2 febroary: Ny nanolorana ny Tompo
- Malakia 3,1-4/
- Salamo 23/
- Hebrio 2,14-18/
- Md Lioka 2,22-40
40 andro aorian’ny fahaterahana araka ny lalàn’i Moizy (Lv 12, 1-8) dia mila miakatra any an-tempoly ny renin-jaza mba hidio, ary araka ny Boky Eksaody kosa, indrindra ny Eks 34,20 dia mila havotana ny lahimatoa rehetra amin’ny zanaka. Fanahy inian’i Md Lioka ve sa sanatria tsy fahaizana ny nanafangaro ny fanatitry ny fidiovana sy ny fanolorana ny zaza? Ataoko fa mba hilazany amintsika fa tsy azo avotana ny zanaka fa mijanona ho zanak’Andriamanitra mandrakizay, apetrany hokolokolointsika, ary i Jesoa kosa, natolotra mba ho “fahazavan’izao tontolo izao”, fahazavana hanilo ny Jentily (Tononkiran’i Simeona).
Dia izay no ankalazain’ny Eglizy amin’ny Fetin’ny 2 febroary, satria i Jesoa ilay masoandro miposaka mba hanazava ireo ao anatin’ny aloky ny fahafatesana (Lk 1, 78-79) no indro atolotra ka raisin’ireo niandry azy am-pitokiana: Simeona sy Ana. Fetin’ny fihaonana izy ity tany amin’ny taonjato faha-efatra tany fa taoriana kosa, ny taonjato fahafito dia lasa fetin’ny fidiovan’i Masina Maria izay nankalazaina ny hariva miaraka amin’ny labozia, ka nantsoina hoe “Candelora”, fetin’ny Jiro Masina.
I Jesoa no ilay masoandro miposaka mba hanazava ireo ao anatin’ny aloky ny fahafatesana (Lk 1, 78-79) no indro atolotra ka raisin’ireo niandry Azy am-pitokiana: Simeona sy Ana. Raha ny tena marina anefa, ny alin’ny Paka no ankalazana an’i Kristy fahazavan’izao tontolo izao, Izy ilay “hazavana natao hanilo ny firenena”, saingy tsy afa-misaraka ny misterin’ny fahatongavana ho nofo sy ny misterin’ny Paka nampisy heviny azy.
Mahalala antsika tsirairay avy Andriamanitra ary mahafantatra ny antsimpirihim-piainantsika (Sal 138), ary nofidiany isika tsirairay avy ho fitaovana hitaran’ny famonjeny ho an’ny olombelona rehetra. Tsy afaka ny tsy haniry izany famonjena izany izay rehetra aterak’Andriamanitra ka mahatsiaro tena fa asan-tanany maha-te hidera sady mahatalanjona. Izy no maniraka ny irany, hamboatra ny lalana ho Azy. Izany faminanian’i Malakia (מַלְאָךְ mal’ak, iraka) izany no lazain’i Jesoa fa tanteraka tamin’ny nahatongavan’i Joany Batista (Mt 11, 10; Mk 1, 2; Lk 1, 7). Ary ho tonga tampoka ao an-tempoly ny Tompo tadiavinareo. Ny teny nadika hoe “tampoka” moa, dia פִּתְאוֹם (pith’ôm) izay ilazana ny hafainganan’ny fahatongavany no hilazana koa fa eo akaikintsika eo ilay andrasana. Eo Izy fa tsy manao letrezana fa mandondòna, miandry ny fangatahantsika izay vokatry ny faniriana ho dioviny. Tsy kisendrasendra araka izany no nahatongavan’ny Tompo tampoka fa noho Izy efa eo akaiky eo, ho avy hanadio ny fontsika mba hahafahantsika manolotra sorona araka ny lalàna, izany hoe hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny fankalazana izay ataontsika. Izany no fanatitra ara-drariny.
Niandry ny Mesia Israely, saingy indrisy fa mpamonjy nifanaraka tamin’ny sitrapon’izy ireo no notadiaviny. Ambaran’i Lioka amin’ity sombin’ny Evanjeliny atolotry ny Litorjia hodinihintsika ity fa izay maharitra amin’ny vavaka sy ny fitiavana ihany no afaka hahalala ka hankalaza ilay Zanak’Andriamanitra, Mesia nirahiny hamonjy antsika, satria ireo ihany no manaiky hotarihin’ny Fanahy Masina.
I Simeona dia lehilahy marina sy tia vavaka ary niandry ny andro ampiononana an’Israely. Izay tsy maharitra, hoy ny Ntaolo dia vadin’ikotokely fa ny maharitra no vadin’andriana. Ny tsy faharetantsika anefa mety haniraka hioty salohim-bary mbola tsy matoy, mety haniraka antsika hitady lalana any an-kafa ka hampivily lalana, hanjary hitoky bebe kokoa amin’ny herin’olombelona fa tsy amin’ny herin’Andriamanitra. Tsy Mesia hitory teny na handray ny fahefana eo am-pelatanan’ny fahavalo no notrotroiny fa Zazakely menavava, tsy niteny tsy nivolana, marefo ka mbola hiandry ny hitomboany “fahendrena sy tena”.
