30 novambra: Md Andre Apostoly
- Romana 10, 9-18
- Salamo 18
- Md Matio 4, 18-22
Hatao ahoana no fino izay mbola tsy re? Hatao ahoana no fandre raha tsy misy mitory? … Koa avy amin’ny toriteny ny finoana; ary avy amin’ny tenin’Andriamanitra ny toriteny (Vak I Rôm. 10, 9-18).
Tsy teny lazainy, tsy volana ambarany; tsy feo mba manako ho renesin’ny sofina. Kanefa dia tsinjo eran-tany ny baikony; miely tsy tana ny hafatra entiny (Sal 18 setriny). Toa mifanohitra amin’ny lazain’i Paoly izany raha tsy dinihina tsara. Tsy kobaka am-bava manko ny fitorian-teny fa fanehoana mba ho hitan’ny olona ny fifankatiavana iainan’ny mpianatra.
Maimaim-poana izany fitoriana izany (I Kor 9, 18) ary tsy fahefana fa fanompoana. Ny mahagaga anefa ary mampametra-panontaniana dia ny famalian’ny Apôstôly ny antson’ny Tompo, henontsika amin’ny Evanjely (Mt 4, 18-22). Nandao ny harato niaraka tamin’izay izy ireo ka nanaraka azy! Niaraka tamin’izay : (εὐθέως eutheos) izany hoe “aussitot”, amin’ny italiana “subito” : niaraka tamin’ny vava. Io adverbe grika io, araka ny Mpandinika baiboly sasany, dia tsy mamaritra loatra ny fotoana fa ny fomba hamaliana, izany hoe tsy am-pisalasalana, ary ny qe,wj (théos) dia azo adika ihany koa hoe manao fifaninanana!!! Nahoana ary ireo Apôstôly ireo no nandao ny fivelomana niaraka tamin’ny vava, raha toa ka maimaim-poana ny asa fitoriana? Dia sanatria ve izy ireo no faran’izay adala na misy fahavoazana?
Heveriko fa tokana ny antony, ary izay ihany no hahafahantsika mamaly an-kahalalahana ny antson’ny Tompo : ny faniriana ho sambatra, ary vonona mandrakariva hanaraka ny heveriny ho antom-pahasambarany ny olona.
Indraindray mahasadaikatra ihany ny maheno olona milaza fa andao ny zavatra rehetra mba hanaraka an’i Jesoa, ka sahala amin’ny hoe ny hijaliany na ny haha-fadiranovana azy no irin’ny Tompo niantso azy. Izy Jesoa ihany anefa no nilaza fa fandaozana mivaly zato heny sahady miampy ny fiainana mandrakizay ny fanarahan-dia Azy (Mt 19, 29). Ireo Apôstôly nantsoiny dia nandao ny aratony, saingy mijanona ho mpanarato, hampiasa arato vaovao, tsaratsara kokoa, dia izay atolotr’i Kristy azy ireo; ireo handao ny sambokeliny, hahazo sambo vaovao, hahafahany mitondra an’i Kristy hitory ny Teny mahavoky mandrakizay; izay handao ny rainy, hahatsapa ny maha-zanaka tian’ilay Ray any an-danitra, ka ho feno fatra ny hafaliany. Tsy manova ny maha-izy azy ny tsirairay ny fiantsoan’Andriamanitra fa mandavorary kosa izany mba hampiasana azy ho voninahitr’Andriamanitra: ny mpanjono mijanona ho mpanjono, saingy tsy trondro intsony no ratovina fa olona. Taloha nitondra trondro mba hivelomany, izao mitondra azy ireo ho amin’ny loharanon’ny fiainana mihitsy. Ny fiantsoana an’i Md Matio aza mbola mandeha lalin-dalina kokoa: nantsoin’i Jesoa hanaraka Azy i Matio ary lazain’ny Evanjely fa vokatr’izany fanarahan-dia an’i Jesoa izany ny fiarahan’i Matio misakafo Aminy ao an-tranony (Mt 9, 9-10).
Samy manana ny faniriana lalina ao anatiny ao ny olombelona tsirairay, ka ny fahasambarana dia ny fahatanterahan’izany fanirinana izany. Mampalahelo araka izany raha sanatria maniry zavatra tsy ho tanteraka mihitsy. Ny Mpanao salamo dia miventy hoe : « Zavatra iray loha no angatahiko amin’YHWH sady iriko fatratra: dia te-honina eo an-tranon’YHWH aho, amin’ny andro rehetra iainako, » (Sal 26 [27], 1.4.14). Raha mandinika amin’ny fo mahitsy tokoa isika dia hahatsapa fa ny faniriana zavatra hafa ankoatra izany no mazàna sakana tsy hahafahantsika mamaly εὐθέως (eutheos tsy misy hatak’andro) ny antson’ny Tompo.
