25 martsa: Fankalazana ny nilazana fa naka nofo ny Tompo
- Vakiteny I : Izaia 7,10-14.8,10b.
- Salamo 40,7-8a.8b-9.10.11.
- Vakiteny II : Hebrio 10,4-10.
- Evanjely : Md Lioka 1,26-38.
Efa hatry ny ela, efa tany amin’ny taonjato IV tany ho any no efa nankalazana ity fety ity, Fetin’ny Tompo, izay noraiketina ny 25 martsa nandritra ny Taonjato VII, rehefa nahazo vahana ny fankalazana ny Noely ny 25 desambra. Saingy noho ny fitomboan’ny “fanajana an’i Masina Maria”dia niova tsikelikely ka lasa fetin’i Masina Maria io fety io. Ankehitriny, taorian’ny Konsily Vatikana II, dia niverina hoe fankalazana ny “nilazana fa naka nofo ny Tompo”, fetin’ny Misterin’ny fahatongavana ho nofo. Fototry ny finoantsika manko ny maha olombelona an’i Jesoa, ilay zanak’Andriamanitra, tena Andriamanitra. Fandalinana sy fampianarana mikasika izany maha Andriamanitra sy maha olombelona an’i Jesoa izany no nimasoan’ny Fiangonana hatrany am-piandohana. Na ny drafitra narahan’i Md Lioka amin’ny fanoratana ny Evanjeliny aza dia manampy antsika hahazo izany Mistery izany, ka hampihatra azy amin’ny fomba fiainana andavanandro.
Nofidian’Andriamanitra manokana i Masina Maria, ny antony hoy i Lioka dia satria nahita ny fanambaniana (ταπείνωσις – tapeinôsis) nahazo ny ankizivaviny, nahita ny fahorian’ny vahoakany. Tombom-pitiavana izany, saingy tsy ho an’i Maria ihany fa ho antsika rehetra, ho an’ny olombelona tsirairay. Fa tahaka ny fitiavana rehetra, tsy manery fa miangavy. Ny “eny” nataon’i Maria no mirakitra ny halehibeazany, ka izay te ho zanany, izay te ho sambatra miaraka aminy, izay fatra-panaja azy marina tokoa, dia ho lany andro hitanisa ny “arahaba ry Maria” fotsiny, raha tsy mitombo miaraka amin’ny isan’izay voatanisa ny faniriana hanao “eny” amin’ny tolo-pitiavana iantsoan’Andriamanitra antsika mba hahatongavan’i Kristy ho nofo eo amin’izao tontolo izao.
Arahaba ry ilay feno hasoavana, ny Tompo ao aminao (χαῖρε, κεχαριτωμένη, ὁ κύριος μετὰ σοῦ, chaire, kecharitômenè, ho Kyrios metà sou – Lk 1,28). Arahaba moa no nandikana azy, fa fiarahabana manokana kosa no dikany: chairé kecharitomenè: mifalia ianao izay nohasoavina. Antsoin’ny Anjely hifaly i Maria. Araka ny voalazantsika teo aloha dia tsy hoe fiainana milamina, tsy hoe harena sy voninahitra no niainan’i Maria fa “tapeinôsis”, tsy fietren-tena fotsiny fa fiainana tsizarizary, toa tsy afaka ny hiarina akory. Taratr’ilay “Siôna” niandry ny fanambaran’Andriamanitra manko i Masina Maria, ao aminy no tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra, niantso ny vahoakany hifaly (Jereo ohatra Sôf 3,14-18; Za 2,14; 9,9-10). Tanteraka izany fampanantenana izany satria nahay “nanaiky” i Maria, ilay ankizivavin’ny Tompo.
Ahoana no hahafahana mifaly, ahoana no hahitana ny fahasoavan’Andriamanitra ao anatin’ny fahoriana? Ho an’i Masina Maria manokana dia tsy maintsy hiatrika ny fiainana izy: iza no hino fa “zanak’Andriamanitra” ilay zaza torontoronina tao an-kibony? Ahoana àry no hahatsapana fa na eo aza ny fijaliana sy ny adim-piainana (ny valan’aretina sy ny fahalovan’ny fahotana) dia “tian’Andriamanitra manokana” tahaka an’i Masina Maria isika tsirairay avy? Ny fandinihana ny halehibeazan’ny finoan’ity zazavavy kely ity no manampy antsika hanao dingana amin’ny finoana koa. Isika manko efa nohasoavina ary mino ny fitsanganan’i Kristy ho velona. I Maria kosa nanomana izany tam-pinoana. Sambatra izy, tsy nahita kanefa nino fa “momba ny vahoakany Andriamanitra”, tsy mandao ny vahoakany Andriamanitra, “ilay Misy” no Anarany, “Emanoela, Andriamanitra miara-monina mandrakariva amintsika”.