Izay matoky fa tsy mivadika Andriamanitra no afaka higoka ny hafaliana avy amin’ny famangiany ka hiaina am-piadanana. Ny vavaka sy ny fiainam-pahamarinana mifanaraka amin’izany no lalana mitondra amin’izany fitokisana izany. Tsy maintsy mandalo amin’ny fanapahan-kevitra hentitra sy matotra anefa, satria i Jesoa dia ho zary famantarana hotoherina mba hiseho ny hevitry ny fo maro (Lk 2, 35).
Izany hevitry ny fo izany no hahafahana mahazo ka handray ny torohevitr’i Joany amin’ny Taratsiny voalohany: aza tia an’izay tontolo izao na ny zavatra amin’izao tontolo izao, izay zavatra mandalo ihany, fa hikatsaka ny sitrapon’Andriamanitra izay manorina sy mampaharitra antsika ao amin’ny fitiavany mandrakizay. Tsy misy lalana hahafahana mahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra ka handresena ny ratsy anefa raha tsy amin’ny fiezahana hahalala an’Andriamanitra bebe kokoa, amin’ny fampitoerana ny Teniny ao am-pontsika ka hamelantsika Azy haninteraka sy hanova ny fiainantsika. Ny Fahalalana Azy no fiainana mandrakizay (Jo 17, 1ss)
Sokajian’i Joany telo ireo ratsy manandevo ny olona (1 Jo 2, 16): ny “filan’ny nofo” moa dia entiny hilazana ny filàn’ny vatana izay efa tsy voafehin’ny olona intsony; ny “fitsiriritan’ny maso” te hahazo izay rehetra tazany, ἐπιθυμία (epithumia) no ampiasain’i Joany, amin’ny hoe filan’ny nofo sy fitsiriritan’ny maso, izany hoe faniriana miverimberina ka tonga fijaliana ny tsy fahatanterahany, ny fototen’io matoanteny io dia θύω (thuo), misy heviny roa: manao sorona (sacrifier) sytezitra (s’emporter), ka rehefa tsy mahazo izay ilainy araka izany ny nofo sy ny maso dia mety ho sorena na sanatria an’izany aza hahavita hanadino ny fitiavan’Andriamanitra mba hahazoana ny zavatra irina; ny zavatra fahatelo mampanalavitra amin’ny fitiavan’Andriamanitra dia ny “rehaka amin’izao fiainana izao” (ἀλαζονεία alazoneia), ny fitokisana amin’ny haren’ny tany hireharehana amin’ny mpiara-belona ka mampivily lalana tsy hitokisana intsony amin’Andriamanitra.
Nolazaiko moa izany satria voalaza ihany koa fa andro natokana ho an’ireo olona nanokan-tena ny 2 febroary. Tsy ny relijiozy ihany anefa no antsoina hanokan-tena fa ny kristianina rehetra, izay te hizotra ny lalam-pahasambarana. Izay mahita an’i Kristy ka mandray Azy ho Fahazavana no afaka hilaza tahaka an’i Simeona fa afaka mandeha am-piadanana amin’izay. Ny fahitana ny famonjen’Andriamanitra no mahafeno fatra ny fiainana. Mpaminany, izany hoe mpanoro lalana ihany ny Relijiozy sy ny mpanokan-tena fa torolalan’ny Evanjely mahasambatra ny olona rehetra no atoron’ny Eglizy hiainana ao amin’ny voadin-dRelijiozy. Hivavahantsika mba hahafahan’ireo manokan-tena rehetra manandrana ny tena hasambarany ao amin’ny fanatontosana ny voady nataony (Sal 56,13; Jon 2, 10)
Modely ho amin’izany fikatsahana sy fanananterahana ny sitrapon’Andriamanitra izany ilay mpaminany vavy tao an-tempoly : Ana, ilay “nosoavin’Andriamanitra” (חַנָּה), zanak’i Fanoela (פְּנִיאֵל Peniy’el, endrik’Andriamanitra) avy amin’ny fokon’i Asera (אָשֵׁר ‘Asher, sambatra, na ny marimarina kokoa, avy amin’ny foko izay mizotra amin’ny lalam-pahasambarana araka ny matoanteny hoe אָשַׁר ‘ashar). Izy dia nanokana ny tenany ho an’ny vadiny 7 taona, ary rehefa maty vady dia tsy maimay tahaka ny vehivavy sasany nolazain’i Md Paoly hoe maty vady tanora (1 Tim 5, 11) fa nijanona nivavaka tao an-tempoly, ary efa 7X12 taona izy izao, hilazan’i Lioka ny fahamatoran’ny fitiavany, eny fa na dia anisan’ny fokon’i Asera izay foko kely indrindra ao amin’Israely aza izy. Izy no ilay Israely-Vady, izay tokam-po tahaka ny siny, naharitra tsy nivadika tamin’ny fitiavana. Sambatra ny toa azy, madio fo, fa afaka hahita an’Andriamanitra, haharitra amin’ny fifadian-kanina sy ny vavaka, izay fanefitry ny fitsiriritana satria hahaizana mamola-tena sy manitsy ny faniriana mba hizotra mandrakariva amin’ny lalam-pahasambarana atoron’ny Tompo. Efa miara-maty amin’i Kristy ny amin’ny fahotana isika, hoy i Paoly (Kôl 3) ka tokony hitondra tena mendrika ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina sy malala (and. 12).
