26 desambra: Md Etiena
- Asa 6,8-10; 7,54-59
- Salamo 30
- Md Matio 10,17-22
Omaly (25 desambra) ny Eglizy dia nankalaza ny Noely, miankanjo fotsy marevaka, dia anio kosa mianjaika ny akanjo mena, manambara ny martiry, ilay martiry voalohany, manambara ny vavolombelona manaiky ho entanin’ny Fanahy ka nandray ny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra. Tsy afa-misaraka tokoa manko ny fankalazana ny Noely sy ny fiainana araka ny Evanjely, izay hazavain’ny Fandresen’ny Paka, na dia eo aza ny adim-piainana atrehina isan’andro.
Ny fifandraisan’ny Noely sy ny Paka no hahafahantsika mahazo ny antony nampidirana ny fetin’i Md Etiena anio, mampahatsiaro antsika fa ny fanarahan-dia ilay zazakely vao teraka dia fanolorana ny fiainana manontolo ho vavolombelon’ny finoana, ka mety hiafara hatramin’ny fahafatesana mahafa-baraka aza izany, toy ny nianjady tamin’i Md Etiena. Izany no ampahatsiahivin’ny Evanjely an’izay te ho mpianatr’i Kristy.
Tsy tonga hitondra fiadanana aho fa sabatra sy fampisarahana, hoy i Jesoa (Lk 12,51). Ny antony dia satria mifanohitra amin’ny fitiavan-tena mambabo ny fon’ny olona ny Evanjeliny, ka tsy maintsy miatrika ny vokatr’izany ireo vonona handray ka hiaina ny Teniny, ka ho zary fahazavana mety hanjemby ny maso na mampitsanga-menatra ireo misafidy hiafina ao anatin’ny haizina.
Rehefa tsy mahatohitra ny fahendrena entin’ny mpianatra ny olona dia ny hamongotra azy ireny hiala amin’ny tany no tetika farany hitany fa mahomby mba hampandry ny eritreriny (Asa 6,10). Dia nampangainy i Etiena ka novonoiny. Ambaran’i Lioka mazava, ary izay no antony nanoratany ny Asan’ny Apôstôly, fa izay nihatra tamin’ny Mpampianatra dia hihatra ihany koa amin’ny mpianatra sy ny mpanara-dia an’i Jesoa rehetra. Ny toko faha-enina sy ny fahafito manontolo moa dia natokan’i Lioka mba hamintinana ny tantaran’Israely, nentina hampiharihary ny fahendren’Andriamanitra sy ny fandaharany mahavonjy, na eo aza ny sakantsakana sy ny mety ho teti-dratsin’ny olombelona.
Ny ratsy ataon’ny hafa anefa dia fandranitana na “provocation” mandrakariva. Ny hoe “provocare” moa amin’ny teny latinina dia azo adika hoe: miantso ho ety ivelany, izany hoe mihantsy antsika mba hampivoaka izay maha-izy antsika marina tokoa. Inona no maha-izy azy ny kristianina? Rehefa misy mandrangitra anao, eo no mivoaka ny maha-izy anao.
Tsy mora anefa ny mahazo ny lazain’i Jesoa, hijanona ho zanak’ondry eo anivon’ny amboadia (Mt 10,16, mialoha ny Evanjely anio). Hafatrafarany mafy ny mpianany mba tsy hivadika biby mahery fihetsika eo anatrehan’ny fahavalo mety handrahona sy hifofo ny aina. Ohatran’ny Anjely, hoy i Md Lioka no nahitàn’ireo tao amin’ny Sanedrina an’i Etiena voaheloka ho faty (Asa 6,15). Ny mpianatra marina dia mijanona ho zanak’ondry mandrakariva, mijanona ho anjely. Izany no lalàna fototry ny Tantara: izay iharan’ny ratsy no mizaka azy ary rehefa mizaka azy nefa tsy manota ary tsy mamaly faty, dia amin’izay ihany no azo lazaina fa maharesy azy. I Kristy, Andriamanitra ankalazaintsika fa tonga nofo toa antsika, dia nandresy ny ratsy tamin’ny nanekeny ho faty toy izay hanota na hamaly faty. Ny feriny no nahasitrana antsika (Iz 53,5; 1P 2,24sns). Izany no iriny ataon’ny mpianany rehetra, tahaka an’i Md Etiena.
Ny Evanjely dia mazava: tsy manao teny mandangolango i Jesoa fa milaza izay hiafaran’izay te hiaina ny marina. Tsy azo adinoina anefa fa rehefa enjehina isika na ampijaliana dia lazain’Izy Mpampianatra fa izay no fotoana sarobidy hijoroantsika ho vavolombelona marina tokoa eo anatrehan’ny tsy mpino. Mila malina tahaka ny bibilava anefa ary tsotra toy ny voromahailala. Tsy natao hamitahana tahaka ny bibilavan’i Jenezy toko faha-3 ihany manko ny saina matsilo, fa azo ampiasaina koa mba hahitana ny teti-dratsy ataon’ny fahavalo, ka hahafahana midify azy raha toa ka azo atao. Ny fahatsorana dia tsy havendranana hihantsiana ny fahavalo fa tahaka ny fitokisana ny fitiavan’ny reny, toy ny ataon’ny zaza (Sal 130), ka hahafahana mametraka ny aina eo am-pelatanany (Sal 30 setrin’ny Vakiteny). Manampy antsika hahazo izany fitokisana izany ny fomba fitantaran’i Lioka ny fitokisan’i Etiena.
I Jesoa notsaraina dia nanambara ny fahitana ny Zanak’olona “mipetraka” eo ankavanan’Andriamanitra (Mt 26,64-67), fa ny mpianatra kosa mahita ny Zanak’olona tafatsangan-ko velona ka “mitsangana” eo an-kavanan’ny Ray. Dia Izy no manome hery ny mpianany mba handresy miaraka Aminy rehefa manaiky hanohy ny asany: hanambara amin’izao tontolo izao fa fitiavana Andriamanitra.
Angatahontsika ny fahasoavany mba haharetantsika hatramin’ny farany.