8 oktobra: Notre Dame du Bon RemèdeMpiaro voalohany ny Fikambanan’ny Trininte Masina
- Boky Fahendrena 10, 9.13-17
- Salamo 30
- Galata 4, 4-7
- Md Joany 2, 1-11
Ny vakiteny voalohany dia nalaina tao amin’ny Toko fahafolon’ny Boky Fahendrena, izay mitantara ny fitantanan’ny Fahendrena ny Tantaran’izao Tontolo izao, hatrany amin’ny fahariana ka hatramin’ny Eksaody. Ny Fahedrena no nanavotra ny olona nidiran-doza noho ny fahadisoany ihany, ka manoloana ny olona mikomy, miray hevitra amin’ny haratsiana dia hain’Andriamanitra ny manokana ho azy ny olo-marina. Izay tsy mikely aina hikaroka ny fahendrena anefa dia tsy vitan’ny hoe tsy hahalala akory izay tsara tokony harahina fa hamela fahatsiarovana tsisy fotony ho an’ny taranaka fara mandimby. Dia eto no manomboka ny vakiteny anio, milaza fa nafahan’ny Fahendrena tamin’ny fijaliana izay rehetra nanompo azy (and. 9) ary nafahany tamin’ny mety ho fahatezeran’ny rahalahy sy ny hasomparan’ny fahavalo ary nampamokariny tamin’izay nahasasatra rehetra, satria nataony mahatsapa fa ny fitiavana no mahery noho ny zavatra rehetra (and- 10-12 tsy novakiana).
Ny and. 13 kosa dia mampianatra antsika ny momba ny famonjen’Andriamanitra: “tsy nandao ny marina namidy vola izy fa niaro azy kosa tsy ho latsaka amin’ny fahotana”. Tsy nanala ny fatorana mampijaly loatra fa hanala kosa izay mety ho fahoriana na fahatezerana hitarika amin’ny fahotana na amin’ny valifaty. Ny tantaran’i Josefa namidin’ny rahalahiny (Jen 37, 12-36) moa no lazain’ny Boky Fahendrena, saingy mahakasika izay rehetra iharan’ny tsy rariny ka atao an-tranomaizina. Satro-boninahitra mandrakizay no omen’ny Fahendrena izay mikatsaka azy, ka hahavaky lainga ny mpiampanga, hampiharihary ny haratsian’ireo mpamoritra sy mpanandevo, ka hitarika azy ireo tahaka ny nitarihany ny vahoaka hiala tamin’ny fanandevozan’ny Ejipsiana ka hihazo ny tany nampanantenaina (Eks 13-14).
Tandindon’ny Fahafanantsika ihany koa ny Eksaody nataon’ny zanak’Israely. I Masina Maria ankalazaina anio, voalaza fa nanampy fatratra ny Trinitera tamin’ny asa fanavotana, dia tsy nanome kitapom-bola loatra, araka ny fandinihako, (sady maro noho ireo gadra voavidy vola ny fianakaviam-be trinitera nahafoy ny ainy hanavotana ny hafa) fa izy mihitsy no ilay “kitapo nifonosan”’ilay Harena tokana, efa nividy tamin’ny Rany ka nanafaka an’izao tontolo izao tamin’ny fanandevozan’ny fahotana sy ny fahafatesana.
Ny salamo 30 moa dia mampianatra antsika ny fitokisana marina amin’ilay Andriamanitra, harambato sy manda, kanefa antsoina mba hitantana sy hivimbina, noho ny anarany (Sal 31, 4), toa zavatra mifanohitra ihany, satria ny harambato sy ny manda ve mba ho afaka hihetsika! Hafa ny hevitry ny hoe manara-drindrina amin’ny teny malagasy. Sarin-teny ihany moa izany, fa Izy Andriamanitra no miaro antsika, ny Fanahiny no manentana antsika ka mitari-dalana amintsika ho amin’ny tena fahafahana marina, amin’ny maha-zanaka mpandova ny Ray (Vak II).