Rariny araka izany raha “atao tsara laza” (εὐλογημένη – eulogèmenè, nadika hoe nosoavina) noho ny vehivavy rehetra i Masina Maria, tsy afaka ny tsy hibanjina ny halehibeazan’ny finoany izay te hanara-dia an’ilay “zanak’Andriamanitra”, tonga nofo vokatr’izany faneken’i Maria izany (καρπός – karpos), ary izay manao tsara laza an’i Maria dia “ankalazaina” koa ilay nateraky ny kibony, ary Andriamanitra Ray no voalohany mitsodrano sy mankalaza Azy. I Maria no loharano nahazoantsika ny “loharanom-pahasoavana” hoy i Md Bernard, raha avy aminy no nahazoantsika ny Mpamonjy, fahasoavana inona no tsy homen’Andriamanitra amin’ny alalany? Tsy afaka ny tsy ho any an-doharano izay maniry hantsaka rano. Tsy afaka ny tsy hanaja an’i Masina Maria izay te ho tonga mpianatr’i Jesoa, satria ao aminy no ianarantsika rehetra ny fanekena ny Teny, ka hahatonga nofo Azy ao amin’ny fiainantsika.
Ambaran’i Md Lioka koa fa i Masina Maria no tena “Mpanompon’Andriamanitra” (ἡ δούλη κυρίου·- hè doulè Kyriou, Lk 1,38). Raha fakafakaina moa ny anarana hoe Maria, ankoatra ireo izay niezahana nandikana azy (malala, kintan’ny ranomasina…), ny fototeny מָרָה (mārāh) amin’ny teny hebrio dia midika hoe mandà, mioko, mikomy. Na dia fatra-pandà, fatra-pioko sy mpikomy aza ilay “zanakavavin’i Siôna”, i Maria kosa, feno hasoavana satria nahay “nanaiky”. Izany fanekena izany no maha mpanompon’Andriamanitra azy. Tsy fietren-tena ny filazana fa mpanompon’Andriamanitra izy, raha ny marina, fa fanandratana kosa, fankalazana (εὐλογέω – eulogeô), entin’i Md Lioka milaza fa i Masina Maria no ilay “Mpanompovavy” sitrak’Andriamanitra, tsy ambakan’ireo Mpanompon’Andriamanitra hafa voatanisa ao amin’ny Baiboly, toa an-dry Abrahama, ry Môizy sy Elia Mpaminany. Ilay Zanaka tonga nofo tao an-kibony moa no ilay “Mpanompon’i YHWH, sitraky ny fony”, araka an’i Izaia (Vakiteny mandritra ny herinandro masina).
Asan’ny Fanahy Masina no manavao ny zavatra rehetra. Iraho ny Fanahinao, ry Tompo, dia ho àry ny zavatra rehetra (Sal 104,30). Dia tao amin’ny faneken’i masina Maria no nahafahan’Andriamanitra nanavao ao amin’ny Zanany tonga nofo ny fitiavany antsika rehetra. I Masina Maria kosa, niandry ampitokiana ny fahatanterahan’ny lahatr’ilay tia mandrakizay: “Aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao”. γένοιτό μοι – genoito moi – Lk 1,38), ny matoateny γίνομαι – ginomai, izay midika hoe tanteraka, miseho miharihary, fa amin’ny “temps” aoriste optatif[1], izany hoe lazain’i Md Lioka fa indrakindrafana be ihany i Maria mandra-pahatanterak’izany sitrapon’Andriamanitra izany.
Ny famerimberenana ny fiarahaban’ny Anjely dia tokony halemombelona ao anatintsika koa ny faniriana izany hafaliana sitrak’Andriamanitra ho tonga lafatra ao amin’ny zanany rehetra izany. Ny Teny tonga nofo tao amin’i Masina Maria no sitrany koa ho tonga nofo ao amintsika tsirairay avy. Asan’ny Fanahy Masina izany kanefa kosa miankina amin’ny fanekentsika ka hamelantsika azy hiasa.
