25 janoary: fibebahan’i Md Paoly
- Asa 9, 1-22
- na Asa 22, 3-16 /
- Salamo 116/
- Md Marka 16, 15-18
Ankalazain’ny Fiangonana anio ny herin’ny fahasoavan’Andriamanitra nanova an’i Saoly, ilay nirìn’Andriamanitra ho Paoly, nanao ny tenany ho bitika mba hisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra. “Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra”: noraisin’ity Apostoly ity ara-bakiteny izany iraka izany satria raha ny kajikatsy nataon’ny mpahay jeografia dia maherin’ny 1000 kilometatra ny lalana vitan’i Paoly amin’ny dia (voyage apostolika) iray izay nataony in-telo farafahakeliny. Izao no nosoratany ho an’ny Korintiana (2Kor 11, 18-30):
“18Be àry no mirehareha araka ny nofo, ka dia mba hirehareha koa aho; 19sady hendry koa hianareo, ka mandefitra an-tsitra-po amin’ny adala. 20Eny, mandefitra tokoa hianareo, raha misy manandevo anareo, raha misy mandany anareo, raha misy maka ny anareo, raha misy mirehareha aminareo, raha misy mamely ny tavanareo. 21Menatra aho no milaza, fa izahay no nalemy.
Izay sahin’ny olona anefa, miteny toy ny adala aho, dia mba sahiko koa. 22Hebrio va izy ireo? izaho koa; Israelita va izy? izaho koa; taranak’i Abrahama va izy? izaho koa; 23mpandraharahan’ny Kristy va izy? hiteny toy ny olona very saina aho, eny, mihoatra noho izy aho amin’izany, dia amin’ny fisasarana manan-tombo, amin’ny tranomaizina manan-tombo, amin’ny kapoka manan-tombo lavitra, amin’ny fahafatesana matetika. 24Indimy aho, nokapohin’ny Jody inefa-polo latsaka iray avy; 25intelo nokapohina rotsa-kazo; indray maka, notoraham-bato; intelo, vaky sambo; indray andro sy indray alina, tao an-davaka lalina. 26Tany am-pivahiniana imbetsaka, matetika no saiky nidiran-doza, dia loza tamin’ny ony, loza tamin’ny jiolahy, loza tamin’ny iray firenena amiko, loza tamin’ny jentily, loza tao an-tanàna, loza tany an’efitra, loza tany amin’ny ranomasina, loza tamin’ny rahalahy sandoka; 27tamin’ny famonoan-tena sy fikelezana aina, tamin’ny fiaretan-tory matetika, tamin’ny hanoanana aman-ketaheta, tamin’ny fifadian-kanina matetika, tamin’ny hatsiaka amam-pitanjahana. 28Tsy hamisavisa zavatra maro aho, fa fanampin’izany, eo koa ny fiahiana isan’andro sy ny fikarakarana ny Eglizy rehetra. 29Iza no malemy ka tsy malemy koa aho? zovy no tafintohina ka tsy mirehitra koa aho? 30Raha mety ny mirehareha, dia ny amin’ny halemeko no hataoko rehareha.”
Fa amin’ny fitantarana ny fibebahany, henontsika amin’ny vakiteny voalohany dia heverina fa nataon’i Md Lioka fanahy hiniana ny namerina ny fahitan’i Saoly ny Hazavan’i Kristy ka nahenoany ny feony ary nampibebaka azy (ny vakiteny roa hisafidianana ary ny toko 26, 9-18. Amin’ireo fitantarana telo ireo anefa dia misy zavatra tsy itovizany. Ao amin’ny toko faha-9, i Lioka no mitantara ary nilaza fa i Paoly irery no lavo, ireo niaraka aminy tafatsatoka talanjona f nandre ny feo nefa tsy nahita olona na iza na iza; ao amin’ny toko faha-22 indray kosa i paoly no mitantara ny fibebahany amin’ny Jody ka nilaza fa tamin’ny mitatao vovonana iny dia nisy fahazavana nanjelatra nanodidina azy, lavo tamin’ny tany izy, ary ireo niaraka taminy dia nahita ny fahazavana fa tsy nandre ny tenin’izay niteny taminy; ao amin’ny toko faha-26 kosa indray anefa, eo anatrehan’i Agripà sy Festosa dia lazain’i Paoly fa hitany ilay hazavana ary nanodidina azy sy izay nomba azy, lavo tamin’ny tany avokoa izy ireo ary i Paoly no naheno feo tamin’ny teny Hebrio hoe nahoana no henjehiny ny Fiangonan’i Kristy.