Ny Evanjely (Jo 2, 1-12) dia manampy antsika ny asan’Andriamanitra manoloana ny fon’ny olona efa trotraky ny sento, ka tsy mahita hafaliana amin’ny fiombonam-piainana amin’ilay Andriamanitra tompoiny, satria lany ny divay, tsy noho ny fandaozan’ny Ray loatra angamba, fa noho ny fandavan’ny zanany sasany ny fanirahana hiasa eny an-tanim-boaloboka (Mt 21, 28ss).
Ny Evanjely dia tsy zoviana amintsika loatra, hay tsianjery aza, io no lazaintsika amin’ny Litorjia hoe ny Epifania fahatelo, mitantara ny voaloham-pamantarana nataon’i Jesoa, naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany. Ny fanehoana ny voninahitr’Andriamanitra (Epifania) hoy i Md Paoly (Tit 2, 11-14; 3, 4-7) dia mba hanokanany vahoaka ho Azy, vonona hanompo azy amin’ny asam-pahamarinana sy fitiavana. Ambaran’i Md Joany fa naneho ny voninahiny i Jesoa ka nino Azy ny mpianany. Tsy tahaka ny filazan’ny Evanjelista hafa anefa, amin’ny ninoan’ny vahoaka azy fa voafetra amin’ny mpianatra ihany.
Tian’i Joany asiana tsindrim-peo fa ny hahazoana ny famonjena sy ny hafaliana dia ny finoana an’i Kristy, izany hoe ny fanatanterahana izay rehetra lazainy amintsika (Eksaody 19, 8). Efa voalazan’ny “lovam-panahin’Israely” (i Siona ilay antsoin’ny rehetra hoe “Ineny” ary avy ao no teraka i Jesoa – Sal 87, 5) ihany fa izany fanatanterahana izay voalazan’YHWH izany no lalam-pahasambarana, saingy naleon’Israely, hoy Md Joany, misolo vady in’enina (ilay samaritana), toy izay hanaiky ny Tompo. Isika no menatra, fa Izy kosa, hoy Izaia, hahita hafaliana amin’ny fikolokoloany antsika nofidiany ho “vadiny”.
Ny fitantarana ny famantarana izay ampifandraisin’i Joany amin’ny Herinandro Masina, “nony afaka hateloana, ny andro fahatelo”, hilazana ny divay lany, manambara tsy ny fahafaham-baraka ihany, fa ny fitaintainana koa satria tsy misy antenaina intsony! Aiza no hahita divay? Aiza no hanovo hafaliana? Efa fanambarana sahady ilay Tompon’ny aina milofika eo ambonin’ny hazo, tafasandratra hiala amin’ny tany, mba hitarika ny olon-drehetra hanatona Azy (Jo 12, 32) satria rehefa afaka hateloana dia naneho ny voninahiny Izy. Ary avy eo amin’ny fony nolefonina no hanovozan’ny mpanompony ny rano sy ny rà hamenoana ny sinivato fidiovana.
Ireo siny vato fidiovana, lazain’i Joany fa enina, isa manambara ny tsy hafenoana, manambara fahabangana, manambara tsy fahampiana[1], nofenoin’ireo mpanompo hatramin’ny molony, ka tonga divay manambara ny loharanon-kafaliana (Sal 104, 15). Midika izany fa tsy ny fahamendrehantsika tsy akory no hireharehana hahazoana hafaliana fa fahasoavan’Andriamanitra zarainy maimaim-poana. Tahaka ny hafalian’ny mpampaka-bady hoy Izaia (Iz 62, 1-5), satria fisehoan’ny voninahitry ny Tompo, amin’ny tany tontolo ka hanasan’ny Mpihira salamo ny tany tontolo hihira hira vao, hiderana ny famonjen’ilay Tia antsika (Sal 95).
