Mpianatr’i Jesoa Tompo – Fankalazana
22 jolay: Mb Maria Madelena –
Mpianatr’i Jesoa Tompo – Fankalazana
- Tononkira 3, 1-4a
- Salamo 62
- Md Joany 20, 1.11-18
Ny Evanjely dia mitantara ny fisehoan’i Jesoa amin’i Maria Madelena, ilay nahatsapa ho nitiavina ka tsy niandry ny andro ho mazava mba handeha hizaha ny “sisa tavela” tamin’ilay Malalany tany am-pasana. Iezahan’ny Evanjely (fa indrindra i Joany manokana) fa tsikelikely ary misy fivoarany ny fizorana mankamin’ny tena finoana lalina, ka ny fahafantarana ny Soratra Masina no lalana sarobidy sy azo antoka indrindra amin’izany fiainana ny finoana izany. Nahita ny vato nikodia i Maria, saingy ny nihazakazana nankany amin’ny mpianatra no nimatimatesany ka nitantarany izay noheveriny tao an-tsainy: “nalain’ny olona tao am-pasana ny Tompo ka tsy fantatray izay nametrahany Azy” (and. 2). Iza no endrikendrehiny ho naka ny Tompony tao? Ny Mpianatra roa lahy nihazakazaka tany amin’ny fasana koa nanamafy ny voalazan-dravehivavy ka niverina tany an-trano. Ny fitiavana kosa no hananam-paharetana hitadiavana an-koatr’izay tsy hitan’ny maso, nahatonga azy hiverina any am-pasana, hijanona any ivelany, eo akaikin’ny fasana sy handinika ny zava-misy, hitsirika ao am-pasana.
Ny anjely, ny vavolombelona (satria roa) hitantsika ao amin’ny fasana dia mety hamerenantsika izay efa masaka ao am-pontsika ihany: “nalain’ny olona ny Tompoko ka tsy fantatray izay nametrahany Azy” (and. 13). Ny fitorian’i Maria ny finoany kosa, ny filazany mazava fa “ny TompoNY” (τὸν κύριόν μου) no tadiaviny, no nahatonga azy “hitodika”, στρέφω (strepho) moa dia dika ara-bakitenin’ny שׁוּב (shub) izay entina hilazana ny fibebahana. Izay mibebaka no afaka hahita an’i Jesoa tafatsangan-ko velona, saingy mbola amafisin’i Joany fa tsy izay mahita akory no mahalala, mitohy ny dingam-piainana handalinana ny finoana. Raha tsy matotra ny finoana, dia Izy Tompo manontany ny antony hijaliantsika indray no endrikendrehantsika ho “mpangala-paty”.
Ho an’i Lioka, ny famakiana ny mofo, ialohavan’ny fivoasana ny Soratra Masina (TNK= Lalàna – Mpaminany sy Soratra) no manokatra ny masontsika hahita an’i Kristy tafatsangan-ko velona (Lk 24), ho an’i Joany kosa dia ny “fankalazana ny Tenin’Andriamanitra”, ny fahafantarana ny feony miantso antsika amin’ny anarantsika, amin’izay maha-izy antsika (ecclesia) no hahaizantsika manavaka ny feony amin’ny feon’ny mpiandry saha. Nahoana no mitomany? Iza no tadiavinao?
Izay mahalala ny antom-pahoriany ary manaiky sy mahafantatra izay tadiaviny no afaka miala eo amin’ny fasana ka mamela ny fiainana hizotra ho any amin’ny hafenoana. Nitodika (στρέφω strepho) i Maria, nibebaka hatrany, nanala ny fijeriny tsy hifantoka intsony amin’ny atifasana, ka afaka nahita an’i Jesoa izay niantso azy, nampahafantatra azy tsikelikely ny maha-izy azy (Ravehivavy, Maria). Ny fahatsapantsika fa lalaina isika no hahafantarantsika koa ny feon’ilay miantso: Rabonì. Io no niantsoan’ilay jamba te hahiratra an’i Jesoa (Mk 10, 51), ary io no iantsoan’i Maria an’ilay “Malalany” rehefa nahiratra ny masony, ka nahafantatra Azy.
“Aza mikasika ahy”, fa raha ny marina, ary izay no mifanaraka amin’ny faminanian’Izaia (Iz 43) dia “aza mitana ahy” (μή μου ἅπτου, me mou Haptou: ἅπτομαι, Haptomai=mikambana, mifikitra), satria izay hihevitra ny hitana na hamerina an’i Jesoa amin’ity fiainana ity dia tsy afaka ny hibanjina Azy be voninahitra, Tompo sy Kristy eo an-kavanan’Andriamanitra.
