28 desambra: Ireo Zaza tsy manan-tsiny Martiry
Inona ny antony hikonfesena ny fahotana? Mba tsy hamitahan-tena hihevitra ho marina ka hanadino fa mila mandrakariva ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny famindram-pony. Tsy hanohizana hanotana anefa izany fa mba hahafahana mizotra amin’ny fahazavan’Andriamanitra, ka hiezahana isan’andro isan’andro hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny Hazavana entin’ny Teniny tonga nofo, Izy ilay te ho tonga fiainana ao amintsika.
Ny fety anio dia hahatsiarovana ireo zaza tsy manan-tsiny voavono noho ny fitiavam-boninahitr’i Herôda. Avelantsika ho an’ny mpahay tantara ny fiheverana na nisy ara-tantara tokoa na tsia ny fandringanana ireo tsy manan-tsiny tamin’ny androny. I Joany Batista kosa aloha dia avotra tamin’izay. I Ramà rahateo dia tsy famonoana ny zaza tsy manan-tsiny, fa toerana namondronana ny babo nialoha ny nanondranana azy tany Babilôna (Jr 40,1), ka fitomaniana ireo zanany (Israely avaratra) efa lasan-ko babo efa ela, tamin’ny taona 722 tal. J.K. no nataon’i Rasely, izay mahafantatra fa nataon’ny Asiriana sesitany tsy tafaverina ny zanany, izao ny ao Ramà indray no entina any Babilôna. Ankoatra ny Evanjely manko, ny hany fantatra ary voasoratra ara-tantara dia hoe nahavita namono ny zanany roalahy i Herôda, satria ireo no tokony handimby azy araka ny lalàna manan-kery, midika izany fa tsy hampaninona azy akory ny hamono ny zanaky ny hafa. Tsy i Herôda irery anefa no ampangain’i Matio amin’ny Evanjeliny, fa izay rehetra mihevitra ny hanjakazaka, manampa-pahefana ka mandringana ny tsy manan-tsiny.
Raha ny tantaran’ireo zaza novonoin’i Herôda manko no lazaina hoe Evanjely dia sadasada ihany. Mampalahelo izany fa tsy mahafaly, ary ny loza dia mety ho lasa tantara fa tsy Evanjely, ka heverintsika fa mahakasika ny zazakely roa arivo taona lasa izay fa tsy mahakasika ny fiainantsika anio izao.
Voalazan’i Matio fa rehefa lalan-kafa no nalehan’ny Majy rehefa nody: tsy ny lalana mitondra mankany amin’ilay mitady an’i Jesoa nefa tsy fantany akory fa tiany hovonoina (i Herôda), fa ny lalan’izay nahita ka nahafantatra ary nitsaoka sy nanolotra ny aminy manontolo ho an’Andriamanitra. Anachorète (avy amin’ny matoanteny anachoréô) no teny ampiasain’i Matio hilazana ny fiverenan’izy ireo mody any aminy, satria na aiza na aiza misy azy, tsy mampaninona intsony satria miara-monina aminy mandrakizay Andriamanitra.
Mbola io matoanteny io koa no ampiasainy hilazana ny fandosiran’i Josefa tany Ejipta sy ny fiverenana tany Nazareta, ary tsara ho marihina indrindra ny fomba hilazàny ny Zazakely sy ny Reniny. I Maria, i Israely, ny Eglizy dia tsy loha,tsy filoha ary tsy ivon’ny fitantarana, i Jesoa no loha sy filoha, ary i Josefa kosa no endriky ny mpino manaiky hiara-miasa amin’Andriamanitra mba ho famonjena ny Zazakely sy ny reniny, tsy manaiky am-bava fa amin’ny fahavononana hifoha mbola alina, tsy hiandry ny mazava akory mba hitolomana [tahaka an’i Jakôba nanaiky hanavotra ny vady aman-janaka na nitokana irery nandritra ny alina, nitolona niady ka tonga Israely, ilay mpiadin’Andriamanitra (Jen 32,25snm)], ka nandositra tany Ejipta.
Firifiry ny zaza tsy manan-tsiny, ny olo-marina vonoina noho ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-boninahitra, na noho ny tahotra ny haizina ka tsy hitoloman’ireo antsoin’Andriamanitra hanampy (yāsaph, nahazoana ny hoe Jozefa) azy hanavotra ny Zazakely sy ny Reniny, ka mety hiandrasana ny andro mazava, ny kajikajy efa milamina. Tsy hodiantsika tsy hita ny fanalan-jaza noho ny henatra heverina fa hanala baraka ny tena sy ny fianakaviana; firifiry ny fialonana sy ny fanendrikendrehana mba hiampangana izay mety hisalovana ny hasambarana sy ny voninahitry ny tena; tsy ireo tsy manan-tsiny ihany anefa no mitondra ny vokany fa ny fianakaviany koa, i Rasely (Rāḥēl), ireo zanak’ondry bonaika “hitomany ny zanany ka tsy azo ampiononina, fa tsy eo intsony ireny” (Jr 31,15). Ary izay akanga sisa nanamborana indray, voasesitany!
