23 desambra
- Malakia 3,1-4.23.24
- Salamo 24
- Md Lioka 1,57-66
Mahalala antsika tsirairay avy Andriamanitra ary mahafantatra ny antsipiriam-piainantsika (Sal 138), ary isika tsirairay avy dia nofidìny ho fitaovana hampiitatra ny famonjeny amin’ny olombelona rehetra. Tsy afaka ny tsy haniry izany famonjena izany izay rehetra aterak’Andriamanitra ka mahatsiaro tena fa asan-tanany maha-te hidera sady mahatalanjona. Izy no mandefa ny irany, hamboatra ny lalana ho Azy. Izany faminanian’i Malakia izany (mal’āk, iraka) no lazain’i Jesoa fa tanteraka tamin’ny nahatongavan’i Joany Batista (Mt 11,10; Mk 1,2; Lk 1,7). Ary ho tonga tampoka ao an-tempoly ny Tompo tadiavinareo. Ny teny nadika hoe tampoka moa, dia pithom izay sady ilazana ny hafainganan’ny fahatongavany no hilazana koa fa eo akaikintsika eo Izy. Tsy kisendrasendra araka izany no nahatongavan’ny Tompo tampoka fa noho Izy eo akaiky eo, ho avy hanadio ny fontsika mba hahafahantsika manolotra sorona araka ny lalàna, izany hoe hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny fankalazana izay ataontsika. Izany no fanatitra ara-drariny. Ny fampodiana ny fon’ny ray amin’ny zanaka sy ny fon’ny zanaka ho amin’ny ray moa dia mba hitohizan’ny fiampitan’ny Lalàn’i Moizy izay nampahatsiahivin’ny mpaminany ao amin’ny andininy faha-22 izay tsy novakìna. Ny tsy fifankatiavana manko dia manakana ny fampitàna ny aina sy ny fampitàna ny Lalàna, ilay lalana mitondra amin’ny hasambarana natoron’Andriamanitra, ilay lalàna mitondra amin’ny fiainana sy ny fahasambarana (Dt 4,40).
Ny Evanjely izay mitantara ny fankalazana ny nahaterahan’i Joany Batista moa dia entina hitantarana ny fanomezana anarana azy. Ny anarana moa dia tsy vitan’ny hoe manambara ny mampiavaka ny olona iray (indrindra ho an’ny tatsinanana) fa hifandraisany ihany koa amin’ny tontolo ety ivelany, ka manambara ny prôgramam-piainana irìn’ilay manome ny anarana. Isika aza, hoy i Joany Apôstôly, ao amin’ny boky fanambarana nosoratany dia mbola handray ilay anaram-baovao izay fantatr’ilay nandray azy irery ihany (Ap 2,17).
Fa misy anarana iombonana amin’ny hafa, izay mety tsy hifanaraka amin’ny fiantsoana iantsoana antsika akory, vokatry ny fihainoana ilay rain’ny lainga (Jo 8,43sns) ka mety hahatonga antsika ho zanaky ny fahatezerana (Ef 2,3), taranaky ny menarana, araka ny filazan’i Joany Batista (Lk 3,7). Ny anarana tian’Andriamanitra iantsoana antsika rehetra anefa dia Joany: fanomezana, fahasoavana ombam-pitiavana avy amin’Andriamanitra. Ny olombelona rehetra, hatrany am-bohoka dia fanomezana, eny fa na dia zary fanafintohinana ho an’ny sasany aza izany ka hahatonga hatramin’ny fandavana izany fanomezana izany (fanalan-jaza, safidy tsy hiteraka, fankahalana ny hafa…). Ny porofo lehibe indrindra fa tsy tofoka ary tia antsika Andriamanitra, hoy ny olon-kendry iray, dia ny famelany ny olona hitombo eto amin’ity tany ity: ny zaza teraka iray dia mbola fanekeny ny hiara-dalana amin’ny olombelona.
Ny fiainana no fanomezana voalohany omen’Andriamanitra antsika, ary tiany mba hiainantsika hahafahantsika mandray Azy, Izy ilay hafenoan’ny fiainana sy fahasambarana. Ao amin’i Jesoa ilay “hany mpampiakatra” no hisantarantsika ny fampankaram-bady, fiombonam-piainana feno ao amin’ny fanjakan’ny Lanitra. Sambatra isika fa antsoiny handray anjara amin’izany, tsy ho mpanotrona fa ho toy ny ampakarina, miombona ho Eglizy.
Joany (Yôhānān) dia zanak’i Zakaria (Zekaryāh: Andriamanitra mahatsiaro) sy Elizabeta (‘Elîsheba‘ Andriamanitry ny fianianana): fanomezana avy amin’ilay Andriamanitra nampanantena, nihaino vavaka, tsy nivadika tamin’ny teny nomeny, fa tanterahiny amin’ny fotoana maha-mety azy kosa. Ho an’ny mpiara-monina, aleo ny anaran-drainy ihany no omena ny zaza, entina hilazana fa Andriamanitra mahatsiaro ihany ny Andriamanitsika, ao anatin’ny lisitry ny zavatra ataony isika, saingy tsy hay na hotanterahiny izany na tsia… Na i Zakaria aza nisalasala ny amin’ny fanatanterahan’Andriamanitra ny vavaka nataony.
Firifiry ny Kristianina no mino fa tia azy Andriamanitra saingy misalasala ka lasa miantsampy any amin’ny ody sy ny sikidy hitadiavana vahaolana amin’ny adim-piainana… Joany no anarany, efa eo am-pelatanantsika ny fahasoavana manana amby ampy hahasambatra antsika.
Ny Fanomezan’Andriamanitra no maha-sambatra antsika. Ny fahalalana fa fanomezana avy Aminy ny aina no mampisokatra ny lelantsika hidera Azy. Izay rehetra nataon’Andriamanitra eo am-pelatanantsika dia ampy hahasambatra antsika ka hanombohantsika ny fiderana Azy, dieny ankehitriny sy ho mandrakizay. Izany no hahafahantsika matahotra an’Andriamanitra, dia ilay tahotra santatry ny fahendrena (Sal 111,10), hahafahantsika manavaka ny tsara sy ny ratsy ary hampianatra ny olona fa ny tena famonjena dia ny famelana ny hadisoana, hahafahan’ny olona rehetra mizotra amin’ny fiainana vaovao hatrany, fiainana mihavao ao amin’i Kristy izay teraka mba honina eo anivontsika, ho antsika sy ho tonga sakafo hamelona antsika.
Hahazo faka ao am-pontsika koa anie ny fitiavana, ka ny fankalazana ny fahaterahan’i Md Joany Batista tantarain’ny Evanjely hanova ny fankalazantsika ny tsingerin-taona nahaterahana, hiderana an’Andriamanitra sy hanokanana ny fiainana, fanomezana avy Aminy, ho fanitarana ny voninahiny, amin’ny sehatra rehetra misy antsika, ary hanampy antsika hanomana tsara ny fankalazana izao Noely izao.