Mialoha ny Evanjely anio dia asian’ny Evanjely tsindrim-peo ny faharenesana fa natao an-tranomaizina i Joany ary nanomboka nitory teny i Jesoa. I Joany aza voasambotra (παραδίδωμι paradidomi, voatolotra, ampiasaina koa hilazana an’i Jesoa any aoriana any), kanefa noheverina sy najain’ny olona rehetra ho mpamimany lehibe. I Jesoa mikiribiby hanohy izany fitoriana ny marina izany dia tsy maintsy “hatolotra” koa, ho martiry tahaka an’i Joany. Ambaran’ny Evanjelista amin’izany fa fantatr’i Jesoa tsara ny miandry azy: fitsarana tsy an-drariny mafimafy kokoa noho ny an’i Joany. Saingy tsy nampihemotra azy izany. Izany herim-po izany no toky ifaharan-dry Andre sy Piera antsoin’i Jesoa koa.
Ny toriteny voalohany nolazain’i Jesoa, ho an’izay te hiditra ao amin’ny fiainana dia ny fibebahana takian’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary izay tsy avy amin’Andriamanitra dia tsy afaka hihaino izany fampianarana izany ka ho vonona hibebaka. Ireo nomena fahasoavana manokana kosa dia vonona handao ny zavatra rehetra ka hanaraka azy tsy misy hatak’andro, araka ny henointsika anio amin’ny Evanjely.
Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra eran’i Galilea manontolo i Jesoa, nanasitrana ny marary rehetra: ambaran’i Md Matio fa tanteraka ny faminanian’Izaia 53,4 hoe: marina tokoa fa ny aretintsika no nentiny, ary ny fahoriantsika no nivesarany (Jereo Mt 8, 17). Fa na aiza na aiza misy zava-baovao ka mety hahitana tombontsoa na dia kely monja aza dia tsy maintsy hitangoronan’ny olona. Fa firy amin’izy ireny no ho tavela eo anoloan’ny hazofijaliana?
Ireo monina any Zabolona (זְבוּלוּן, avy amin’ny זָבַל manaja, mendrika), ny zanaka fahafolon’i Jakoba kanefa voasandratra, mahomby amin’ny fiainana, dia hiposahan’ny hazavana (Mt 4, 13ss) mba ho fanasoavana an’i Neftalì (נַפְתָּלִי avy amin’ny פָּתַל, phatal, miady), ny zanaka faha-enina, miady amin’ny fiainana. Horaisintsika anie ny fahazavana entin’ny Evanjeliny, satria mponin’i Jabolôna (mamboly voky tsy mamboly voky) sy Neftali (mitrongy vao homana) ihany isika rehetra ka mandray anjara amin’ny fankalazana ny Teniny sy amin’ny fankalazana ny Tenany, ho sakafom-panahy hahasitrana ny rofy rehetra manakana antsika tsy hibebaka ka handray ao am-pontsika ny Fanjakany.
Antson’i Jesoa koa isika, handao ny harato, ny lakana (sambo) sy ny ray mba hanaraka azy ho tonga mpanarato olona. Izay tsy mandao ny zavatra nianteherany mba hivelomana (sambo, harato), handao ny fahazarana sy ny asa manavanana, handao, eny fa na dia hatramin’ny kolontsaina sy ny entim-pahazarazana na izay ho andry niankinana (ray) aza, raha ilaina izany, dia tsy afaka ny ho tonga mpianatra, tsy afaka ny hivoatra araka ny hevitr’Andriamanitra ka mety “hatoky tena toy ny antsikely be zarany”, ka tsy ho afaka ny hitondra hazavana ho an’izao tontolo izao, hanala ny olona amin’ny tontolon’ny fahafatesana sy ny ratsy (ranomasina) mba ho amin’ny fiainana (tany maina).
Mpirahalahy koa anefa no antsoina, antsoin’i Jesoa hanorina fiaraha-monina vaovao, handresy ny fialonana mitondra amin’ny fifamonoana tahaka ny nahazo an’i Kaina, fa hanambatra ny hery kosa, ho mpirahalahy mianala hitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary tsy firahalahiana atambatry ny rà fotsiny fa fianakaviana vaovao mivondrona ao amin’ilay Ray iombonana, ao amin’ilay Zanany Lahitokana izay miantso antsika.
Tsy fihaonana voalohany tamin’ny Tompo anefa ny an’ireo Apôstôly lazain’ny Evanjely fa efa fahamatoran’ny finoana, mivoatra tsikelikely (Jo 1) ka nahafahany nahatsapa fa fakofako avokoa ny zavatra rehetra raha oharina amin’ny haren’ny lanitra (1 Kor 4, 8-14). HO tahaka ilay Mpianatr’i Joany nanaraka voalohany an’i Jesoa anie isika (Jo 1, 40) ka tsy hanao ambanin-javatra ny fitantarantsika ny fihaonantsika tamin’i Kristy.
Ndeha ary hiezaka hanamafy izany faniriana ny lanitra izany, araka ny hafatr’i Md François de Sales ankalazaintsika ny 24 janoary : » na inona na inona fiantsoana niantsoana antsika eo anivon’ny fiaraha-monina, afaka manamasin-tena mandrakariva isika, na tsy mitovy aza ny zavatra takiana amin’izany fanamasinan-tena izany.«