Apostoly Martiry
25 jolay: Md Jakoba Zokiny
Apostoly Martiry
- 2 Kor 4, 7-15
- Salamo 125
- Md Matio 20, 20-28
Apostoly zanak’i Zebede sy Maria Salôme, zokin’i Joany ary zafin’olom-pirahavavy amin’i Jesoa Kristy. Mpanarato niaraka tamin’i Zebede rainy izy no nantsoin’ny Tompo ho tonga mpanarato olona, hanaraka Azy amin’ny lalan’ny Evanjely. Araka ny lovantsofina dia talohan’ny fetin’ny paka ny taona 44 (43?) izy no nosamborina ary notapahin-doha araka ny didim-pitsaran’i Herôda Agripà.
“Siny tany no hitondrana ny rakitry ny fahasoavan’Andriamanitra” hoy i Md Paoly. Ambaran’ny Prefasy amin’ny fankalazana ny Martiry moa fa ny “herin’Andriamanitra no hanampiany ny fahosan’ireo olomasiny sy hankaherezany ny halemeny hitsanganany ho vavolombelona” ka ny ra afoin’ny martiry dia mampiharihary izany heriny izany. Ny halehiben’ny herin’ny Evanjely izany no ankalazaintsika amin’ny fankalazana an’i Md Jakoba izao.
Fanirian’ny olona ny hahazo voninahitra. Ny renin’ny zanak’i Zebede, na ny marimarina kokoa, tsy ny reniny -Salome- fa i Joany sy Jakoba mihitsy no nangataka (Mk 10, 35-40) ho tanan-kavia sy havanan’i Jesoa ao amin’ny Fanjakany, saingy nolazain’i Matio hoe ny reniny mba tsy hanalana baraka azy roalahy izay tsy notononiny anarana akory, mbola veloma manko i Joany tamin’ny nanoratany ny Evanjely. Tsy mbola azon’izy ireo ny fampianaran’i Jesoa. Tahaka ny ankizy sasany hanao kômonio voalohany sy kônfirmasiô ihany io. Vitsy no mihevitra ny handà tena, hitondra ny hazofijaliana ka hiaina ny maha-kristianina isan’andro. Ny fety, ny sakafo sy ny fanomezana no mahamay ny sasany. Ny tsy hohadalaina amin’ny fianarana katesizy aza no ao an-tsain’ny sasany. Na ny maha-pretra aza, tsy afenina, fa indraindray tolona vao mahafola-tena hanompo tokoa araka ny Evanjely, indrindra rehefa tsy mifanaraka amin’ny sitra-pon’ny tena ny zava-misy takian’ny fitoriana ny Evanjely. Jesoa etsy an-daniny milaza ny hahafatesany, izy roalahy kosa eo an-kilany mbola mieritreritra ny seza fiandrianana ihany. Tsy fantany izay nangatahiny.
Iza no te hipetraka eo an-kavia sy an-kavanan’i Jesoa? Iza no te hihantona eo anilany amin’ny andro hanandratana Azy? Fantatsika fa jiolahy roa no teo. Mbola hisotro ny kapoaka (izay sazy ho an’ny mpanota Jeremia 25, 15; Izaia 51, 17; Salamo 75, 9) ihany izy roalahy fa tsy mbola amin’ity indray mitoraka ity aloha. I Jakoba maty martiry manodidina ny 41-44 tamin’ny nitondran’i Eroda Agripà I, araka ny voalazan’ny Asa 12, 2, izay efa natsiditsika teny ambony. Ho an’izay nanamboarana azy ny toerana, hoy i Jesoa. Ampahatsiahiviny isika fa tsy ny faniriana ny ho lehibe no ratsy fa ny fiheverana ny atao hoe lehibe no mety ho diso ka handiso koa ny fiainana sy ny fanantenana. Mandrafitra ny lalàna fototra tiany hijoroan’ny Fiangonany i Jesoa. Amporisihiny ho tonga “lohany” ny mpianany, saingy lehibe sy filoha hifaninana hifanompo.
Ny eo amin’ny Jentily, ny olona nahazo andraikitra hanompo ny vahoaka, mifehy azy fatratra, ary antsoina ho “mpanao soa”, sponsors (avy amin’ny teny latinina spondere, mampanantena am-pahibemaso) aza (jereo Lk 22,25). Ho an’izay te ho mpianatr’i Jesoa kosa, tsy ny fanjakazakana fa ny fanompoana no maha-lehibe, ka ny tanjona iombonana dia ny fanavotana ny olona rehetra, ary ny tambim-bidy hatolotra ho amin’izany (λύτρον lytron) dia ny tena manontolo. Tsy hamaly faty ny ratsy sanatria fa ho mpanavotra (גָּאַל, ga’al, jereo Joba 19, 25-27). Ny mpanavotra, “go’el” amin’ny teny hebrio, dia entina hilazana ilay havana mandray an-tanana ny trosan’ny olona iray (satria havany) tsy voalohany intsony, ka ny fandoavana izany (na ny fanolorana ny tena ho antoka aza) no hamerenana aminy ny taniny sy ny fahafahany ary hiarovana ny zony sy ny ainy. Izay te hanaraka an’i Jesoa araka izany dia tsy maintsy miditra amin’io toetsaim-panavotana io, ka ho tonga havan’ny olon-drehetra, indrindra ny mpanota, hanolotra hatramin’ny aina ho takalom-pahafahana ho azy ireo.
Ho vonona hisotro ny kapoakan’ny Tompo anie isika ka hataon’Andriamanitra sakaizany (Tononkira Kômonio).