Isika tsirairay avy koa dia efa samy nandray ny Fanahy Masina. Ohatra ho antsika i Masina Maria amin’ny fanekentsika hovolavolain’ny Herin’ny Avo indrindra ka hahafahantsika mivelona araka ny Evanjely, hiteny toa an’i Md Paoly fa tsy isika intsony no velona fa Izy Kristy no velona ao amintsika.
Hanahaka an’i Masina Maria anie isika hanetry tena [izany hoe hankatò ny herin’Andriamanitra mandahatra ny zavatra rehetra] sy hiraiki-po amin’izay sitrak’Andriamanitra ary ny fanajana azy sy ny fanaovana sapile matetika anie hanampy antsika.
Izao no ambaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katôlika mikasika ny 25 martsa:
Nahoana ny Teny no tonga nofo ?
456. Miara-mamaly amin’ny Fiekem-pinoana tao « Nicée-Constantinople » isika, amin’ny fiekena hoe: “Ho antsika olombelona sy ny famonjena antsika no nidinany avy any an-danitra; ary naka nofo tamin’i Maria Virjiny Izy noho ny herin’ny Fanahy Masina, ka tonga olombelona”[2].
457. Tonga nofo ny Teny mba hamonjy antsika, amin’ny fampihavanana antsika amin’Andriamanitra: “Fa Andriamanitra no tia antsika sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana amin’ny fahotantsika” (1Jo 4,10). “Naniraka ny Zanany ny Ray, ho Mpamonjin’izao tontolo izao” (1Jo 4,14). “Fa Izy io no niseho, dia mba hanala ny fahotana” (1Jo 3,5):
Marary ny tenantsika, ka mila sitranina; lavo, ka mila harenina; maty, ka mila hatsangana ho velona. Nariantsika ny fananana ny soa sy ny tsara, ka tsy maintsy honerantsika izany. Voahidy tao anatin’ny maizina isika, ka mila hitondrana fahazavana; babo an’ady isika, ka miandry mpamonjy; migadra isika, ka miandry vonjy; andevo isika, ka miandry mpanafaka. Tsy nisy lanja ve ireo antony notanisaina ireo? Tsy mendrika hampangoraka an’ Andriamanitra ve ireo, ka nampidina Azy ho tonga hatramin’ny toetra amam-pomba maha olona antsika mba hamangy antsika, noho ny olombelona nihitsoka tanatin’ny toetra fadiranovana loatra sy mampahonena fatratra[3]?
219 458. Tonga nofo ny Teny mba hahalalantsika amin’izany ny fitiavan’ Andriamanitra: “Izao no nisehoan’ny fitiavan’Andriamanitra antsika: nirahiny ho eo amin’izao tontolo izao ny Zanany Lahitokana, mba hahavelona antsika amin’ny alalany” (1Jo 4,9). “Fa notiavin’Andriamanitra fatratra izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very na iza na iza mino Azy fa hanana ny fiainana mandrakizay” (Jo 3,16).
459. Tonga nofo ny Teny mba ho môdelintsika amin’ny fahamasinana: “Ento ny jiogako, ary mianara amiko…” (Mt 11,29). “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona tonga amin’ny Ray afa-tsy amin’ ny alalako” (Jo 14,6). Ary ny Ray, teo an-tendrombohitry ny Fiovàn-tarehy, nandidy hoe : “Henoy Izy” (Mk 9,7)[4]. Izy izany no môdelin’ny hasambarana sy ny fitsipiky ny Lalàna vaovao: “Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo” (Jo 15,12). Mifaningotra amin’ny fanoloran-tena tokoa amin’ny fanarahan-dia Azy izany fitiavana izany[5].
