahana manahaka ny famindrampony sy ny fahalavorariany (Mt 5, 48).
Ny vakiteny voalohany dia mitantara ny vavaka nataon’i Abrahama ho an’i Sôdôma (סְדֹם qui brule) sy Gômôra (עֲמֹרָה `Amorah, submersion, traité en esclave si ça vient de amar em piel et hitpael). Ny fibanjinany ireo olona telo sy ny nanompoany azy, ny fandraisany ny vaovao mahafaly fa ravin-taona dia hanana anaka i Sara vadiny, no nahatsapany fa tsara fo sy antra ny Tompo ka tsy hahafaly azy ny haharavan’ny tanàna, fa indrindra ny hahafatesan’ny olomarina miaraka amin’ny mpanota. Endriky ny olombelona andevozin’ny fahotana i “Sôdôma sy Gômôra”, ka izay zanak’Andriamanitra, izay mibanjina ny tavany dia hitalaho mandrakariva ny famonjena tsy ho an’ny olomarina fa ho an’ny mpanota mba hibebaka (Lk 5, 32). Na dia ao amin’izay olona heverintsika ho jiolahy raindahiny aza dia misy ampaham-pahamarinana kely mandrakariva hahafahana mitalaho ny famindrampon’Andriamanitra. Habibiana, hoy Abrahama, ny mamono io fahamarinana io miaraka amin’ny tsy fahamarinana. Avelao haniry ny vary sy ny tsiparifary, hoy Jesoa, sao ho voahongotra koa ny vary (Mt 13, 29).
Mampita hafatra lehibe ho an’ny fiaraha-monina misy antsika koa anefa ny Vakiteny I (Jen 18, 20-32). Naheno ny fitarainana miakatra avy any Sôdôma sy Gômôra Andriamanitra dia nidina raha mifanaraka amin’ny zavatra henony ny zava-misy marina. Ny dikanteny henontsika moa tsy dia mazava loatra fa milaza hafenoan’ny halebeazana (que je dois descendre pour voir s’ils ont agi en tout comme la plainte en est venue jusqu’à moi. Oui ou non, je le saurai Gen 18,21 TOB). . Firifiry anefa ny fanapahan-kevitra na ny fitsarana olona tsy asiana fanadiadiana akory fa mionona amin’ny siosion-dresaka angambaina fotsiny ihany. Misterin’ny Andriamanitra ivavahan’i Abrahama koa no lazain’ny vakiteny. Abrahama moa mijanona eo anatrehan’ny Tompo. (Tsy haiko moa hoe avy aiza no nahazoan’ny dikateny malagasy sy ny frantsay amin’ny litorjia ilay hoe olona roa, satria ireo olona ireo no amin’ny teny hafa). Andriamanitra tonga nofo, אֱנוֹשׁ ‘enowsh, mitafy ny fomban’olombelona kosa midina ho any Sôdôma. Amin’ny toerana rehetra Andriamanitra ka ny fijereny ny fahorian’ny vahoaka tsy manakana ny mpino hanandratra ny vavaka ihany koa aminy.
Md Lioka 11, 1-4
Amin’ny fitohizan’ny fitantaran’ny Evanjely no hahafahana mahazo ny hevitra tian’i Lioka hahatongavana. Ny nanirahana ilay Samaritana dia ny haha-sambatra amin’ny maha-zanaka azy avy ny olombelona rehetra ka ho afaka hiantso am-pitokisana an’Andriamanitra hoe : Abba, Dada. Izany no ampianarin’i Jesoa antsika ka amporisihany antsika hihaino Azy tahaka an’i Maria. Ny fiainana ny maha-zanaka manko no manamasina ny anaran’Andriamanitra ka handraisana anjara marina tokoa amin’ny fanorenana ny Fanjakany, tsy tahaka ny mpanompo fa tahaka ny mpandova.
