Fetin’ny Arkanjely Misely, Gabriely ary Rafaely
29 septambra :
Fetin’ny Arkanjely Misely, Gabriely ary Rafaely
- Vakiteny I : Daniely 7,9-10.13-14.
- Tononkira : Salamo 138,1-2a.2bc-3.4-5.
- Evanjely : Md Joany 1,47-51.
Izao no tari-kevitra ao amin’ny Boky Sorona Masina ho antsika :
“Samy voateny ao amin’ny Soratra Masina ireo Arkanjely telo ireo: i Misely amin’ilay ady nataony tamin’ny anjely mpikomy; i Gabriely tamin’izy nanambara tamin’i Maria ny hiterahany an’i Jesoa; i Rafaely tamin’ny nanampiany an-dry Tôbia. Hita amin’ireo tantara ireo fa midera an’Andriamanitra andro aman’alina any an-danitra ny Anjely no manatanteraka koa ny sitrapony mikasika antsika olombelona.”
Ny Fety anio, sy ny Fetin’ny Anjely mpiambina ny 2 oktobra dia ahafahantsika manavao ny fiekem-pinoantsika milaza fa “mino an’Andriamanitra nahary ny zavatra tehetra, na ny hita maso na ny tsy hita”. Ireo Anjely, iraka, dia arin-tanany ihany koa, ka ny fiezahantsika hahatakatra ny antony naharian’Andriamanitra ny zavaboary dia hanampy antsika hivelona ny fankalazana anio.
Ao amin’ny Bokin’i Daniely Mpaminany, dia voalaza fa “ony afo no nivoaka nisononoka avy eo anatrehany, arivoarivo no nanompo azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany”. Ireo ny mponin’ny lanitra, ny anjely sy ny olomasina mankalaza ny voninahitr’Andriamanitra. Ny antony moa dia satria ireo no nahazo ka nahalala ny fitiavany asehony tamin’ny fahariana sy ny fikilokoloana ny zavaboariny, eny fa na dia amin’ny famerenana amin’ny laoniny indray aza, raha sanatria ravan’ny tsy fanekena sy ny tsy fankasitrahana indraindray izany drafi-pamonjena ho amin’ny fahasambaran’ny voary manontolo izany.
Fa ankoatr’izay fankasitrahana tonga fiderana mandrakizay an’Andriamanitra izay, dia antsoiny ho mpiombon’antoka aminy koa ny zavaboariny. Antsoiny ho iraka hanambara ny fitiavany an’izao tontolo izao. I Rafaely (רָפָה, manasitrana) nirahina ho mpiambina sy hanasitrana (Bokin’i Tobia 3, 17; 12, 15-20); i Gabriely (גֶּבֶר), ilay olo-maherin’Andriamanitra izay nirahina nivaofy ny fahitan’i Daniely (8, 15-16; 9, 21-27) ary mazava loatra nilaza ny fahatanterahan’izay tamin’i Maria (Lk 1, 26-38) amin’ny fahterahan’ilay “Zanak’olona” ka “Fahefana mandrakizay tsy manam-pahataperana ny fahefany, ary tsy ho levona na oviana na oviana ny fanjakany” (Dan 7, 14); i Misely (מִיכָאֵל) kosa irahiny hiaro ny vahoakany (Dan 10, 21; 12, 1) ary lazain’i Joany fa nandresy ilay dragona (Apok 12, 7-12), hampahatsiaro antsika fa tsy “iza afa-tsy Andriamanitra irery” no afa-mamonjy antsika eo an-tanan’ny fahavalo.
Ny Evanjely dia manampy antsika hiaina izany rehetra izany amin’ny maha-kristianina antsika.
I Filipo, misolo tena ny Apôstôly hafa, izay nihaona tamin’i Jesoa dia tsy afaka ny hitana ho azy izany hafaliana izany ka tsindrian-daona be ihany hitantara izany amin’ny rahalahy sy ny mpiray monina, ny mpiray fihaviana sy ny olom-pantatra ary ho tonga hatrany amin’ny διέξοδος (diexodos), ny faran’ny lalana, ny faravazantany (Asa 1, 8). Ilay zanak’i Josefa no nolazain’i Filipo fa fahatanterahan’izay voalaza tao amin’ny Lalàna sy ny Mpaminany, saingy tsy misy fanazavana azo omena an’izay misalasala afa-tsy ny fihaonany mivantana amin’i Jesoa: “Avia ary zahao”. Dia eto no manomboka ny Evanjely anio.
Ilay nahalala azy ho Israelita tsy misy fitaka no neken’i Natanaely ho Zanak’Andriamanitra, Mpanjakan’Israely. Izay miaina araka ny Tenin’Andriamanitra ka mahitsy fo, tsy misy fitaka no afaka miditra amin’ny fiainana amin’ny fahalalana an’i Jesoa ilay iraky ny Ray (Jo 17, 3). I Maria kosa, any amin’ny fiafaran’ny fitantarana ny Evanjely, dia nahalala an’i Jesoa rehefa nantsoiny tamin’ny anarany. Izay anaram-baovao hahalalan’Andriamanitra antsika izany, hoy i Md Joany, no fototry ny fahasambarantsika, fa anarana fantatr’izay mandray azy ihany (Apok 2, 17). Ny fihaonana Aminy no hahafahantsika mahalala bebe kokoa ny tenantsika amin’ny maha-izy antsika, ka hahalalantsika koa ny iraka sitrak’Andriamanitra hotanterahintsika.
I Jesoa no fahatanterahan’ny nofin’i Jakoba, Izy no ilay tohatra mampiray ny lanitra sy ny tany (Jen 28, 12), ary avy Aminy no hahafahan’ny anjely miakatra sy midina: midina mandrotsaka amintsika ny fahasoavana ary miakatra kosa mampisondrotra any amin’izy Ray ny fiderana mariky ny fisaorana ataontsika (Eokaristia). Izy no varavarana hahafahantsika miditra sy mivoaka (Jo 10, 9). Ilay Teny tonga nofo no famantarana manambara sy mampahazo (sakramenta) ny fiainana ao amin’Andriamanitra.
Amin’ny fankalazana ireo Arkanjely telo, dia fantatsika fa ny iraka lehibe indrindra nirahin’ny Ray dia ny Zanany: Izy no tena Rafaely, miara-monina amintsika mandrapahatapitr’izao tontolo izao (Mt 28, 20) ary hany mpanasitrana satria Izy no “nitondra ny rofintsika” rehetra (Mt 8, 17/ Izaia 53, 4); ny Hazofijaliany no Herin’Andriamanitra ho an’izay voavonjy (1 Kor 1, 18); Izy no maneho ny maha-Izy Azy an’Andriamanitra ka ny nahafatesany no nandreseny ny fahavalo farany dia ny fahafatesana ary Andriamanitra kosa nametraka ho eo ambany tongony ny zavatra rehetra (1 Kor 15, 26). Andriamanitra kosa naneho ny voninahiny tamin’ny nanaganany Azy ho velona.
Ny fankalazana anio dia tokony hanampy antsika araka izany hahatsapa fa ny zavaboary rehetra no tian’Izy Ray hivondrona ao amin’i Kristy Zanany. “Tamin’ny alàlany no tiany hampihavanana ny zavatra rehetra aminy indray, rahefa nampihavaniny tamin’ny rany teo amin’ny hazo fijaliana, dia tamin’ny tenany, na ny ety an-tany na ny any an-danitra.”
Ho be herim-po hizotra amin’ny lalam-pamonjena anie isika, miombon-kasambarana amin’ny anjely sy ny arkanjely.