460. Tonga nofo ny Teny mba hahatonga antsika ho “mpandray anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra” (2P 1,4): “Fa toy izao ny antony nahatonga olombelona ny Teny, sy nahatonga ny Zanak’Andriamanitra, ho Zanak’olona: ny mba hahatonga ny olombelona ho zanak’Andriamanitra, amin’ny fiombonana amin’ny Teny sy amin’ny fandraisana avy amin’izany ny maha zanak’Andriamanitra”[6]. “Satria tonga olombelona ny Zanak’ Andriamanitra mba hahatonga antsika ho Andriamanitra”[7]. “Ny Zanaka Lahitokan’Andriamanitra, mankasitraka ny handraisantsika anjara amin’ny maha Andriamanitra Azy, dia nizaka tao Aminy ny fomba aman-toetrantsika, mba hahatonga Azy ho olombelona, ka hanandratra ny olombelona ho andriamanitra,”[8].
461. Nandray ny fitenin’i Md Joany (hoe: “Tonga nofo ny Teny”: Jo 1,14) ny Fiangonana, ka miantso hoe “Fahatongavana ho nofo” tamin’ny nizakan’ny Zanak’Andriamanitra tao Aminy ny fomba aman-toetran’olombelona, mba hanatanterahana ao amin’izany ny famonjena antsika. Ao amin’ny antsa iray nambaran’i Md Paoly no ihiran’ny Fiangonana ny misterin’ny Fahatongavana ho nofo:
“Manàna eo aminareo samy ianareo izao saina amam-po hita tao amin’i Kristy Jesoa izao: na tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza Izy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra ho zavatra nobaboiny. Fa nialany izany tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo, ka tonga mitovy amin’ny olombelona. Tamin’ny fisehoany rehetra ho olombelona, dia nilatsa-tenany ho ambany dia ambany Izy, nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana !” (Fil 2,5-8)[9].
462. Miteny izany mistery izany koa ny Taratasy ho an’ny Hebrio:
Noho izany indrindra, nony niditra teto amin’izao tontolo izao i Kristy, dia nilaza hoe: Tsy nilainao ny sorona na ny fanatitra; fa namboatra vatana ho Ahy Ianao. Tsy sitrakao ny sorona dorana sy ny sorona noho ny ota. Ka hoy aho hoe: Inty aho tonga (…) hanao ny sitraponao (Heb 10,5-7, mitanisa ny Sal 40,7-9, dikan-tenin’ny Fitopololahy LXX).
463. Ny finoana ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo marina tokoa no famantarana mampiavaka ny finoana kristianina: “Izao no ahafantarana ny fanahy avy amin’Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga nofo i Jesoa-Kristy dia avy amin’Andriamanitra” (1Jo 4,2). Toy izao ny hafaliam-pieken’ny Fiangonana hatrany am-piandohany, rahefa mihira “ny mistery lehibe momba ny fitiavam-bavaka” izy: “Niseho tao amin’ny nofo Izy” (1Tm 3,16).
Tena Andriamanitra tokoa sady tena olombelona tokoa
(ireo fahadisoan-kevitra tsara ho fantatra)
464. Ny fisehoan-javatra tokana aman-tany sy miavaka tanteraka amin’ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo dia tsy midika fa i Jesoa-Kristy dia nisy ampahany Andriamanitra sy ampahany olombelona, na vokatry ny fifangaroana mifanjevon’ny maha Andriamanitra sy ny maha olombelona. Sady tonga olombelona marina tokoa Izy no mijanona ho Andriamanitra marina tokoa. I Jesoa-Kristy dia tena Andriamanitra tokoa sady tena olombelona tokoa. Tsy maintsy narovan’ny Fiangonana izany fahamarinam-pinoana izany, ary nohazavainy nandritra ireo taonjato voalohany, teo anatrehan’ny fampianaran-diso nampivaona azy.
465. Tsy dia ny maha Andriamanitra an’i Kristy loatra no tena nolavin’ireo fampianaran-diso voalohany, fa ny maha olombelona Azy tokoa (docétisme gnostique). Nanomboka tamin’ny andron’ny apôstôly ny finoana kristianina no nanantitrantitra ny tena Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo tokoa hoe: “tonga tao amin’ny nofo”[10]. Kanefa tany amin’ny taonjato faha-3, voatery nanamafy ny Fiangonana hanoherana an’i Paul de Samosate, tamin’ny Kônsily novorina tao Antiôkia, fa i Jesoa-Kristy dia Zanak’Andriamanitra amin’ny fomba aman-toetra maha Izy Azy fa tsy amin’ny fananganan-janaka tsy akory. Ny Kônsily ekiomenika voalohany tao Nicée, tamin’ny taona 325, dia nanambara ampahibemaso tao amin’ny Fiekem-pinoany fa ny Zanak’Andriamanitra dia “nateraka, fa tsy natao, iray fisia-maha izy (homousios)[11] amin’ny Ray”, ary nanameloka an’i Arius izay nilaza ho marina fa “nivoaka avy amin’ny tsy misy, ny Zanak’Andriamanitra”[12], ary “tamin’ny fisia-maha izy hafa noho ny Ray”[13].
