29 desambra
- 1 Joany 2,3-11
- Salamo 95
- Md Lioka 2,22-35
Izao no ahafantarantsika fa mahalala an’i Jesoa isika, dia raha mitandrina ny didiny isika. Tsy didy vaovao fa ilay fitiavana sitrak’Andriamanitra handavorariana ny fiainantsika ihany. Saingy vaovao kosa satria ny fomba nentin’i Kristy nitia no tonga fenitra ho an’ny mpanara-dia azy. Dia izay fitiavana izay no zary hazavana hanilo ny tontolo. Inona tokoa moa no ho fahasambarana ananan’izay tsy mikendry afa-tsy ny hahavoa ny hafa? Izay tsy faly ary tsy mahita hasambarana amin’ny fahasambaran’ny hafa dia tsy ho sambatra mandrakizay. Haizina no mandrakotra ny fiainany, hoy i Md Joany.
Ny Evanjely indray dia milaza ny nanolorana an’i Jesoa tao an-tempoly (azo jerena koa ny fanazavana ny alahady Fianakaviana Masina taona B). Amin’ny maha-voalohan-teraka azy dia tokony hanolotra sikla volafotsy dimy araka ny sikla masina izay roapolo gerà avy (Fan 18,15) ary ny reniny kosa manolotra domohina roa ho fanatitra, ny iray ho sorona dorana ho an’ny ota, iray kosa hatolotry ny mpisorona ho fanadiovana (Lev 12,8).
Fanahy iniana ve ny nanafangaroan’i Md Lioka ireo lalàna momba ny tolotra ireo? Raha dinihina dia misy hafatra lehibe tiany hambara amin’izany: tsy manana zo hanavotra ka hitana ho azy ny voalohan-teraka ireo ray aman-dreny. An’Andriamanitra mandrakizay ny zanaka. Mpiandry omby volavita ihany ny ray aman-dreny, tsy tompony fa mpamerin-doha. Izay no antony, araka ny fiheverako, nahatonga an’i Lioka hilaza fa ny fidiovan’ny Reniny dia sady fanolorana ny Zaza tao an-tempoly.
Ny tononkiran’i Simeôna kosa indray dia manampy antsika handalina ny hevitry ny fiainana: afaka mandeha (matory) am-piadanana izay mahita fa fitiavana Andriamanitra, ary miharihary ao amin’i Kristy ny famonjeny, izany dia ho fahazavana hanilo ny tsy mpino mba hahalalan’izy ireo an’Andriamanitra, ary ho voninahitr’Israely vahoaka voafidy.
Ny fandraisantsika ny famonjena ka hiainantsika amin’ny maha-mpianatra, araka izany, no mahatonga antsika tsy handeha ao amin’ny mazava fotsiny (vak I) fa ho tonga fahazavana ihany koa, hanilo izao tontolo izao, haneho amin’ny olombelona rehetra fa fitiavana Andriamanitra.
Mangataha amin’Andriamanitra mba ho taratry ny fitiavany mandrakariva ny fiainantsika, ho voninahitry ny anarany ary ho fiadanan’ny olombelona rehetra.