2 janoary : Md Basile le Grand sy Md Grégoire de Nazianze.
- 1 Joany 2,22-28
- Salamo 97
- Joany 1,19-28
I Jesoa no Kristy. Izay no finoan’ny Apôstôly nahatonga azy ireo hanara-dia Azy. I Kristy, izany hoe ny Mesia, ilay afaka manavotra amin’ny fangejana mahazo. Niandry ny Mesia hanavotra azy i Israely, saingy noheveriny fa mesia hanavotra tamin’ireo mpanjana-tany nifandimby izany na tamin’ny tanan’ny Rômanina. Mahadiso hevitra ihany raha izany, satria olona iray voaheloka ho faty tamin’ny hazofijaliana, fomba fampijaliana rômanina, dia tsy afaka ny antsoina hoe Mesia araka izany foto-pisainana izany! Tsy mesia izany fa “olom-boaozona« .
Inty ny zanak’ondrin’Andriamanitra (hojerentsika rahampitso)! I Jesoa no ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra. Fa i Joany kosa no ilay feo avy any an’efitra. Ny fiekentsika ilay manao batemy amin’ny Fanahy no hidirantsika amin’ny fahazavana ka mahatonga antsika ho zanaka ao amin’ny Zanaka, hanaraka ny fampianaran’ny Fanahy izay raisintsika amin’ny fanosorana sy ny Sakramenta.
Tahaka ny Farisianina sy ny lehiben’ny Jody maniraka mpisorona sy levita koa isika. Miezaka mamotopototra ny momba ny batemin’i Joany, mandalina ny zava-misy, ary mandalina koa ireo valinteny telo nomen’i Joany: tsy izy no Mesia, ilay voahosotra; tsy izy koa no ilay Elia nandrasan’Israely hanomana ny lalan’i YHWH (Malakia 3,1) na dia lazain’i Marka aza fa izy no ilay Elia hampibebaka ny vahoaka (Mk 9,12//Ma 3,23) ary tsy izy no ilay mpaminany andrasana, ilay Moizy vaovao andrasan’Israely (Dt 18,15.18). Feo ihany i Joany ary feo miantso any an’efitra miangavy mba hanitsiana ny lalan’ny Tompo. Tsy milaza izy hoe “Izaho no” (egô ’eimi), izay atokana ho an’Andriamanitra, fa hoe “izaho feo” (egô phonè, tsy eo ilay matoanteny ’eimi), feo miantso any an’efitra (Iz 40,3), feon’ny olombelona rehetra ihany koa miantsoantso eo am-piandrasana ilay efa eo anivontsika ka tondroiny mba harahina. Tsy azo adinoina anefa fa tsy misy Teny azo ampitaina raha tsy amin’ny alalan’ny feo, ary ny feo dia mitondra ny “teny” tiany hambara mandrakariva.
Tsy mendrika hamaha ny kofehin-kapany akory aho, hoy i Joany: io fanalàna ny kapa io moa dia fomba iray entina hanalana baraka izay tsy mety handray ny andraikiny amin’ny fanambadiana ny vady navelan’ny rahalahiny efa maty (Dt 25,9-10) na fanaovana kiloloha. Azo heverina amin’izay lazain’i Joany amin’izany àry fa tsy mendrika ny hitaky ny zo hanambady izay hovadian’i Kristy Izy (Rt 4,7). I Kristy no mpampakatra ary ny fiangonana no ampakarina, ary izy “Teny tonga nofo” irery ihany no afaka mampakatra azy. Io ilay fampakaram-bady tao Kanà, lazain’i Joany Evanjelista ao amin’ny toko faharoa.
Tany Betania an-dafin’ny Jordany no nanaovan’i Joany batemy. Misy heviny manokana izany. Voalohany aloha mba hanavahana an’ity Betania ity amin’ilay Betania akaikin’i Jerosalema, tananan-dry Lazara, izay lavitra loatra an’i Kanà, ambaran’ny toko faha-2. Any am-pitan’ny onin’i Jordany, izany hoe mbola tsy any amin’ny tany nampanantenaina. Araka ny fanazavan’ireo mpandalina ny Soratra Masina dia tao “Ennon” akaikin’i Salima (Jo 3,23) ka tao Beth’Ennon izany, tranon’ny loharano, tao no nanaovan’i Joany Batemy. Lazain’ny altimètre (fandrefy haavon-toerana) fa 400 metatra ambanin’ny ivon’ny ranomasina izy io ary Betabara no iantsoana azy, amin’ny lalan’i Galaada, toerana iva indrindra eto ambonin’ny tany, ary araka ny lovantsofina dia heverina ho teo no niampitan’ny Zanak’Israely avy any amin’ny tany Ejipta ho any amin’ny tany nampanantenaina. Ny Batemin’i Joany, araka izany, dia mampahatsiaro antsika ny hasarobidin’ny fahafahana iantsoana ny zanak’Andriamanitra rehetra: hiampita ny ranomasina mena, hamakivaky taniefitra, hiampita an’i Jordany mba ho amin’ny tanin’ny fahafahana (Jôs 4,23).
Ny fanosorana noraisintsika, hoy i Joany Evanjelista no hampianatra antsika ny zavatra rehetra, tao amin’ny vakiteny voalohany. Afaka mihaino ny fampianaran’ilay Fanahy nananganana antsika ho zanany anefa isika raha maniry ny hiala marina tokoa amin’ny tanin’ny fanandevozana satria mahatsapa ny faharatsian’ny fahotana. I Jesoa no Mesia, ilay Andriamanitra miara-monina amintsika, tokana afaka mamonjy antsika, ilay zanak’Ondry manala ny fahotana, Izy no tonga hampakatra ho vadiny ny olombelona rehetra ao amin’ny Egliziny. Sambatra izay voaantso amin’ny fanasany.
Angatahontsika ny fahasoavana hiainana araka ny Fanahy, mba hitoerantsika mandrakariva ao amin’ny Ray sy ny Zanaka ka hahazoantsika ny Fiainana mandrakizay, santarintsika dia ny ety an-tany ka ho mandrakizay.