466. Ny fampianaran-dison’i Nestorius dia nilaza fa olombelona iray no nikambana amin’ny maha Olona-Andriamanitra ny Zanak’Andriamanitra ao amin’i Kristy. Teo anatrehan’izany, nanambara ampahibemaso i Md Cyrille d’Alexandrie sy ny Kônsily ekiomenika fahatelo novorìna tao Efezy tamin’ ny taona 431, fa “ny maha olona ny Teny, miray amin’ny nofo velomin’ny fanahy manan-tsaina hendry, dia tonga olombelona”[14]. Ny maha olombelona an’i Kristy dia tsy manana fototra hafa afa-tsy ny maha Olona-Andriamanitra ny Zanak’Andriamanitra, izay nozakainy tao Aminy sy nanjary Azy hatramin’ny niforonany tao am-bohoka. Araka izany, nanambara ny Kônsily tao Efezy tamin’ny taona 431 fa i Maria dia nanjary Renin’Andriamanitra marina tokoa tamin’ny nahatorontoronina ho olombelona ny Zanak’Andriamanitra tao an-kibony: “Renin’Andriamanitra izy, saingy tsy amin’ny hoe ny Tenin’Andriamanitra no nisintona avy taminy ny fomba aman-toetra maha Andriamanitra Azy, fa amin’ny hoe avy amin’i Maria no nahazoan’ny Tenin’Andriamanitra ny vatana masina nasiana fanahy manan-tsaina hendry, tafaray ao amin’ny maha olona azy, ka izany no ilazana hoe: teraka araka ny nofo ny Teny”[15].
467. Ny « monophysites » dia nanamarina fa levona tamin’ny nizakany tao amin’ny maha Olona-Andriamanitra amin’ny maha Zanak’Andriamanitra Azy, ny fomba aman-toetra maha olombelona tao amin’i Kristy. Izao no nambaran’ny Kônsily ekiomenika fahefatra tao Chalcédoine tamin’ny taona 451, teo anatrehan’izany fampianaran-diso izany :
Eo am-panarahana an’ireo Ray masina, dia mampianatra amim-piombonan-kevitra izahay hanambara ampahibemaso ny Zanaka tokana sy Izy dia Izy ihany, i Jesoa-Kristy Tompontsika, iray fahalavorariana amin’ny maha Andriamanitra sy fahalavorariana amin’ny maha olombelona, ilay sady Andriamanitra marina tokoa no olombelona marina tokoa iray ihany, mitambatra ho fanahy manan-tsaina hendry sy vatana, iray fombam-pisia-maha izy amin’ny Ray araka ny maha Andriamanitra, iray fombam-pisia-maha izy amintsika araka ny maha olombelona, “mitovy amintsika amin’ny zavatra rehetra, afa-tsy amin’ny fahotana”[16]; teraky ny Ray talohan’ny taona rehetra araka ny maha Andriamanitra, ary amin’izao andro farany izao, ho antsika sy ny famonjena antsika, naterak’i Maria Virjiny, Renin’ Andriamanitra, araka ny maha olombelona.
Kristy tokana sy tsy miova, Tompo, Zanaka Lahitokana, no tsy maintsy ekentsika amin’ny fomba aman-toetra roa, tsy misy fifangaroana, tsy misy fiovàna, tsy misy fizarazarana, tsy misy fisaratsarahana. Tsy manafoana velively ny firaisan’izy ireo, ny faha-samy hafa ny fomba aman-toetra, fa vao mainka aza voaro sy voatambatra ho ao amin’ny olona tokana ihany sy ny fisia-maha olona tokana ihany ny toetra manokana an’ny tsirairay[17].