Tsy ezakezaky ny fo adolan-tsento anefa izany fa fahasoavana velomin’ny hanina avy amin’ny hatsaram-pon’Andriamanitra, mamelona ny olony amin’ny Teniny sy ny Tenany, ka mila angatahina mivantana Aminy (ny Anaranao, ny Fanjakanao) ary mila angatahina ho an’ny olona rehetra (ny sakafonay, ny fahotanay…). Tsy misy vavaka raha tsy firesahana amin’ilay “Andriamanitra Ray”, tsy tsianjery na fanarahana fandaharana fotsiny ny vavaka fa resaka ataon’ny zanaka miantso ny Rainy; tsy misy fivavahana koa anefa raha sanatria tsy misy fiombonana, satria izay tsy te ho mpiray tampo amin’ny hafa dia manilika ny tenany tsy ho zanaka.
Fiombonana amin’Andriamanitra araka izany ny fivavahana ary izany fiombonana izany dia manjary fiombonana ihany koa amin’izay an’Andriamanitra: ny zanany rehetra sy ny fiainana mifanaraka amin’izany maha-zanaka izany. Ny tanjon’izay mivavaka dia mba hitondra ny olon-drehetra any amin’ny “tranom-bahiny”, any amin’ny πανδοχεῖον (pandoKeion, pas-deKomai), ao amin’ny toerana “mandray ny olon-drehetra”, ny Fiangonana “katolika”, tsy mialon-jafy, toerana nametrahan’ilay samaritanina ilay lehilahy mila fitsaboana mba ho sambatra.
Tsy mandeha ho azy ny fivavahana fa zavatra mila angatahana mba hampianarin’ilay hany mpivavaka, nampifanaraka ny fiainany amin’ny maha-zanaka, ilay tokana afaka miantso marina an’Andriamanitra ho Rainy. Fanomezana avy aminy fa tsy vokatry ny ezaka avy amintsika ny fivavahana marina. Arakaraky ny hahalalantsika Azy, araka izay no hitomboan’ny fiainam-bavaka ao amintsika. Tsy izay tian’ny olona lazaina no lazaina ao amin’io fivavahana io fa izay “lazain’i Jesoa”, ka ny manova na mampiasa teny hafa ankoatr’izay nampianariny, hoy Md Cyprien, dia sady fahadisoana no azo heverina ho fahotana mihitsy aza.
Tsy zavatra mbola andrasana anefa no angatahintsika amin’izany, fa izay efa notanterahin’Izy Ray ao amin’ny Teniny tonga nofo. Anjarantsika ny manokatra ny tanana mba handray azy, ary manandratra ny tanana madio tsy amim-pahatezerana na tabataban-tsaina (1 Tim 2, 8). Ny vavaka no taratry ny fiainana ka ny fianarana mivavaka araka izany dia fianarana miaina, miaina amin’ny maha-zanaka, miombona ao amin’ny Kristy satria samy tian’ny Ray.
Rehefa tsapantsika ny fitiavan’ny Ray antsika ka ampifanarahantsika amin’izany ny fiainana no manamasina ny Anarany isika. Ny fitiavana nitiavan’Andriamanitra antsika ka hiainantsika araka izany no fampahafantarana ka hanamasinana ny anaran’Andriamanitra, araka ny lazain’ny Evanjely (Jn 17, 23-26).
Ny mofo kosa indray, לֶחֶם (leHem) amin’ny teny hebrio dia entina manambara ny fandriam-pahalemana sy ny fiombonan’ny vahoaka. Cum-panis, compagne, mpinamana izay mifampizara mofo: “Iray vatsy, iray aina”, ihany koa hoy isika. Ny miady (לָחַם laHam) dia tsy hahazoana mofo, fa mety handrombahana ihany ny mofo mety hahavelona ny rahalahy. Tsy ny hanova ny vato ho tonga mofo (Lk 4, 3) no angatahin’ny zanaka, fa ny hahaizana mifamela, ka hanjakan’ny fandriam-pahalemana hahafahan’ny zanak’Andriamanitra mifampizara ny manta sy ny masaka.
