8 septambra – Fankalazana ny nahaterahan’i Masina Maria
- Mikea 5, 1-41a/
- Salamo 12/
- Romana 8, 26-30/
- Md Matio 1, 1-16; 18-23
Ambaran’ny tantara ao amin’ny Boky Vakiteny fa zanak’i Joachim izay avy amin’ny fianakavian’i Davida Mpanjaka sy Anne izay avy amin’ny fianakavian’i Aarona Mpisorona moa i Masina Maria. Izy no ilay Virjiny, tonga satria tsy maintsy miteraka, voafidy ho renin’ilay hiiandry ny ondry amin’ny herin’Andriamanitra, ilay ho fiadanan’ny Vahoaka dia i Jesoa, ilay Kristy, zanak’i Abrahama, zanak’i Davida.
Amin’ny andininy faha-17 voadingana amin’ny Evanjely anio dia lazain’i Md Matio fa taranaka 14 hatramin’i Abrahama ka hatramin’i Davida, 14 hatramin’i Davida ka hatramin’ny fahababoana tany Jerosalema, ary 14 hatramin’ny Babilonina ka hatramin’i Kristy. Saika miray hevitra avokoa moa ny mpandinika rehetra ny amin’ny hoe 14, izay isa tambatry ny anaran’i Davida (דָּוִד= ד=4; ו=6; 4+6+6=14).
Rehefa isaina anefa ireo taranaka voatanisa, dia 13 avy amin’i Abrahama hatramin’i Davida, ary ao anatin’izay dia itanisana vehivavy 3: Tamara, ilay nisandoka ho mpivaro-tena mba hahazoany taranaka avy amin’i Jodà, rafozany (Jenezy 38); i Rahaba ilay mpivaro-tena nampiantrano ny mpisafo tany tao Jerikao (Josoe 2), tonga vadin’i Salmôna; i Rota, Moabita, vinantovavin’i Noemì notoroany hevitra hisarizoro amin’i Bôoza, fianakaviany ka tonga vadiny (Rota 3-4).
Avy eo amin’i Davida ka hatramin’ny fahababoana indray kosa, raha isaina ny Mpanjaka hita ao amin’ny tantara, ireo izay nanjaka tany amin’ny faritr’i Jodà, araka ny Bokin’ny Mpanjaka sy ny Tantara dia tsy 14 fa 18 miaraka amin’i Salomona izay farany nanjaka tamin’ny faritra roa nitambatra, satria i Roboama (931-913 a.C) no nanjaka tany Atsimo. Ao anelanelan’i Jôrama (848-841 a.C) sy Oziasa (781-740 a.C) no nisy mpanjaka nesorin’i Matio (Akasia, Joasa sy Amaziasa), heverina fa nararaotiny amin’ny fifangaroan’ny anararan’i Akasia (אֲחַזְיָהוּ, 1 Tantara 3, 11) tonga Οχοζια (Okôzia, avy amin’ny Ὀζίας) amin’ny teny grika, izay anaran’i Azaria na Oziasa (Ὀζίας). Amin’ireo mpanjaka 14 voatanisa eo anefa, dia i Davida irery ihany no nomena ny famaritana hoe : ilay Mpanjaka (ὁ βασιλεὺς, and .6).
Ny antony ametrahan’i Jesoa amintsika ny fanontaniana, hoe “nahoana no lazain’ny Mpanora-dalàna hoe Zanak’i Davida i Kristy” (Mk 12, 35), dia ny mba hahafahantsika mahalala marina tokoa hoe “iza Izy”. Eto amin’ity andininy faha-14 ity dia misy vehivavy iray voalaza koa: Ny vadin’i Orìa izay novonoin’i Davida (2 Sam 11), vadin’olona no niterahany an’i Salomona, razam-be manaraka an’i Davida voaraikitra ao amin’ny tetiaran’i Matio. Sady nangala-badin’olona izany ilay “Mpanjaka” no namono olona.
