Sabotsy manaraka ny Lavenona
Mitohy ny fampianaran’Izaia manoro ny fomba hiainana araka ny sitrak’Andriamanitra ny fifadian-kanina: manesotra izay mampahavesatra ny fiainan’ny hafa, tsy manendrikendrika ary tsy manala baraka, mizara ny foto-pivelomana (aina, nephesh=נֶפֶשׁ) fa tsy ny ambin-tsakafo ho an’ny noana, mamelona ny fanahy miferin’aina…