28 janoary: AGNESE MPIARO VOALOHANY NY FIKAMBANANA TRINITERA
“Misaotra anao aho Ray o satria…”
Mialoha ny hijerena ny anton’ny hisaorana dia tsara ny mampahatsiahy fa ny teny ἐξομολογέω (exomologeo) no nadika hoe “misaotra”. Raha ny marina dia tsy fisaorana loatra fa filazana fa “hafa” (ex-) noho ny rehetra (homologue) ny Ray ka mendri-dera izany, mila lazaina am-pahibemaso ho ren-tany ren-danitra izany fahasamihafana sty roa aman-tany izany. Tsy ny hendry sy ny be saina no nanambarany ny tsiambaratelon’ny fanjakany fa ho an’izay manaiky ho zaza (νήπιος nepios), hanaiky ho zanaka ka hibadabada hoe “Aba”, hiankin-doha amin’ny Ray. Tsy afaka ny hiombon-kafaliana amin’i Jesoa amin’izany fiderana izany izay tsy miaiky ny hatsaram-pon’Izy Ray.
Ny hendry sy ny be saina dia miezaka ny hahazo sy hahatakatra ny zavatra rehetra. Soa fa tsy “religion” ny finoana katolika, hoy Papa Benoit XVI, ary marinna izany. Ny “religion” manko raha ny marina dia ny fiezahan’ny saina hahatakatra ny mikasika an’Andriamanitra na koa ny fanehoana izay takatry ny saina amin’ny fomba fiainana sy ny fomba fivavahana, ny antsika kosa “révélation”, fanambarana, ka mino izay matoky fa amin’izany fanambarana izany no lalana izorana ho amin’ny fiainam-pahasambarana.
Ho an’ny Fikambanana Trinitera manokana dia mifanojo amin’ny zava-nitranga, tamin’ny fetin’i Mb Agnès ny taona 1193 izany fanambaran’Andriamanitra izany, ka i Md Jean de Matha, nahita ny voninahitr’Andriamanitra (‘vidi Majestatem Dei’) nandritra ny Sorona Masina ka nitady ny fomba hampifananrahany ny fiainany amin’izany fanambaran’Andriamanitra izany. Izay te ho zanany, araka izany dia tsy maintsy manomboka amin’ny fibanjinana ny voninahitr’Andriamanitra Trinite Masina.
Tsy mahagaga raha toa ka misy be saina milaza fa raha misy izao Andriamanitra izao dia tsy tokony hisy mahantra koa eto an-tany, satria raha mahefa ny zavatra rehetra izy dia tokony haringany ny mpanao ratsy ary fongorany izay mampijaly ny zanany; raha tsy manao izany izy dia “sadique”, lian-dra, ka mamela ny zanany hijaly eo. Ho an’izay mino kosa, ho an’ny tso-po (araka ny dikan-teny hita amin’ny evanjely), dia i Jesoa maty eo amin’ny hazofijaliana no faratampon’ny fanambaran’Andriamanitra. Tsy vitan’ny hoe tonga hanafaka antsika amin’ny rofy izy, fa tonga hiara-dalana amin’ireo izay mijaly satria mino ny Teniny. Tsy sitrapon’Andriamanitra ny hijalian’ny zanany, ary na Izy aza, mijaly ary manome hatramin’ny ainy raha izay no hahasambatra ny zanany andevozin’ny aloky ny fahafatesana.
Ny kristianina dia izay matoky izany fitiavana lavorarin’ny Rainy izany (1 Joany 4, 16) ka miaina ny maha-zanaka taha-dRay azy, eny fa na dia amin’ny fomba tsy mbola lavorary loatra aza, hoy Md Paoly, fa rehefa hifanatri-tava aminy isika vao ho lavorary izany fitiavana izany (1 Kor 13, 12-13). Na izany aza anefa, tahaka ny zaza ao am-bohoka, mitombo sy mivoatra amin’ny maha-olona azy, dia ny Fanahy kosa no mamolavola antsika ho tonga “endrik’ilay Andriamanitra”, ao amin’i Kristy (2 Kor 3, 18). Izay mihevitra ny hahatakatra ny zavatra rehetra ka hiheritreritra fa hanaraka ny kajikajiny sy ny halalinan-tsainy ny zavatra rehetra, dia ho diso fanantenana ihany.
Fanomezana maimaim-poana ho an’ny mahantra ny Fanjakan’ny lanitra, ka izay mieboebo ho manana ny ampy ka tsy miantehitra amin’ny lovan’ny Ray dia handova ihany, fa tsy ho amin’ny fiainana mandrakizay. Na ny aina aza tsy voavidim-bola ka izay nanandrana ny hamamin’ny Aina avy amin’ny fiombonana amin’i Kristy ihany no afaka hahalala ny tsiambaratelon’ny Fanjakany.
Ny fankalazana an’i Mb Agnès martiry, dia mampahatsiaro ny kristianina, fa indrindra ny Trinitera fa tsy afaka ny hahafoy ny ainy ho fijoroana ho vavolombelon’ny finoana izay tsy nanandrana ny hafenoan’ny fiainana sy ny fahasambarana amin’ny fiombonana aina amin’i Kristy. Atao ahoana tokoa moa no hahafoy ny aina sy ny fiainana ho fanavotana ny hafa, raha mbola ny kajikajy hiadanana sy ny hahazoana tombon-tsoa ho an’ny tena no mbola mameno ny fo amam-panahy?