Ny 2 Samoela 7, 4-16 dia mitantara ny fampanantenan’Andriamanitra an’i Davida fa ny taranany no hanjaka mandrakizay, satria Izy Andriamanitra no hanome azy ny fiandrianana. Tsara hotadidiana ihany anefa ny nanjo ireo zanaka naterak’i Davida: ny lahimatoa (Amona) novonoin’ny manarakaraka (Absaloma) (2Sam 13), Absaloma nikomy nanohitra an’i Davida ka maty novonoin’i Joaba (2Sam 18). Tokony ho Adoniasy no handova, saingy noho ny hafetsen’i Betsabea dia i Salomona zanany no nofodian’i Davida ho mpandova azy, ary i Salomona kosa nampamono an’i Adoniasy (1Mpanjaka 2). Maty Salomona dia nizara roa ny Fanjakana. Ady sy fandrombaham-pahefana araka izany no nanjaka tao amin’ny tranon’i Davida. Saingy avy amin’izany no nofidian’Andriamanitra hipoiran’ny Zanany, avy amin’i Josefa, taranak’i Davida. Na dia tapitra tamin’ny fanjanahan’ny Babilona aza ny fanjakan’Israely (586 aC) dia namelombelona tao am-pony izany fanantenana izany ihany ny taranany rehetra.
Avy eo amin’i Jekôniasa kosa indray, hatramin’i Josefa dia tsy 14 fa 12 no taranaka voalaza eo. Ary raha isaina ny hoe niteraka, hatrany amin’i Abrahama niteraka (ἐγέννησεν=aoriste active de γεννάω gennao) an’Isaaka ka hatramin’i Jakoba niteraka an’i Josefa dia 13+14+12=39 izany, ka ny faha 40 dia ἐγεννήθη (aoriste passive de γεννάω gennao) no ampiasain’i Md Matio. Misy antony araka izany ny tsy namenoany ho 14 ireo taranaka ireo. Tsara alalinina ny mikasika izay. Ny mpandinika sasany milaza fa satria Andriamanitra no niantso an’i Abrahama tamin’ny finoana, ka Izy izany no mameno ny laharana faha-14 ao amin’ny fizarana voalohany. Amin’ny antoko fahatelo farany izay 12 fotsiny kosa, dia mahasanganehana ihany, satria tsy misy fantatra loatra ny ara-tantara amin’ny maha-taranak’i Davida an’i Joachim rain’i Masina Maria. Misy kosa no mihevitra fa ilay Josefa lazain’i Matio ho “lehilahin’i Maria” no rainy, ka raha izay, dia feno 14 koa ny taranaka hatrany Babilônina ka hatramin’i Jesoa.
Maha-very hevitra ihany ny mandinika ny lazain’ny Evanjely, eny fa na dia tsy ny hanome antsika “information” ara-tantara aza no tanjony, indrindra fa ho antsika izay mihira fa “ilay taranak’i Davida ara-nofo” no nofidian’Andriamanitra ho Mesia, eny fa na dia nolazian’i Md Matio mazava aza fa “tsy nahalala an’i Maria i Josefa ambara-piterany ny Zanany lahimatoa, ary nataony hoe Jesoa no anarany” (Mt 1, 25). Raha taranaka ara-nofon’i Davida, araka izany ny Kristy, dia mazava loatra fa i Maria fa tsy i Josefa no tokony hotantarain’ny Evanjely fa taranak’i Davida. I Josefa, zanak’i Davida (and. 20) anefa no antson’ny Anjely hampakatra an’i Maria vadiny. Izany zavatra izany moa dia mahatonga antsika handinika ny antsipirihan’ny Evanjely, satria ao amin’i Md Matio dia i Jakoba no niteraka ny Josefa izay nolazaina fa “lehilahin’i Maria”, izay niterahana an’i Jesoa; ao amin’i Lioka kosa indray, i Elì (Ἠλί) no rain’i Josefa izay nataon’ny olona ho rain’i Jesoa (Lioka 3, 23). Raha Josefa iray ireo, dia mazava loatra fa roa izany ny dadaben’i Jesoa araka ny Evanjely.
Ny an’i Lioka moa dia anarana betsaka no tsy mitovy akory fa tsy hisy afaka ny hanaporofo ny fahamarinana na tsia ny amin’ny fifandimbiasan’ireo anarana ireo. Tsy dia izay rahateo koa anefa no zava-dehibe. Adihevitra mety hamohehatra ny mpihaino aza izany ka tsy hahasoa akory, hoy i Md Paoly amin’i Timote (2 Tim 2, 14). Ny zavatra tsy azon’ny saintsika lavina kosa anefa dia manova ny fiainana manontolo ny fahalalàna fa fitiavan’Andriamanitra maimaim-poana no nanomezany antsika ny Zanany Lahitokana ho Mesia hanafaka antsika amin’ny fanandevozan’ny haizina, satria ao aminy no entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, araka ny lazain’i Md Paoly, ao amin’ny Vakiteny II.
