3 janoary :Ny Anarana Masin’i Jesoa
- 1 Joany 2,29 – 3, 6
Salamo 97
Md Joany 1,29-34 - (Lamesa Sorona andavanandro p. 2007)
« Amin’ny anaran’i Jesoa dia aoka hilefitra ny lohalika rehetra any an-danitra, ety an-tany sy any ambany; ary aoka hiaiky ny lela rehetra fa i Jesoa Kristy dia Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray » (Fil 2,10-11). Amin’ny Litorjia, rehefa tononina ny Anarana Masin’i Jesoa dia manondrika ny lohany amim-panajana ny vahoaka kristianina. Torolalan’ny litorjia tsy dia voahaja loatra izy io, saingy raha hajaina sy tsarovana dia manampy be dia be amin’ny fahatsiarovana fa « Andriamanitra mamonjy » antsika no hevitr’io anarana io. Tsy misy anaran-kafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona hahazoantsika ny famonjena, hoy i Md Piera feno ny Fanahy Masina (Asa 4,12).
Izy no ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manala (airô) ny fahotan’izao tontolo izao. Zanak’ondry tsy manantsiny fa nanaiky hovonoina toy izay hanao herisetra (Iz 53,7), fa zanak’ondrin’ny Paka ihany koa, manambara ny fanafahana an’Israely amin’ny fanandevozana tany Ejipta (jer. Jo 19,14.33.36// Eks 12,1-14; 1 Kôr 5,7; 1P 1,19). Izy no manesotra ny fahotana, ilay sakana tokana tsy ahafahan’ny olona miditra amin’ny hasambarana atolotr’Andriamanitra azy. Tsy ny herisetra fa ny fandeferana, tsy ny famaliana ny ratsy amin’ny ratsy no hahafahana mandresy ny ratsy.
Mampalahelo ny mieritreritra indraindray ny fiheveran’ny sasany fa valisoan’ny fahamendreham-piainana ny Kômonio. Tsara hotadidiana ny Katesizin’i Md Jean Marie Vianney hoe: rehefa handeha handray komonio ianao dia mahatsiaro fa tsy mendrika, ary tena tsy mendrika tokoa; saingy manatòna am-pinoana satria miandry anao ny Tompo, maniry ny horaisinao izy, tsy hoe sanatria noho ianao mendrika, fa satria mila azy ianao. Ary hoy i Jesoa hoe: raha tsy izaho dia tsy mahavita na inona na inona ianareo (Jo 15,5).
Indro (ide amin’ny teny grika). Atoron’i Joany antsika i Jesoa mba hanarahantsika azy. “Izaho tsy mahalala azy, hoy izy, fa mba hampiseho azy amin’Israely no nahatongavako manao batemy amin’ny rano”. Hampiseho an’i Jesoa no ilana ny fibebahana, ary izay manaiky hampiseho Azy, izay manaiky ny fiantsoan’Andriamanitra azy, tahaka an’i Joany (ary porofom-pitiavana izany), no afaka hahalala an’i Jesoa. Izay maniry ny fiainam-baovao, maniry ny fahafahana marina ihany no afaka hanatona hatao batemim-pibebahana ka haheno ilay feo manambara ilay Zanak’Ondry manala ny fahotan’izao tontolo izao.
I Joany dia nanao batemy tamin’ny rano, nampahatsiaro ny vahoaka ny fahafahana avy any Ejipta, miverina indray miampita avy any an-dafin’i Jordany ho any amin’ny tany nampanatenaina, fa i Kristy kosa, nidinan’ny Fanahy Masina, miendrika voromahailala, izany hoe, tsy hifindrafindra trano intsony fa honina ao mandrakizay, dia manao batemy antsika amin’ny Fanahy Masina, ilay Fanahy nomeny antsika teo ambony hazofijaliana (Jn 19, 30), ilay Fanahy nomeny ny Apôstôly ny marainan’ny Paka mba hamelan’izy ireo ny fahotana.
Mangataha amin’Andriamanitra Ray isika mba hampitomboiny ny faniriantsika hahalala ny tena toetrantsika, amin’ny maha-zanany antsika, ary ny faniriantsika mba hahalala azy bebe kokoa ka hanahaka azy, hampifanaraka ny fomba fiainana amin’ny fahamarinana, ka hanesorantsika izay mety mbola tsy mifanaraka amin’ny hadiovan’Izy Andriamanitra.
Sambatra ny madio fo fa hahita an’Andriamanitra. Hioitra hiady amin’ny fahotana anie isika, handio ny fontsika mba hibanjinantsika ny voninahitr’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy ka hihobiantsika sy hankalazantsika ny Anarany, mampahatsiaro an’Andriamanitra Vonjin’ny olombelona rehetra.