Efa nomen’ny Ray an’i Kristy ny zavatra rehetra, ka izay miombona aminy dia miara-mandova aminy koa. Ho haintsika anie ny hampiasa ny haren’ny tany mba hahatsapana fa fanomezana avokoa izy ireny, fanomezana mila ampiasaina mba hahasambatra ny olon-drehetra fa tsy sanatria ho fanjakazakan’ny vitsy an’isa efa maty heritreritra ka manadino fa mbola hanontaniana amintsika ny fomba nitantanantsika ny “talenta” nomena antsika maimaim-poana.
Raha misy olona miantona eo ambony hazofojaliana, ao anatin’ny fijaliana tanteraka, dia miantso anao hoe: “avia aty amiko, fa hohamaivaniko”, inona no havalinao? I Jesoa nanaiky hatramin’ny fahafatesana satria tia ny Ray ambonin’ny zavatra rehetra, ary tia antsika mihoatra noho ny ainy, no miantso antsika hanatona Azy. Ny mampijaly antsika matetika dia ny fizakana ny vokatry ny fahotana, mety ho fahotan’ny tena, mety ho fahotan’ny hafa. Mazàna anefa ny saina tsy mahatakatra izay antony, ka manome tsiny araka izay takany, ary mety ho tonga hatrany amin’ny fanomezan-tsiny an’Andriamanitra aza izany. “Avia”, hoy i Jesoa, ao aminy no hahitantsika ny hevitra lalin’ny fijaliana sy ny valintenin’Andriamanitra manoloana ny fijalian’ny Zanany.
Antsoin’i Jesoa isika hitondra ny jiogany. Ny lalàna, natao handrindrana ny fiaraha-monina, no tonga fitaovam-pamoretana mazàna. Ny Jioga dia nentina hamatorana ny omby na ny soavaly (na biby hafa) mba hanambatra ny heriny hitarika ny enta-mavesatra (sarety, angady…) araka izay sitraky ny tompony. Tsy ny jiogan’ny lalàna anefa fa ny jiogan’ny fitiavana no asain’i Jesoa hoentintsika. Izay voatery hanao asa na hiharitra fijaliana dia antsoiny hizaka izany am-pitiavana, ka hianatra aminy ny halemem-panahy sy ny fanetren-tena.
Ny malemy fanahy no handova ny tany. Ny Salamo 36 mampianatra antsika hitoky amin’Andriamanitra ka tsy hisain-doatra manoloana ny ratsy fanahy na sanatria hikolokolo valifaty ao am-po. Raha ratsy no havaly ny ratsy dia mazava loatra fa mandresy ny ratsy, mitombo avo roa heny; raha ny tsara kosa no havalintsika azy, dia tapi-dalan-kaleha izy. Inona ny tany holovaina raha sanatria hifanapotika amin’ny valifaty ny olombeloona!
Ny manetry tena (ταπεινός tapeinos) kosa hahita fiadanana. Ny fietrena ho andevo, ho mpanasa tongotra, hifanompo no ampianarin’i Jesoa ny Mpianany: izay te ho lehibe no aoka ho mpanompo hoy izy. Mifaninana amin’ny fifanompoana ny mpianany, ary izany no maha-sambatra. Izay miditra amin’izany fanetren-tena izany dia tsy mba marary an-doha amin’ny zara vilana ataon’ny maty heritreritra, satria fantany ary hinoany fa ny fanompoana no fenitra hijeren’Andriamanitra izay lehibebe kokoa eo anatrehany, ary te ho lehibe eo anatrehan’Andriamanitra izy. Tsy misy olona tsy te ho lehibe, fa hoe “lehibe” eo anatrehan’iza no olana: eo anatrehan’ny olona sa eo anatrehan’Andriamanitra! Izay manetry tena dia tsy hampijalian’izay fitsaran’olombelona, satria mitoky amin’ilay alainy tahaka dia i Kristy, mahita ny lalan-kizorana ka manjohy izany am-piadanana (Jeremia 6, 16).
Mora entina ny jiogako, hoy i Kristy. Raha ny marina χρηστός (Krestos) dia azo adika hoe: mahasoa, mifanaraka amin’ny zava-misy. Ny jiogan’ny fitiavana ihany no hahafahana miaina am-piadanana; ny fanarahan-dalàna raha tsy misy fitiavana, dia zava-doza satria fiezahana ho lehibe eo anatrehan’ny lalàna sy ny mpitsara ny lalàna ety ivelany, ka na ho ela na ho haingana dia hanjary vesatra sy hatezerana nandrotika ny fon’ny tena sy ny fifandraisana amin’ny hafa.
Maivana ny hazofijaliako. ἐλαφρός (elaphros) dia azo adika koa hoe haingam-pandeha, satria ny fitiavana dia hery ao anaty manosika antsika hizotra hatramin’ny farany, satria manampy antsika hiala amin’ny “soratra mamono” ho amin’ny “Fanahy mamelona”, ho amin’ny lalànan’ny fahafahana (2 Kor 3, 1-18), hiala amin’ny fijaliana (harerahana) ho amin’ny fiadanana (fialan-tsasatra, Shabbat).
Ho haintsika anie ny hiaina am-pitiavana ny fahasahiranana hiantsoan’ny fiainana antsika, ka hitomboantsika voninahitra eo anatrehan’Andriamanitra hatrany.
Eo amin’izay toerana hanjakan’ny fitiavana marina, no hahafahana mibanjina ny misterin’ny Trinite Masina, hoy Md Augustin. Ho haintsika anie ny hibanjina izany mistery izany eo anivon’ny fiaraha-monina misy antsika ary ny vavaka sy ny fiarovan’i Mb Agnès kosa hanampy antsika ho tonga Tempoly hibanjinan’ny hafa, indrindra ireo voababo amin’ny endrika samihafa, ny misterin’ny Trinite Masina Fitiavana.