254 616 468. Taorian’ny Kônsilin’i Chalcédoine, ny olona sasantsasany dia nihevitra ny fomba aman-toetra maha olombelona an’i Kristy ho karazana foto-javatra momba ny olona manokana fotsiny. Ny Kônsily ekiomenika fahadimy tao Constantinople, tamin’ny taona 553, no nanambara ampahibemaso ho fanoherana azy ireo, hoe : “Tsy misy afa-tsy fisia-maha olona tokana ihany [na olona] izany, izay i Jesoa-Kristy Tompontsika, iray amin’ny Trinite”[18]. Koa ny rehetra ao amin’ny maha olombelona an’i Kristy àry dia tokony hampifandraisina amin’ny maha Olona-Andriamanitra Azy ho amin’ny foto-javatra momba Azy manokana[19], ka tsy ny zava-mahagaga ihany fa ny fijaliana koa[20] sy ny fahafatesana; izany hoe: “i Jesoa-Kristy Tompontsika, Ilay nofantsihana tao amin’ny nofo, dia Andriamanitra marina tokoa, Tompon’ny Voninahitra, ary Iray amin’ny Trinite Masina”[21].
469. Miaiky tahaka izany koa ny Fiangonana fa i Jesoa dia tena Andriamanitra tokoa sady tena olombelona tokoa tsy azo sarahina. Izy marina tokoa no ilay Zanak’Andriamanitra izay tonga olombelona, ka rahalahintsika, ary tsy mampitsahatra ny maha Andriamanitra Azy izany, izay Tompontsika:
“Maharitra amin’izay fomba aman-toetra efa tao Aminy Izy, sy mizaka ao Aminy izay fomba aman-toetra tsy tao Aminy”, hoy ny hiran’ny litorzia rômanina[22]. Ary ny litorzian’i Md Jean Chrysostome dia manambara sy mihira hoe: “Ry Zanaka tokana sy Tenin’Andriamanitra, ilay maharitra mandrakizay, nanaiky Ianao, noho ny famonjena anay, ho tonga nofo tao amin’i Maria, Reny masin’Andriamanitra sy Virjiny mandrakizay, Ianao izay tsy misy fiovaovàna, nefa tonga olombelona, sy nofantsihana teo amin’ny hazofijaliana, ry Kristy Andriamanitra, Ianao izay nandrava ny fahafatesana tamin’ny nahafatesanao, Ianao izay Iray amin’ny Trinite Masina, omem-boninahitra miaraka amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina, vonjeo izahay[23]!”
KFK 478. Nahalala sy nitia antsika rehetra sy ny isam-batan’olona i Jesoa nandritra ny fiainany sy ny fiadiany aina ary ny fijaliany, sy nanolo-tena ho antsika tsirairay: “Tia ahy ny Zanak’Andriamanitra ary nanolo-tena ho ahy” (Ga 2,20). Tia antsika rehetra tamin’ny fon’olombelona Izy. Noho izany, ny Fo masin’i Jesoa notrobahin’ny fahotantsika sy ho famonjena antsika[24], “dia heverina fa famantarana sy fanehoana an’ohatra ambony tokoa… an’izany fitiavana izany, izay asehon’ilay Andriamanitra Mpanavotra lalandava amin’ ny Ray mandrakizay sy amin’ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka”[25].
FAMINTINANA
479. Tamin’ny fotoana voalahatr’Andriamanitra, ny Zanaka Lahitokan’ny Ray, ny Teny mandrakizay, izany hoe ny Teny sy ny Endrika maneho ara-pisia-maha Izy ny Ray, dia tonga Nofo: tsy nahavery ny fomba aman-toetra maha Andriamanitra Azy ny nizaka tao Aminy ny fomba aman-toetra maha olombelona.
480. Tena Andriamanitra tokoa sady tena olombelona tokoa i Jesoa-Kristy, ao amin’ny firaisan’ny maha Olona-Andriamanitra Azy: noho izany, Izy no hany Mpanelanelana eo amin’Andriamanitra sy ny olombelona.
481. Manana fomba aman-toetra roa i Jesoa-Kristy, dia ny maha Andriamanitra sy ny maha olombelona, tsy mifangaro, fa miray ao amin’ ny maha Olona tokan’ny Zanak’Andriamanitra.
482. I Kristy izay sady tena Andriamanitra tokoa no tena olombelona tokoa, dia manana saina aman-tsitrapon’olombelona, mifanaraka amim-pomba lavorary sy manaiky ny saina aman-tsitrapony maha Andriamanitra Azy, izay ananany amin’ny firaisany amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina.
