27 desambra: Md Joany (יוֹחָנָן YoHanan)
1 Jn 1, 1-4 / Sal 96 / Md Joany 20, 2-8
Ankalazain’ny Fiangonana anio i Md Joany, Apostoly Evanjelista, izay heverina fa ilay “mpianatra malalan’i Jesoa”, na dia tsy izay loatra aza no fihevitry ny Mpandinika sasany ny Soratra Masina an’ilay Mpianatra tsy manana anarana, mba hilazana fa izay te hanaraka an’i Jesoa marina tokoa dia mila mianatra amin’io “mpianatra malala io”: izy no nihaona voalohany tamin’ny Mpampianatra niaraka tamin’i Andrea ary nitondra an’i Piera ho any amin’i Jesoa (Jn 1, 35-40); dia mipoitra indray amin’ny sakafo farany manankina ny lohany eo an-tratran’i Jesoa mba hahalala izay hanolotra ny Mpampianatra dia tsy iza fa ilay mpianatra fantatr’i Jesoa fa hanolotra azy kanefa notiaviny manokana ary notiaviny hatramin’ny farany (Jn 13, 23-26); izy no ilay mpianatra nanaraka an’i Jesoa tao amin’ny fitsarana (Jn 18, 15-27) ary nijoro teo am-pototry ny hazofijaliana miaraka amin’ny renin’i Jesoa (Jn 19, 25-27) ary anio amin’ny Evanjely sy ny vakiteny voalohany, izy no ilay vavolombelona nahita ka manambara ny Tompo tafatsangan-ko velona, nanoratra ny fiombonany amin’Andrimanitra mba hahafeno ny hafalian’izay mandray ny fampianarany, na ny marimarina kokoa, hahafeno ny hafalian’izay mitory izany fahasambarana izany. Hafaliana tsy ambara havana hono manko zary tapany ihany (Vak I 1 Jn 1,4: mba ho feno ny hafalianareo no voasoratra ao fa ny dikanteny heverina ho mifanaraka dia hoe “mba ho feno ny hafalianay”, jereo ny naoty TOB).
Avelantsika any aloha ny mikasika ny maha-Joany Apostoly na tsia ny mpanoratra ny Evanjely, anjaran’ny mpikaroka sy ny manam-pahaizana manokan-tena amin’izany ny manome antsika izay mety ho fivoaran’ny fanoratana ny evanjely sy ireo taratasy telo mitondra ny anarany. Azo alalinina ao amin’ny teny nampidirana ny Boky tsirairay ao amin’ny Baiboly izany (ny TOB no nohalaliniko manokana).
Ny tiako hisarihana ny saintsika anio dia ny fampianaran’ny Evanjely anio mikasika ny fivoaran’ny finoana amin’ny fitsanganan-ko velona. Tsy tongatonga ho azy izany fa manaraka dingam-piainana ary mizotra tsikelikely sy miha-lalina. Ndeha haraintsika ny fizotry ny Evanjely:
Tamin’ny marainan’ny Paka, izany hoe ny andro voalohany amin’ny Sabata rehetra, raha adika ara-bakiteny fa lasa hoe amin’ny herinandro araka ny fandikana mahazatra (Τῇ δὲ μιᾷ τῶν σαββάτων), satria enina andro no niasan’Andriamanitra ary ny andro fahafito, ilay andron’ny fampakaram-bady tao Kanà (Jn 2, 1) no anombohan’i Joany ny hafalian’ilay fahateranan’ny olom-baovao aorian’ny fanaintainam-piterahana (Jn 16, 21). Io no “andron’ny Tompo”, ankalazan’ny Eglizy ny fandreseny ny fahafatesana.
Io andro voalohany taorian’ny Sabata io, izany hoe ny andro fahatelo taorian’ny fandevenana, araka ny mahazatra ny Jody, i Maria Madalena no nandeha tany am-pasana mba hanatitra didin-kazo manitra, fa indrindra indrindra hanara-maso sao tsy tena maty ilay nalevina, miala nenina, toy ny mahazatra ny Jody, hiverina hizaha any am-pasana ny andro fahatelo, eny fa na dia tsy azo heverina aza izany amin’ny nahazo an’i Jesoa satria efa notsindronin’ny miaramila lefona ny fony. Kanjo inona, fasana nivoha no hitany. Ny fahatairany no niverenany ho any amin’ny mpianatra mba hilaza fa nangalarin’ny olona ny Tompo.