Lazain’i Jeremia anefa fa fampiononana no hasetrin’Andriamanitra an’i Rasely: “hiverina amin’ny taniny indray ny zanakao” (Jr 31,17)
Ilay zaza vao teraka, ankalazaintsika amin’izao noely izao dia nifampizara izany adim-piainana izany tamintsika. Niaina ny fiainan’ny olombelona rehetra, ary nizaka ny vokatry ny fahotan’ireo tsy matahotra an’Andriamanitra ka manampa-pahefana manjakazaka. Ao anatintsika ao dia misy Herôda kely ihany koa, mitady izay hampitomboana sy haharetan’ny fahefany mandrakizay, ka raha tsy avelantsika hazavain’ilay Teny Tonga nofo izany aloky ny fahafatesana izany, dia hitady izay fomba hamonoana olona tsy manan-tsiny ihany koa, na ho ela na ho haingana.
Nahoana ary no ankalazaina ny fahafatesan’ny zaza sy ny sesitany izay tokony hitomaniana, satria na i Rasely reniny aza tsy azo nampiononina satria tsy eo intsony ireny? Nahoana no ankalazaintsika ny fahafatesan’ny tsy manan-tsiny ary antsointsika hoe Evanjely, Vaovao Mahafaly? Satria i Kristy dia mitolona miaraka amin’ireo mioitra hanafoana ny tsy rariny sy ny tsindry hazolena, tonga hiray petsapetsa amin’ireo mijaly sy vesaram-pahoriana, ka ao amin’ny fandreseny no handresentsika rehetra miaraka Aminy. Tsy ny isan’ny andro hiainantsika no inona na ny fitanisana ny asa na ny soa mba vitantsika fa ny fiombonantsika amin’i Kristy, handray ny fahasoavany ka hahazo ny satro-boninahitra enim-pahasoavana (vavaka aorian’ny Kômonio).
Ny Evanjely dia mamintina ny fiainan’ny vahoakan’Israely, toy ny amintinany ny tantaran’ny fianakaviana tsirairay, fa raha ny marina ny fiainan’ny olomarina rehetra no tiany hokasihana. Ny vahoaka sesitany tany Ejipta, ny Faminanian’i Jeremia (Jr 31,15) momba an’i Rasely mitomany ny zanany tao Ramà, ireo izay voatery mitsoa-ponenana any Galilea toa an-dry Josefa, dia entin’i Md Matio milaza fa tsy “resaky ny omaly” na ny “lasa efa nivalona” ny fandringanana sy ny herisetra fa tantara mitohy, hiantsoan’Andriamanitra antsika ao amin’ny zanany mba ho vavolombelon’ny fitiavany. Izay mandray an’i Kristy eo amin’ny fiainany anefa dia lasa anakorety, faly lalandava na aiza na aiza toerana hitondran’ny “nofy” sy ny “kintana” azy. Samy fitaovan’ny torimaso sy ny alina ireo, saingy ny hazavan’i Kristy dia amby ampy hanazava azy.
Mety halahelo ny zaza tsy manan-tsiny isika, saingy indraindray adinontsika fa tantara mahakasika antsika tamin’ny taonjato lasa iny ny Shoāh (holocauste), tsy zoviana amintsika ny fanalan-jaza isan’andro, ny famonoana (na mivantana na an-kolaka) ny olona manembatsembana ny voninahitra sy ny harena. Firifiry ny mbola mitsoa-ponenana amin’izao fotoana izao noho ny toeran-tsy zaka ataon’ireo Herôda vaovao! Tsy mahagaga araka izany ny nolazain’ny Anjely tamin’i Josefa fa tsy i Herôda irery no maty fa “ireo izay nitady hamono ny zaza”. Vaovao mahafaly izany. Tsy ny mpanota no nofongoran’Andriamanitra fa ny fahotana mbamin’ny ratsy sy ny fahafatesana, hamongotra ireny no iantsoany izay Nazareanina, voatokana ho Azy.
Tsy hisy fiadanana anefa raha mbola samy hitady ny tombontsoany sy ny voninahiny ny tsirairay. Ao amin’ny Fianakaviana, ao amin’ny ankohonam-piainana no sekoly hianarana mikatsaka ny tombontsoa sy ny voninahitra iombonana: ny soa ho an’ny Zazakely, ho an’i Kristy anefa no tokony ho laharam-pahamehan’ny rehetra, araka ny voalazantsika teny ambony.
Mbola manohy ny fijaliany ao amin’ireo tsy manantsiny voavono, voasesi-tany, mangetaheta, noana, tsy mitafy, mpivahiny, marary sy voafonja i Kristy. Ny fankalazana ny Noely anie hanokatra ny masontsika hahita an’i Kristy miantso vonjy amintsika isan’andro, tsy amin’ny hafetsen’izay mitady tany malemy hanorenam-pangady fa amin’ireo mahantra, manantena fa naniraka ny zanany (isika) Andriamanitra ho famonjena azy ireo. Aza miandry ny maraina mba hamonjena ny hafa, sao tara toatra.