483. Noho izany, ny Fahatongavana ho nofo no misterin’ny firaisana amin’ny fomba mampitolagaga ny fomba aman-toetra maha Andriamanitra sy ny fomba aman-toetra maha olombelona ao amin’ny Olona tokan’ny Teny.
“Aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao …”
494. I Maria, tamin’ny filazana fa Izy no hiteraka “ny Zanaky ny Avo indrindra” tsy amin’ny fahalalana lahy fa noho ny herin’ny Fanahy Masina[26], dia namaly tamin’ny “fanekem-pinoana” (Rm 1,5) hoe : “Inty aho mpanompovavin’ny Tompo; aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao” (Lk 1,37-38), satria tsy nisalasala izy fa “tsy misy tsy hain’Andriamanitra atao”. Noho izany fankatoavany ny Tenin’Andriamanitra izany, dia nanjary Renin’i Jesoa i Maria, ary noho izy nanaraka tamin’ny fony manontolo, tsy voakasi-pahotana, ny sitrapon’Andriamanitra momba ny famonjena, dia nanolotra ny tenany manontolo tamin’ny Zanany sy ny tsanganasany, ka hanompo Azy sy hiankina Aminy ary hiaraka Aminy, noho ny fahasoavan’Andriamanitra, mba hanatanteraka ny misterin’ny Fanavotana[27]:
Araka ny voalazan’i Md Irénée, “noho ny faneken’i Maria, dia nanjary antony nahazoana famonjena izy, ho an’ny tenany sy ho an’ny taranak’olombelona rehetra”[28]. Tahaka izany, betsaka amin’ny Aban’ny Fiangonana tany aloha tany no niombon-kevitra taminy, nilaza hoe: “Ny olana vokatry ny tsy faneken’i Eva, dia voavaha tamin’ny faneken’i Maria; izay namatotra an’i Eva virjiny tamin’ny tsy finoany, dia novahan’i Maria Virjiny tamin’ny finoany”[29]; amin’ny fampitahana an’i Maria sy i Eva, dia antsoin’izy ireo hoe “ilay Renin’ny velona” i Maria, ary ambarany matetika hoe: “Avy amin’i Eva ny fahafatesana, fa avy amin’i Maria ny fiainana”[30].
[1] Mode – Optatif (Optionnel) Le mode « optatif » s’emploie généralement dans les conditions de « quatrième type », qui expriment un désir, un souhait pour qu’une action dont on ignore le résultat puisse se réaliser. Ce mode est très rarement utilisé dans le Nouveau Testament, car il n’était presque plus en usage à cette époque. Dans quelques cas, le mode optionnel est utilisé sans clause conditionnelle, pour exprimer le très fort désir de voir se réaliser l’action considérée. Ceci correspond à ce qui apparaît dans la phrase « mè genoito », traduit par « A Dieu ne plaise! » (Lc 20:16) (cfr. Note Bibleworks 10)
[2] DS 150.
[3] Md Grégoire de Nysse, or. Catech. 15.
[4] jer. Det 6,4-5.
[5] jer. Mk 8,34.
[6] Md Irénée, haer. 3, 19, 1.
[7] Md Athanase, inc. 54, 3.
[8] Md Thomas d’A., opusc. 57 in festo Corp. Chr. 1.
[9] jer. LH, tonon-kira amin’ny Vavaka harivan’ny alahady.
[10] jer. 1 Jo 4,2-3; 2 Jo 7.
[11] DS 125.
[12] DS 130.
[13] DS 126.
[14] DS 250.
[15] DS 251.
[16] jer. Heb 4,15.
[17] DS 301-302.
[18] DS 424.
[19] jer. efa tamin’ny Kôns. Ephèse : DS 255.
[20] jer. DS 423.
[21] DS 432.
[22] In Solemnitate Sanctae Dei Genetricis Mariae ; jer. Md Léon le Grand, serm. 21,2.
[23] Tononkalom-pivavahana : « O monoghenis ».
[24] jer. Jo 19,34.
[25] Pie XII, Enc. « Haurietis aquas » : DS 3924; jer. DS 3812.
[26] jer. Lk 1,28-37.
[27] jer. FF 56.
[28] Haer. 3, 22, 4.
[29] jer. ibid.
[30] FF 56.