Avelao ny fahotanay…
Ny Kol 2, 12-14 (Vakiteny II) dia manampy antsika hahazo ny halalin’ny famindram-pon’Andriamanitra. “Fa novonoiny ny sora-tanan’ny didy niampanga antsika sy namely antsika, sady nesoriny tsy hisy intsony aza izany, tamin’ny nanomboany Azy tamin’ny Hazofijaliana”. Tsy manampy antsika hahazo ny tena heviny moa izany dikan-teny izany. Ny nadika hoe soratanana eto dia χειρόγραφον (cheirographon) izay teny entina ilazana ny sora-tanana hanoratan’ny mpitrosa ny terehim-bola nosamboriny sy izay tokony haveriny. Ampiasain’i Jesoa koa io ao amin’ny Lioka 16, entina hilazana ilay mpitandrim-pananana tsy marina, nampanena ny trosa hohefaina ao amin’ny taratasy haterina amin’ny tompon-trosa. Io taratasy mirakitra ny trosan-tsika io izany no novonoin’i Jesoa, ἐξαλείφω (exaleipho), nosasany (izay azo adika koa hoe nosorany fotaka mba tsy ho azo vakiana intsony), nesoriny tsy hisy intsony αἴρω (airo), novesarany amin’ny namantsihany azy teo amin’ny Hazofijaliana. Io teny “airô” io no averintsika amin’ny fihirana ny zanak’ondry: “Ry Zanak’Ondrin’Andriamanitra izay manala, izay mivesatra ny fahotan’izao tontolo izao, omeo ny fiadananao izahay”.
Efa miara-mitsangan-ko velona amin’i Kristy tao amin’ny Batemy isika, efa nofoanany ny trosam-pahotana nampavesatra antsika, efa voavonjy isika, na dia mbola ao amin’ny fanantenana fotsiny aza (Rom 8, 24) fa ny fiainantsika ny batemy kosa, izany hoe ny fampifanarahantsika ny fomba fisainana sy ny fomba fiainana amin’izay ambaran’ny fahafatesan’i Kristy no hanandramantsika koa ny hasambaran’ny fitsanganany ho velona (Rom 6, 5).
Izany no hevitry ny hoe: avelao ny fahotanay fa izahay koa mamela izay rehetra nanao ratsy taminay, παντὶ ὀφείλοντι ἡμῖν (pantì ofeilontì Hemin Lk 11,4 BYZ): ὀφείλω (opheilo) dia midika hoe mitrosa. Izahay koa izany mamela izay manan-trosa aminay. Trosa avela mba hahafahana miaina ny famelan-keloka fa tsy fitakiana ny adidy amin’ny fanankendana na ny fitakiana mba handoha eo noho eo. Tsy hoe “avelako raha…” fa “avelako mba…” no mifanaraka amin’ny maha-kristianina. Famelàna mba hiainana fa tsy hoe famelana satria efa niova.
Izany no hahafahantsika manandrana ny hafalian’ny voavela heloka.
Ho fiainana mifanaraka amin’ny maha-zanaka antsika tokoa anie no hiainantsika amin’ny andavanandrom-piainana.
Md Lioka 11, 5-13
Sady Ray no Reny Andriamanitra, Raiamandreny. Ny Boky Jenezy raha mitantara ny vavaka nataon’i Abrahama ho an’i Sôdôma sy Gômôra dia hahafahantsika mahita izany: “Sanatria anao (חָלִ֨לָה לְּךָ֜ Halilàh lekà – fampiasa amin’ny “ianao” lehilahy) ny hamono ny marina miaraka amin’ny meloka. Sanatria anao izany (חָלִ֣לָה לָּ֔ךְ Halilàh lak – “Ianao” vehivavy)!” (Gen 18, 25). Izay mivavaka dia mahay mihidy ao amin’ny efitrano nanafenany ny hareny rehetra – ταμεῖον (tameion: Mt 6, 6) ka hahalala avy ao am-pony lalina fa fanomezan’ny Ray avokoa izay rehetra heveriny ho harena. Araka izany dia tsy hitsahatra ny hiantsa hoe: Isaory ny Tompo, ry fanahiko, aza misy hadinoina ny soa avy aminy (Sal 102,2 Tononkiran’ny komonio).
Andriamanitra tsy misafidy hohasoavina ny Andriamanitsika satria mandrotsaka ny fahazoavany amin’ny olon-drehetra (Mt 5, 45). Inona àry, araka izany, no mbola hilana ny mivavaka Aminy? Inona no mbola hilàna hangatahana, hitadiavana sy handondònana? Heveriko fa famintinana ny valin’izany ireo fanoharana telo lazain’i Lioka momba ny fivavahana lazain’ny Evanjely ka tsara ny hamakiantsika ny famintinana lazain’ny Katesizin’ny Eglizy momba izany.