Teo am-pandriana aho nony alina nitady ilay malalan’ny fanahiko, nitady azy aho fa tsy nahita, hoy ny ampakarina (Vak I). Ary rehefa nivoaka nitety ny tanàna izy hitady ny malalany, ka nahita azy dia naniry hihazona azy ka tsy hamela azy handeha. Tsy avelan’i Jesoa hitazona azy i Maria, satria ny fitiavana lavorary iantsoany ny ampakarina rehetra, dia ny hanonona ny teny mamarana ny Tononkira dia Tononkira hoe : “Mandosira ianao, ry malalako” (Tononk 8, 14), satria ny fahasambaran’izay tiana no tanjona sy hafinaretan’izay tia kosa.
Na i Md Lioka aza dia milaza fa niakatra any an-danitra i Jesoa ny andron’ny Paka (24, 13.33ss) fa avy eo, ao amin’ny Asa 1, 3-11 dia milaza fa afaka 40 andro. Tsy ny fotoana na ny toerana manko no zava-dehibe ho an’ny Evanjelista, amin’ny fitantarana ny fitsanganan-ko velona, fa ny fahazoantsika ny fampianaran’i Jesoa sy ny lalana mitondra amin’izany finoana izany.
I Jesoa tafatsangan-ko velona dia miakatra eo an-kavanan’Andriamanitra mba hanandratra antsika ho “rahalahy sy anabavy” (ἀδελφός adelphos), ho iray Ray Aminy, ho tonga vahoaka iray ihany mankalaza ny Andriamaniny, ka izay mahazo izany hafatra izany ho afaka hilaza fa efa nahita ny Tompo (ἑώρακα τὸν κύριον: ὁράω horao, mahita ao anaty), izay “tonga tsy hitan’ny mason’izy ireo intsony”, hoy Md Lioka, mitantara ny Mpianatra tao Emaosy. Tahaka azy ireo isika: ny Mofo vakiana no hibanjinantsika ny Endriny. Isika rahalahy sy anabavy, tonga vatany no tsy mbola tafakatra any amin’ny Ray, ka tsy sanatria Izy ilay Mpampiakatra no tazonintsika sy terentsika hiditra ao an-dain-drenintsika (Tononkira 3, 4) fa isika kosa no hiezaka hanaraka Azy any an-tranon’ny Ray, any amin’ilay Fanasana hampakarany antsika ho iray Aminy any amin’ny Fanjakan’ny Lanitra (Apok 19, 9.17).
“Aza matahotra fa izaho efa nanavotra anao, efa niantso anao tamin’ny anaranao” (Izaia 43, 1): “Ry Maria”! “hamerina ny taranakao avy any atsinanana aho ary hanangona ny avy any andrefana” (Is 43,5): dia nitodika i Maria ka nanao hoe: Rabòny. “Ny avaratra hilazako hoe atolory izy (avereno, omeo), ary ny atsimo hataoko hoe: Aza mitana ahy” (Izaia 43,6): aza mitana ahy fa mbola tsy niakatra tany amin’ny Raiko aho. “Avereno ny zanakolahy avy lavitra sy ny zanako vavy avy any am-paran’ny tany” (Izaia 43, 7): mandehana mankany amin’ny rahalahiko sy anabaviko. “ianareo no vavolombeloko sady mpanompoko sy nofidiako mba hahafantaranareo sy hinoanareo ahy ary hahazoanareo an-tsaina fa izaho no izy” (Izaia 43, 10): lazao aminy hoe “Miakatra (ἀναβαίνω anabaino, au présent) any amin’ny Raiko sy Rainareo aho”.
“Mahazaka maniraka ny fitiavan’i Kristy ka tsy ho velona intsony ho an’ny tenany ireo velona fa ho Azy Tompo maty sy nitsangana ho azy ireo” (2 Kor 5, 14-15 – Tononkiran’ny Kômonio).
Ho haintsika anie ny hibanjina an’i Jesoa miakatra amin’ny voninahiny ka hinoantsika ny fitiavany, hany tokana afaka manova ny fiainana, ka na dia tsy mazava loatra amintsika aza ny tena tantaran’i Maria avy any Magdalà, dia mazava kosa ny fampianaran’ny Evanjely, ka hanekentsika hibebaka marina tokoa, ary tsy handany andro hanendrikendrika ny hafa sy Andriamanitra amin’izay antom-pahoriantsika, fa hifoha vao maraina kosa, hizotra ny lalana hahafahana mihaona amin’ilay Malalan’ny fontsika, dia i Kristy tafatsangan-ko velona.