Raha hiverenantsika kosa ilay fanisana heverina fa nataon’i Md Matio fanahy iniana, ho 13+14+12, dia ao amin’i Jesoa, laharana faha-40, no tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra. Ao amin’io Zanany io no hiterahany antsika rehetra koa ho zanany.
Tsy i Josefa anefa no niteraka an’i Jesoa, ary na ny dikanteny hitantsika ao amin’ny andininy 16 hoe “Maria (vadiny) izay niteraka an’i Jesoa” aza tsy mifanaraka amin’ny voasoratra amin’ny teny grika hoe “ἐξ ἧς ἐγεννήθη Ἰησοῦς ὁ λεγόμενος χριστός”: “avy amin’i (Maria) no nateraka i Jesoa ilay antsoina hoe Kristy”: (Mt 1,16). ἐγεννήθη moa, araka ny efa voalaza teo dia “indicatif aoriste passif” avy amin’ny γεννάω, (gennao, miteraka), izay antsoin’ny mpandalina Baiboly hoe “passif divin”. Andriamanitra no niteraka avy amin’i (ἐξ) Maria ilay Mesia nampanantenainy an’i Abrahama (Jenezy 12, 3) sy i Davida (2 Samoela 7). Io fampanantenana io no niezahan’i Matio navoitra tamin’ny tetiara nataony momba an’i Kristy. I Lioka moa dia manana ny fitantarany manokana, nanangonany izay anarana rehetra hitany tao amin’ny Soratra Masina, hilazany fa i Jesoa, ilay Mesia dia zanak’i Adama, Zanak’Andriamanitra (Lk 3, 23-38).
I Maria ankalazaina anio, araka izany no vehivavy faha-5, miaraka amin’i Tamara, nanambady rafozana, i Rahaba mpivaro-tenan’i Jerikao tonga vadin’i Salmôna, i Rota, nampanambadina’i Noemì rafozany ny havany, i Betsabea vadin’olona nangalarin’i Davida, hahatanterahan’ny faminanian’i Mikea hoe: “hiterahan’ilay tsy maintsy miteraka”, satria sady mbola vao fofom-bady tsy miray trano no virjiny.
Izany rehetra izany dia manambara fa tsy araka ny fanirian’olombelona ny fanjakana sitrak’Andriamanitra hatsangana, hanome voninahitra ny anarany, fa araka ny fampanantenany. Ny tapany faharoa amin’ny Evanjely dia manazava izany.
Tsy Davida ihany fa na Abrahama koa aza, hoy i Md Paoly dia nahazo fampanantenana avy amin’Andriamanitra, fa sahala amin’ny nofinofy ihany izany. Saingy nolazain’ny Anjely tamin’i Maria fa “tsy misy tsy hain’Andriamanitra atao” (Lk 1, 37). Izay mino ny fampanantenan’Andriamanitra dia hibanjina ny voninahiny. Tsy Israely irery no nandova an’i Abrahama fa izay rehetra mino, hoy i Paoly (Rom 4, 16), ka izay manahaka ny finoany dia handray koa ny tsodrano nomen’Andriamanitra azy. I Maria ankalazaintsika anio dia taranak’i Abrahama, araka ny nofo, saingy ny finoany ny “nofinofin’Andriamanitra” no nahazoantsika ny mpamonjy. Ny faneken’i Masina Maria ny sitrapon’Andriamanitra dia very an-javony, raha tsy nanaiky ny handray ho zanany ilay efa notorotoronina tao an-kibony i Josefa. Niankina taminy ny fahaveloman’i Maria sy ny zaza tao am-bohoka.
Mety haniry koa isika ny mba hisehoan’ny anjelin’ny Tompo rehefa misy zavatra mampiasa saina antsika. Rehefa avy nifamofo ara-dalana (erusin) i Maria sy Josefa dia mbola tokony hiandry ny kiddusshim (fanamasinana ny mariazy amin’ny jody). Ny fofom-bady (erusin) anefa dia tahaka ny soratra, aty amintsika, ka maha-voafatotra, ka hieverana azy ireo ho toy ny mpivady ka nefa tsy mbola mahazo miray trano aloha, ary nandritra izany no hita fa bevohoka ramatoa. Loza ity! Zanak’iza? Tokony hiandry taona iray izy ireo vao haterina ho any an-tranon’i Josefa i Maria mba hiara-monina aminy. Ampahatsiahivin’i Matio fa nandritra izany fotoam-piandrasana izany no nilazan’ny Anjely i Maria fa hanana anaka, noho ny Fanilovan’ny Fanahy Masina, mba hialana amin’ny mety ho fiheverana fa asan’ny lehilahy no naha-bevohoka azy.