Ny voalohany, “ilay sakaiza manelingelina” (lazain’ny Evanjely anio) [Lk 11, 5-13], mamporisika hanao lemozy amin’ny fivavahana : “Dondòny dia hovohaina ianareo.” Amin’izay mivavaka tahak’izany ny Ray any an-danitra no “hanome izay rehetra ilainy”, ary indrindra ny Fanahy Masina izay mirakitra ny fanomezana rehetra.
Ny faharoa, “ ilay vehivavy mananotena manelingelina” (Alahady faha-29 D Lk 18, 1-8), dia mifantoka amin’ny iray amin’ireo toetra ilaina amin’ny fivavahana : tsy maintsy mivavaka lalandava, tsy sasatra ombàn’ny faharetana amin’ny finoana. “Kanefa ny Zanak’olona, rahefa hiverina, moa mba hahita finoana ety ambonin’ny tany va Izy ?”
Ny fanoharana fahatelo, “ilay Farisianina sy ilay poblikanina” (Alahady faha-30 D Lk 18, 9-14), mikasika ny fanetren-tenan’ny fo izay mivavaka. “Andriamanitro ô, mamindrà fo amiko, fa mpanota aho.” Tsy mitsahatra ny Fiangonana manao io vavaka io ho an’ny Tenany : “Kyrie eleison ! ” ( Tompo ô, mamindrà fo aminay!). Tsy misy afaka ny ho velona raha tsy ao amin’ny famondram-pon’Andriamanitra.
Amin’ny fampifanarahana ny fiainana amin’ny maha-zanaka no hahafahantsika mahazo ny hevitry ny fivavahana nampianarin’i Jesoa antsika.
Ny zanany dia antsoin’ny Ray hidodododo hizaha mofo ho an’ny mpivahiny, hisahirana sy hampisahirana ny hafa mba hananan’ny olo-drehetra ny mofo hohanina, ka aleony izy no afa-baraka, amin’ny famohazana ny efa matory toy izay ny mpivahiny no tsy hahazo sakafo. Tsy tokony hampiady (laham) ny mofo fa hampiombona (lehem), hamohafoha ny fisaikazàna.
Hatramin’ny mamaton’alina no hiandrasan’ny rehetra ilay mpampakatra (Lk 12, 38), ary tsy misy afa-tsy Izy izay efa natory no hifoha (ἀνίστημι anistemi) hanome ny tenany, satria Izy no ilay mofon’ny fiainana. Tsy afaka ny hangataka any an-kafa izay mino Azy.
Fa nahoana no mofo telo? Raha ny ao amin’ny Trano Fitiavana (Carmelites Mineures) no mamaly dia hoe toko telo mahamasa-nahandro, dia ny Tenin’Andriamanitra, ny Eokaristia sy ny Mahantra. Lazain’ny mpandalina Baiboly sasany kosa ny antony izay tsy mifanalavitra amin’izany: i Jesoa ilay Mofo velona, ilay Samaritana, Teny tonga nofo nidina ho sakafon’izao tontolo izao no mofo voalohany, Izy ilay maty fa nitsangan-ko velona, nifoha mba ho Eokaristia hivelomantsika; isika mandray azy ka mangataka ny mofo ho an’ny sakaiza mila famonjena dia tonga mofo koa ho an’ny hafa; ary ilay mpivahiny, mangataka dia mbola Izy ihany koa, izay tonga hanohanana mba handovantsika ny fahasambarany amin’ny fizarana ny Mofo mahavelona. Mila lafarinina in-telon’ny famarana (ny lafarinina rehetra ananantsika, Lk 13, 21) araka izany mba hahafahana manomana ny mofo tohan’ny fiainan’ny olona manontolo: omaly, anio ary mandrakizay (Lk 13, 32).