Fa sinivato fidiovana araka ny fanaon’ny Jody fa tsy ny fitoeran-divay tranainy mahazatra ny olona no hofenointsika ny ranom-pahasoavana. Mila siny hoditra vaovao ho an’ny divay vaovao (Lk 5, 37). Tsy ny loharanon-kafaliana araka izao tontolo izao izay tsy mitondra hafaliana maharitra sy lalim-paka no atolotr’i Kristy. Siny vato enina vaovao no lazain’i Joany ary sokajin’olona enina no lazain’i Matio: noana, mangetaheta, vahiny, tsy mitafy, marary, an-tranomaizina, satria tsy ny rano fa ny fitiavana no manarona ny fahotana (1 Piera 4,8). Avy ao amin’ilay Siny, vatolampy hotrebonin’ny lefona anefa, no hiboiboika ny loharano hanovozana ny hafenoan’ny hafaliana indray.
Fahasoavana zarazarainy amintsika rehetra io divay misolo ny rano fidiovana vaovao io, tsy araka ny mety ho fahamendrehantsika fa araka ny halehiben’ny fahasoavany, ka ny fanomezam-pahasoavana zarainy amin’ny tsirairay, dia zary adidy hoenti-manompo sy manasoa ny olombelona rehetra, indrindra ireo sinivato enina lazain’i Kristy fa endrika isehoany amintsika (Matio 25). Tsy misy afaka milaza isika fa tsy nahazo fahasoavana, eny fa na dia fahasoavana tsy araka izay noheverina sy nirin’ny tena aza aza, ka mety hiteraka fialonana ny randrana manendrika ny hafa na sanatria hanjary fifampiandaniana tsy amin’ny fanaovan-tsoa fa amin’ny fifampitsikerana sy fifamotehana. Raha ataontsika ho voninahitr’Andriamanitra anefa ny zava-drehetra, dia ho hafaliana ho antsika hatrany ny mahita ny soa ataon’ny hafa, na mifanome tanana amintsika na tsia, satria ratsam-batana mirafitra ho tena iray ao amin’i Kristy isika, voaantso mba haneho ny Fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Fanahy Masina (Vakiteny II).
Tsy ho didy na tahotra ary sanatria no hivondronantsika hivavaka, fa hafaliana te hihaona amin’ilay Mpampiakatra, ka hitotorebika satria voaantso handray anjara amin’ny fetin’ny fampankarana. Tahaka ny hampakaran’ny zatovolahy izay virjiny ho vadiny no hampakaran’ireo zanakao (pluriel) anao (Izaia 62, 5). Ho vadin-dreniny ve sanatria izy ireo? Azontsika amin’izany fa tanteraka amin’ny fiatombohan’ny (arkè – ἀρχή) fahamatarana (semeion σημεῖον) nataon’i Jesoa io faminanian’Izaia io. Izy no ilay zanaka, ary miaraka amin’ny mpianany, hampiakatra ny reniny (reny izay hanoharana ihany an’Israely) ary miaraka amin’i Masina Maria miombona amin’ny Fiangonana isika, mijoro amin’ny finoana hatreo am-pototry ny hazofijaliana, miombona amin’ny mpianatra rehetra ka hitambatra ho firenena iray hihira hira vao sy hanambara ny voninahiny amin’ny firenena ary hitory ny asany mahagaga amin’ny vahoaka rehetra (Salamo 95).
Ny fankalazana an’i Masina Maria Reny Vonjy Mahatoky anie hampahatsiaro antsika fa tsy Andriamanitra misolo antsika amin’ny fisedrana ny fiainana ny Andriamanitsika, saingy Andriamanitra manome ny fahasoavany feno kosa, hahafahantsika mitoky mandrakariva Aminy, toy ny nataon’ilay Reny Malalantsika.
[1] Tsy mahagaga raha 666 no ilazan’i Joany ny tsy fahampiana sy ny haratsiana faratampony (Ap 13,18)