Tsy hanamboniana ny fahamasinan’i Maria no nilazana izany fa hampitana ny foto-pinoana tokony ho raiki-tapisaka ao an-tsain’ny mpino. Ny Hazavan’ny Paka manko no mampisy heviny ny zavatra rehetra niainan’i Masina Maria sy Md Josefa, sy izay rehetra fantatra sy notantaraina momba azy ireo.
Iza no rain’ny zaza? Nolazain’i Maria azy ve fa nisehoan’ny Anjely izy? Nefa tsy nino dia avy eo nisehoan’ny Anjely ihany koa? Fanontaniana mety hanitikitika ny saintsika izany saingy tsy izany tsy akory no tanjona nanoratan’i Matio ny Evanjeliny fa mba hilazana amintsika kosa fa i Jesoa no fahatanterahan’ilay fampanantenana nataon’Andriamanitra tamin’i Davida. I Maria sy Josefa kosa, mba hahatanterahan’izany fampanantenana izany dia nanaiky ny faharavan’ny “nofonofin’izy ireo” mba hahatanterahan’ny “nofinofin’Andriamanitra”. “Lehilahy marina” i Josefa, tsy noho ny fanatanterahany ny lalàna, satria araka ny Boky Deteronomy (Det 24,1) dia tokony hanome taratasy fisaoram-bady izy, hoy i Md Jerome. Ny tsy fanomezany izany ka naniriany hisaotra mangingina an’i Maria dia midika fahafatesana ho an’i Maria. Marina izy satria tsy manan-tsafididy afa-tsy roa: na Zanak’Andriamanitra ny Zaza na zanaky ny fijangajangana (Jn 9, 34: araka ny fahalalan’ny mpiara-monina azy). Impiry kosa isika no antsoin’Andriamanitra tahaka an’i Josefa manoloana ny trangan-javatra toy izany mba hanananterahany ny sitrapony. Mety zavatra tsy ho takatry ny saintsika. Tsy manery anefa Izy fa miantso antsika ao anatin’ny torimaso, miandry antsika hifoha ka hanapa-kevitra malalaka hanaiky na tsia ny fangatahany.
Lazain’ny Evanjely anio ny faneken’i Md Josefa, lehilahy marina, izay nanaiky hampakatra an’i Maria ho vadiny rehefa nahatsiaro tamin’ny torimasony, ary “tsy nahalala azy izy, ambara-piterany ny Zanany lahimatoa, ary nataony hoe Jesoa no anarany” (Mt 1, 25, tsy vakiana amin’ny litorjia). Ambaran’i Matio araka izany ny naha-virjiny ny niterahan’i Maria ny Zanany. Teny finoana izany. Mety hiteraka fanontaniana manitikitika ny saintsika, saingy tsy hahasoa ny handany andro hitady valiny amin’izany. Ny fankalazana anio dia miantso antsika kosa mba hahay hamantatra ny fandaharan’Andriamanitra, ka hanaiky ho fitaovana ampiasainy hoentiny manohy ny asam-pamonjena efa nosantariny tamin’ny Zanany. Antsoiny hiaro ny ain’ny Zaza sy ny Reniny koa isika ka asakasaky ny tsirairay na hijanona ao amin’ny nofinofin’ny fisainan’ny olona, na hifoha ka hiaina ho fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra tahaka an’i Josefa.
“Aza matahotra ny hampakatra an’i Maria vadinao”.
Ny Evanjely anio dia manamafy ny finoana ny nahatongavan’ilay Zanak’Andriamanitra ho nofo tao an-kibon’i Maria, noho ny herin’ny Fanahy Masina. I Josefa (יוֹסֵף Yoseph, Andriamanitra hanampy, ajoute) no ilay lehilahy marina, manokatra ny lalana hodiavin’izay rehetra mino ilay Teny Tonga nofo ka omeny ny fahefana maha-zanak’Andriamanitra (Jn1, 12). Antsoiny isika hamonjy ny aina, hihay ny zanany, hanome azy ny anarana hahatsiarovana fa mamonjy antsika Andriamanitra, Jesoa, miara-mitoetra amintsika mandrakariva izy.