Ny fakam-panahy mety hahazo dia ny hihevitra fa fo vato no asetrin’Andriamanitra ny mofo angatahintsika, ka manoloana ny hanoanan’ireo zanany mitofezaka, tsy mahita andro mihiratra dia misy mahavita milaza fa tsy misy Izy matoa tsy manao fahagagana hamonjena ireny zanany mijaly ireny. Izy anefa no ilay Ray manome hanina ara-potoana ny zava-drehetra (Sal 145, 9.15). Tsy lany sasaka ny zavatra vokarin’ny tany, afaka mamelona olona avo roa heny amin’ny mponina misy ankehitriny, saingy misy ny maty noana. Tsy Izy, araka izany no tsy manome fa ny olona no tsy mifampizara. Ny fifikirana amin’ny haren’ny tany dia hampanan-karena amin’ny zava-mandalo, kanefa tsy hahafahana hiditra amin’ny “fahantrana”atoron’ny Evanjely mba handovana ny fiainana.
Mety ho fakam-panahy ny hevitra fa bibilava mpametsifetsy Andriamanitra fa tsy trondro, manaiky na dia ho tonga sakafon’ny olona manjono aza. Ny fitozoantsika amin’ny vavaka no hahafahantsika mahafantatra fa tsy manolo-bato mafana ny zanany Andriamanitra fa ny Bibilava no mamilivily ny fisainantsika tsy hahita fa ny mahasoa antsika no sitrapon’ny Ray, ary tsy hahasoa fa hanimba ny fiainana ny faniriana ho tsirefesimandidy hiankohofan’ny hafa. Ny tsy fanekena Azy ka mety hiankohofana eo anatrehan’i Satana mba hahazoana voninahitra no mitondra amin’ny fahafatesana. Ny fahatsorana hahatonga antsika ho “trondro”, sakafo iveloman’ny hafa no hahafahantsika miroso amin’ny lalan’ny fitiavana lavorary.
Mety ho fakam-panahy ho antsika ny mihevitra fa manome maingoka hamono antsika Andriamanitra kanefa atody, antoky ny aina no angatahintsika. Ny maingoka manko, tsara bika, dia mba zava-manana aina ihany saingy mitondra poizina mahafaty, ny atody kosa toa zavatra maty, tsy mihetsika, mora vaky nefa mitondra ny tsimok’aina ao anatiny. Tsy misy afa-tsy ny fanarahan-dia an’ilay maty fa nitsangan-ko velona no hahafahana mihoitra amin’ny tahotra ny fahafatesana ka hitalahoana ny Fanahy, loharanon’ny Fiainana sy ny fahasambarana mandrakizay.
Ny fihinanantsika ny Mofo isan’andro anie hahatonga antsika koa ho mofo velona, ho taratry ny fitiavan’Andriamanitra amin’ny mpiara-belona.
Manampy antsika hivavaka araka ny fampianaran’i Jesoa ity fandinihana niainga avy amin’ny torohevitry ny breziliana iray ity.
Aza miteny hoe Ray
raha tsy te hitondra tena toy ny zanaka ianao.
Aza miteny hoe Rainay
raha ny fitiavan-tena no mameno ny fonao.
Aza miteny hoe any an-danitra
raha ny zavatry ny tany no himatimatesanao.
Aza miteny hoe hohamasinina anie ny Anaranao
raha tsy manome voninahitra Azy ny fiainanao.
Aza miteny hoe Ho tonga anie ny Fanjakanao
raha afangaronao amin’ny fahombiazana amin’ny zavatry ny tany ny Fanjakan’ny lanitra.
Aza miteny hoe Ho tanteraka anie ny sitraponao
raha tsy vonona hanaiky raha sendra ny mafy.
Aza miteny hoe Omeo anay anio ny haninay
raha tsy hivakianao loha akory ny olona noana,
ireo bado sy tsy ampy fivelomana.
Aza miteny hoe Avelao ny fahotanay
raha mitana an-dolom-po amin’ny hafa ianao.
Aza miteny hoe
Aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay
raha mbola mieritreritra hanao fahotana.
Aza miteny hoe Fa manafaha anay amin’ny ratsy
raha tsy vonona hiady hanohitra ny ratsy.
Aza miteny hoe Amen
raha toa tsinotsinoavinao ny Teny voalazan’ity Vavaka nampianarin’ny Tompo hanova ny fiainantsika ity.