Trangan-javatra mateti-pitranga. Ny andro mbola maizina, ampy ho azy ny mahita ny fasana nivoha mba hamoronana ny sisa rehetra. Sarotra ho azy ny hitsirika ao anatiny hizaha ny zava-misy. Dia nihazakazaka ho any am-pasana ny mpianatra roalahy, raha vao naheno ny nolazain’i Maria madelena, i Piera sy ilay Mpianatra Malala moa izany, saingy ny fitiavana mampakaly ny dia. Tonga teo am-pasana mialoha araka izany ilay mpianatra malala ary nahita ny lamba namonosana an’i Jesoa, ny verbe βλέπω (izay azo adika hoe mijery mba hahafantatra) no ampiasain’ny Evanjelista hilazana izany fomba fijery izany. Avy eo dia tonga i Piera ka niditra ary nahita. Mbola teny hafa koa no ampiasainy eo hilazana ny fahitan’i Piera: θεωρέω (mijery fe mijery mba hilaza izay hita). Avy eo niditra kosa ilay mpianatra malala ka nahita ary tonga amin’ny finoana. εἰδῶ no ampiasain’ny Evanjelista eto. Izay fivoaran’ny fahitana izay dia ilazana ny fiainam-pinoana tsy maintsy hizoran’ny mpianatra te hanara-dia an’i Jesoa. Tsy afaka ny hino izay mijanona ho mpitazana fotsiny, ka tsy hijanona handalina ny hevitr’izay hitany. Tsy hisy mpangala-paty handany andro handamina sy hamalona lamba, hoy i Md Jean Chrysostome. Dia nahita (εἰδῶ : izany hoe nijery ary nandinika ny hevitry ny zavatra hita, nanao traikefa, aorista ὁράω) izy ka nino.
Adika hoe Mpianatra Malala moa na ny ao amin’ny Joany 19,26 (ἀγαπάω agapao) na ny eto amin’ny 20, 2 na dia teny samihafa aza no ampiasain’ny Evanjely. Eto manko dia φιλέω (phileo) no ampiasain’i Joany, entina ilazana ny fisaikazana, ilay fitiavana efa hifamaliana. Ireo no mpianatra manaraka ny didiny (Jn 15, 14), ireo no afaka ho tonga voalohany any am-pasana. Ny fitiavana no hitsarana antsika.
Hazavain’i Joany misimisy kokoa moa izany amin’ny fanomboan’ny taratasy nosoratany: izay henonay (nolazain’i Madelena), izay hitan’ny masonay (ὁράω no teny grika ampiasainy), dia nodinihiny, tsy nihanona fotsiny tamin’ny ety ivelany, notsapain’ny tanany, izany hoe ananany traikefa, dia izay no ambarany. Izay te hino tsy afaka ho tonga amin’izany raha tsy manokana fotoana handalinana sy hanaovana traikefa izay re sy hita. Izay mahatsiaro tena fa notiavina maimaim-poana (ἀγαπάω) no afaka ny ho tia.
Tsy voalaza amin’ny Evanjely anio, nefa manandanja lehibe amin’izay firosoana amin’ny finoana izay ny andininy faha-9: tsy mbola azon’izy ireo izay nolazain’ny Soratra Masina. Izay fandinihana sy fandalinana izay dia mahakasika ny Soratra Masina. Ny fahalalantsika ny Soratra Masina no mampandroso antsika amin’ny finoana marina sy amin’ny fahafantarana an’i Jesoa, ilay Teny tonga nofo ankalazaintsika amin’izao Noely izao.
Tsy ho tonga amin’izany fandalinana izany anefa raha tsy entanin’ny fitiavana. Tsy mamono fa mamelona ny fitiavana ny fanjavonan’izay iana. I Jesoa dia nesorina teo an-tanan’ireo tiany sy tia azy, tamin’ny namantsiana azy tamin’ny hazofijaliana. Tsy hitan’izy ireo intsony satria nalevina ao am-pasana. Saingy tsy ao anefa no toerana tokony hipetrahany. Ny tahotra ny fahafatesana dia hahatonga antsika hiaran’ny fanadevozana mandritra ny androm-piainana, hoy ny Taratasy ho an’ny Hebrio (He 2, 15). Nahoana no any am-pasana no hitadiavana ny Tompon’ny aina, hoy ilay nanafaka antsika tamin’izany fanandevozana izany.
Ny tsy fahitana izay mba sisa tavela kely ny amin’ilay nalevina indray, satria foana ny fasana, dia hanokatra ny ferin’ilay tia ka nitady. Saingy eo ny Evanjely no mampiditra antsika amin’ny fandalinana ny tena fitiavana izay hahafahan’izay tia mahita ao am-pony mandrakariva ilay tiany. Izay no mahatonga ny Tononkira dia Tononkira hifarana amin’ny famelana ny malaly handositra, ho any amin’ny toeram-pahasambarana voatokana ho azy (Tononk 8, 14). Ny fitiavana no mampisy heviny ny tsiaro sy ny teny rehetra voalazan’ilay tiana.
Omaly nankalaza ny Mpianatra martiry, anio mankalaza ny Mpianatra Malala, satria naheno, nahita ary nandalina, rahampitso kosa hankalaza ny Mpianatra misolo vaika ny akalana, miaritra ny tsy fidiny noho ny fitiavan-tenan’ny mpanjakazaka. Isika rehetra no voaantso ho Mpianatra, faly sy sambatra miaina sy mitory ny Evanjely.