Ambaran’i Matio ihany koa anefa ankoatra ny famerimberenana ny tsy fisian’ny firaisana teo amin’i Maria sy Josefa (and. 18.25) mandra-piterany ny zanany, fa tsy afaka ny handray an’i Jesoa, ho tonga nofo iray aminy, ho tonga iray razana aminy (hiara-mandova ny fanjakany) raha tsy manaiky handray an’izay efa nanaiky sy nino ny teny ka nahatonga azy ho nofo tao an-kibo toa an’i Masina Maria, ilay ankalazaintsika anio ny fahaterahany. Izy no fahatanterahan’ny fampanantenana rehetra natao tamin’Israely, izy no ilay Siona Vaovao, ilay Eva, renin’ny aina nahazoantsika ny Tompon’ny aina.
Izay te ho tonga kristianina araka izany, tahaka an’i Josefa, tahaka ilay mpianatra malala, eo am-pototry ny Lakroà, dia tsy maintsy mandray an’i Maria, manaiky ho “lehilahiny” (ἀνήρ aner): manaiky ho rainy, manaiky ho vadiny, manaiky ho zanany, izany hoe manaiky hitovy aminy amin’ny fandraisana sy fanekena ny sitrapon’Andriamanitra. Tahaka ny maha-olo-marina an’i Josefa koa anefa no hahafahantsika mandray am-pitiavana ny fahasoavan’Andriamanitra. Indraindray heverintsika fa tsy rariny ny ho “ray” hanome anarana ny zanak’Andriamanitra, ka aleo miala mangingina. Ny fahasoavana sy ny fitiavan’Andriamanitra anefa dia tsy hifanaraka amin’ny fahamendrehantsika na oviana na oviana fa fanomezany maimaim-poana mandrakariva, hampitovy endrika amintsika amin’ny Zanany Lahimatoa.
Ao anatin’ny torimaso no nitenenan’Andriamanitra tamin’i Josefa, tahaka an’i Jakoba (Jenezy 28, 10ss) ary tahaka an’i Elia (1 Mpanjaka 19, 1ss), ary ho an’ny Apôstôly nitsoaka ny Alakamisy Masina alina koa dia tao amin’ny “fatorian’ny Zanany” no nanambarany ny fara-fitiavany. Tsy nofy “nofinofim-paniriana fotsiny anefa izany, fa ilay “torimaso” hilazan’ny ambom-pon’olombelona tahaka an’i Elia hoe : ”ampy izay” (1Mpanjaka 19, 4) ka hahafahan’Andriamanitra mandray an-tanana ny zavatra rehetra ka maniraka antsika ho fitaovana hoentiny maneho ny fitiavany ny olon-drehetra.
“Matahotra aho”, hoy i Adama (Jen 3, 10). “Aza matahotra” hoy ny Tompo. Ny hanafaka antsika amin’ny fahotana no nolazain’ny Anjely fa iraka nanirahan’ny Ray Azy hiara-monina amintsika. Ny fialana amin’ny fahotana no hahafahantsika manavaka ny feon’Andriamanitra amin’ny fakam-panahy izay mety hihevitra ihany araka ny nofo. I Josefa lehilahy marina dia vonona hiaro ny aina, na ny an’i Maria na ny an’ilay Zaza aloaky ny kibony. Firifiry moa ny zaza tsy mahita masoandro noho ny herisetra sy ny fitiavan-tenan’ny ray na ny reny, noho ny tsy fahafahantsika intsony hijoro ho kiadin’izay manaiky hahatonga nofo ao aminy ny Teny, toa an’i Maria.
Ny fankalazana ny fahaterahan’i Masina Maria dia fankalazana fa hafaliana ho antsika ny fiainany. Izy ilay virjiny nahazoantsika ilay Emanoela. Hampisy heviny ny fiainantsika anie ny fankalazana anio, fa fankalazantsika koa ny nanomezan’Andriamanitra antsika ny aina, ka hahaizantsika mampiasa izany ho fanomezam-boninahitra azy, satria efa antoka ho antsika i Jesoa “zanak’i Maria”, ilay fiadanantsika (Vak I).