Ireo tsy fidovizana ireo araka izany dia fanahy inian’i Lioka natao mba hanitona ny sain’ny mpamaky tsy handray an-tendrony fa handinika lalina. Ny zavatra itovizan’ireo tantara telo ireo manko dia hahafahana milaza fa ny tantaran’i Heliadora no ampiasain’i Lioka hanazavana ny fibebahan’i Md Paoly (azo vakiana ao amin’ny Boky faharoan’i Makabeo ao amin’ny toko fahatelo manontolo). Izay mihevitra ny “hitroatra hanohitra ny fanindronana” [fomba fitenenana grika moa io hilazana ny omby mamaly tsy hiasa ka hampitombo ny daroka (tsindrona) ho azo fotsiny] dia ho sasa-poana. Tahaka an’i Heliodora nikasa handroba ny haren’ny Tempoly saingy nosakanan’ny herin’Andriamanitra, i Paoly koa dia novan’ny fahasoavana ho apostoly, hitory ny voninahitr’Andriamanitra.
Izao no fitantaran’ny Bokin’i Makabeo izany: “Mbola manolotra sorona fifonana eo ny mpisorona (Oniasa), dia niseho tamin’i Heliodora indray ireo zatovo (ilay hazavana avy any an-danitra) ary nitsangana izy no nilaza taminy hoe: Omeo fisaorana lehibe Oniasa mpisorona lehibe, fa noho izy ihany no amelan’ny Tompo anao ho velona. Fa hianao kosa, rahefa nofaiziny toy izao, torio amin’ny olona rehetra ny fahefan’Andriamanitra lehibe (2Makabeo 3, 33-34). I Paoly kosa nilaza hoe: “Ampafantariko anareo, ry rahalahy, fa ny Evanjely izay notoriko taminareo, dia tsy mba avy amin’olombelona; fa tsy tamin’olombelona no nandraisako na nianarako azy, fa tamin’ny fanambaran’i Jesoa-Kristy. […] Nefa sitrak’Andriamanitra ilay nanokana ahy hatrany an-kibon-dreniko, sy niantso ahy tamin’ny fahasoavany, ny hanambara ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako azy any amin’ny jentily (Galata 1, 11.15).
Izay mahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra ihany no afaka hitory izany amin’ny hafa. Isika tsirairay avy dia efa mba samy nanenjika “izay hita fa manaraka ny lalana”, na manoro lalana. Ao ny zanaka miteny ratsy (mimenomenona) amin’ny raiamandreny, ny beazina amin’ny mpanabe, ary indraindray aza ny feon’ny fieritreretantsika no iezahantsika totofana mba tsy hitabataba ka hahafahana manao izay mahafinaritra sy mahafalifaly ny fo. Ny fandraisantsika ny hazavana, ny fiainoantsika ny feon’ilay tsy sasa-miantso antsika no hahafahantsika mampisokatra ny maso ka hahita ny lalan-kombana. Mety hila ny fitantanan’ny hafa isika, mety hila ny fitsaboan’i Anania, asan’Andriamanitra avokoa ireny. Fa ny fahasitranana feno dia amarinin’ny fahatsapantsika fa tsy ny herintsika fa ny fahasoavan’Andriamanitra no manavotra sy mandavorary ny fiainana: “Tonga tety an-tany ny Kristy Jesoa hamonjy ny mpanota, ary izaho no lohany indrindra aminy” (1 Timote 1,15).
Ny fitokisana izany herin’Andriamanitra izany no hahafahantsika matoky ny fampanantenan’i Kristy henontsika ao amin’ny Evanjely: handroaka demony amin’ny anarany, amin’ny fitoriana ny Teniny (Jereo zoma faharoa); amin’ny fiteny tsy mbola hainy no hanambarany fa fitiavana Andriamanitra; handray menarana (salamo 91, 13), handresy ny ratsy satria tsy hanam-pahefana amin’ny hazavana ny herin’ny maizina; hametra-tanana amin’ny marary izy dia ho sitrana ireny: Izay mino hoy i Jesoa dia hanao zavatra lehibebe kokoa noho ny nataony satria miakatra any amin’ny Ray izy ary mandefa ny Fanahy ho antsika (Joany 14,12). Ny fankalazana ny nibebahan’i Md paoly anie hahatsiarovantsika ny fibebahantsika tsirairay avy ka hahaizantsika mitantara ny lalana nitarihan’Andriamanitra antsika ho tonga amin’ny finoana ka haretantsika amin’izany