3 mai: fankalazana an’ Md Filipo sy Jakôba, Apôstôly
- 1Kôrintianina 15, 1-8
- Salamo 18
- Md Joany 14, 6-14
Amin’ny fankalazana ireto Apôstôly Roalahy ireto dia aroson’ny Fiangonana hankalazaina ho zary fiainana ny toko faha 14 amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Joany. Hafatra voalohany ampitain’i Jesoa amin’ny Mpianany: izay mino dia tsy tokony hitebiteby fo, na dia tsy ho hitan’ny maso sy ho tsapan’ny tanana amin’ity fiainana ity intsony aza Izy. Tsy hoe lasa manko Izy fa ny fomba onenany eto anivontsika, avy eo an-kavanan’ny Ray, no miova, ary lazain’ny Evanjely anio aza fa hahavitan’ny Mpianany asa lehibebe kokoa noho ny nataony ny fandehanany.
Tsara ihany anefa ny mahatsiaro ny fiainan’ireo te hanara-dia an’i Kristy: ankoatra ny tolona anaty hahafahana mandray marina tokoa ny teny ka ivelomana aminy dia eo koa ny tolona ivelany. Teny tsy misorona no nolazain’i Jesoa tamin’ireo mpianany: raha Izaho filoha aza nenjehiny, nahoana moa no tsy hanenjehany anareo! Henontsika tamin’ny fitantaran’i Lioka ny Asan’ny Apôstôly omaly fa efa nikaon-doha hitady izay hamonoana ny Apôstôly ny Lohandohan’ny Mpisorona. Soa fa nihaino ny torohevitr’i Gamaliela izy ireo.
Ampy hisedrana izany olana rehetra izany ve ny finoana an’i Jesoa (Evanjely anio) sy ny Fitiavana vokatry ny Fanahy Masina (ny tapany faharoa amin’ny toko 14)?
Ny finoana no hahafahantsika mahafantatra fa Izy no lalana mitondra any amin’ny Ray, fa tsy sanatria ny lalàna ataon’olombelona izay “mihevitra araka ny tany” ihany, Izy no Ilay hany tokana nidina avy eo an-tratran’ny Ray ka afaka manoro antsika ny Lalana, Izy Zanaka, hahatongavana any amin’ny Ray: izay mahafantatra Azy dia mahafantatra ny Ray; Izy no fahamarinana manambara ka Zanaka atsangan’Andriamanitra ao Aminy isika, ka ny fiombonantsika amin’i Kristy dia hiraisantsika aina amin’ny maha Zanaka lahitokana Azy; Izany no fiainana. Ny fianana mandrakizay moa, araka ny ambaran’i Joany aoriana kely (fanombohan’ny toko 17) dia izay “fahalalana” an’Andriamanitra izay. I Kristy no fiainana araka izany satria amin’ny alalany no hahalalantsika an’Andriamanitra Ray sy hahalalantsika ary handraisantsika anjara amin’ny maha zanaka tian’Andriamanitra antsika.
Ny valintenin’i Jesoa amin’i Filipo dia fiekem-pinoana ho antsika rehetra. I Filipo moa dia nantsoiny hanaraka azy (Jo 1,43-46), nanontaniany mikasika ny mofo (Jo 6,5snm), ilay nitondra ny vavak’ireo grika naniry hahita an’i Jesoa (Jo 12,21snm). Ny fanirian’i Filipo dia faniriantsika sy fanirian’ny olombelona tsirairay avy: te hahita ka hahalala ny tena endrik’Andriamanitra marina tokoa. Averimberiko matetika ny hoe: ny olona dia tsy afaka ny tsy hanahaka ny endriky ny andriamanitra tompoiny. Ny fahalalana ny endrik’Andriamanitra marina ao amin’i Jesoa Kristy araka izany no mahatonga ny kristianina hampifanaraka ny fiainany amin’ny Evanjelin’i Kristy.
Eto koa i Md Joany dia manitsy ny vavaka ataon’ny kristianina: ny antony hivavahana dia tsy hoe mba handeha araka ny irintsika ny zavatra rehetra. Mety tsy ho ny voninahitr’Andriamanitra manko no katsahintsika amin’izany fa ny voninahitry ny tena ihany. Izay rehetra angatahintsika amin’ny anaran’i Jesoa dia omeny mba ho voninahitry ny Ray ao amin’ny Zanaka, hoy i Joany. Omeny izay rehetra angatahintsika amin’ny anarany, tsy ho voninahitsika fa ho voninahitr’Andriamanitra Ray.
Izay fikatsahana ny voninahitry ny Ray izay, anefa raha tsy tandremana dia mora mifangaro foana amin’ny fikatsahana ny voninahitry ny tena, ka ny tsirairay amin’izao fetin’ny Apôstôly roalahy izao no mandinika ny tenany, sao sanatria ny fikatsahana ny voninahitra ho an’ny tena no hampitozo ny fiainana tsy ho amin’ny fahasambarana fa ho amin’ny hakiviana.
Ny ahafantarana fa asan’Andriamanitra ny asa iray, ary izay no ampahatsiahivin’ny salamo setriny, dia satria Andriamanitra no omen’ny zavaboariny voninahitra. Ny hafa rehefa hahita ny asa soa ataonareo, hoy i Jesoa dia hanome voninahitra ny Ray any an-danitra (Mt 5,16).