Ny fanambaran’i Simeona ny misterin’ny “hazofijaliana” no nahafahany nidera an’Andriamanitra tsy nandiso ny fanantenany. Ampahatsiahivin’ny Papa François fa “Ao anatin’ny fijaliana no tena hahatsapantsika fa avy amin’ny Tompo ny fanantenana rehetra, ka noho izany dia fanomezana tokony horaisina sy hokolokoloina alohan’ny zavatra rehetra izany, ka hitoetra ho “mahatoky amin’ny tsy fivadihan’Andriamanitra…
… Ny toerana iharetana ny fijaliana matetika dia toerana fifampizarana izay mampanan-karena ny andaniny sy ny ankilany. Impiry isika no mianatra manantena eo an-dohafandrian’ny marary! Impiry no mianatra mino amin’ny fijoroana eo akaikin’ireo mijaly! Impiry no mahita ny atao hoe fitiavana amin’ny fiondrehana hijery ireo mila fanampiana! Izany hoe, tsapantsika fa “anjelin’ny” fanantenana isika, irak’Andriamanitra antsoiny hifanampy, isika rehetra[…] any amin’izay misy antsika (Hafatra andron’ny marary 11 febroary 2025).
Izay mahatsapa fa ny fahotana dia manandevo fa tsy mahasambatra no afaka hisaotra an’Andriamanitra fa ny fahaterahan’ny Zanany Lahitokana no hanafaka antsika sy hitondra antsika amin’ny tena fahafahana marina. Manoloana ny misterin’ny Hazofijaliana, izay fandavoana sy fanarenana ho an’ny maro amin’Israely, dia voaantso isika rehetra, mba hahatsapa fa fahalavoana ny filomanosana amin’ny tontolon’ny ota ary fiarenana kosa ny fametrahana ny fitokisana eo an-tanan’ilay nanaiky hofantsihana ho antsika. Manoloana ny Hazofijaliana, manoloana ny fijaliana rehetra, tahaka an’i Masina Maria, dia tanterahin-tsabatra ny fanahintsika, ka miseho amin’izay maha-izy azy : na ho amin’ny fitiavana na amin’ny fitiavan-tena.
Raha tena te hahalala ny tenantsika isika, araka izany dia tsarovy ny fomba fitondran-tena ao anatin’ny hatezerana sy ao anatin’ny fijaliana. Ireny fotoana ireny no hahafahana manao dingana lehibebe kokoa amin’ny fanamasinan-tena.
Amin’ny Evanjely i Md Lioka no mamarana ny fampidirany ny Evanjeliny ka hahafahan’izay manohy mamaky azy hahazo ny hevitr’izay nosoratany mba hinoantsika fa i Jesoa no ilay “Zanak’Andriamanitra” (Lk 1, 32-35), Zanaky ny Avo indrindra (Lk 1, 32), Mpamonjy teraka, dia i Kristy Tompo (Lk 2, 11), hazavana hanilo ny Jentily sy voninahitr’Israely (Lk 2, 32), ho famantarana hotoherina (Lk 2, 34), kanefa fanalana alahelo (Lk 2, 25) sy fanavotana an’Israely (Lk 2, 38). Izany rehetra izany anefa dia ambaran’ny mpanoratra ny Evanjely fa ao anatin’ilay fiainana maha-olombelona an’i Jesoa. Izany no fiekem-pinoana namafisintsika nandritra ny Noely, fety mifamatotra amin’ny fety anio, 40 andro aorian’ny nahafaterahan’i Jesoa araka ny efa voalaza, satria ilay Zanak’Andriamanitra, Andriamanitra avy amin’Andriamanitra, nisy talohan’ny taona rehetra dia tonga olombelona mitovy amintsika amin’ny zavatra rehetra. Izy no ilay Teny Andriamanitra, ka tonga nofo mba hiara-monina amintsika (Jo 1).
Izay mahatanteraka ny zavatra rehetra araka ny lalan’ny Tompo no ho afaka hiditra amin’ny hafenoan’ny fahendrena sy honenan’ny fahasoavan’Andriamanitra (χάρις charis). Telopolo taona tao anatin’ny fahanginan’i Nazareta, no mandrafitra izany misterin’ny fahatongavana ho Nofo izany, nianaran’ilay “zanak’i Maria” sy Josefa ny fanekena, nitomboany fahendrena sy tena, ka nandrosoany mahate-ho tia tamin’Andriamanitra sy tamin’ny olona (Lk 2, 51-52) ka hahafahantsika mihanoka ao anatin’ny taom-pahasoavana ankehitriny.
Ny Jiro masina entina maneho ny Faminanian’i Simeona momba ilay fahazavana hanilo ny Jentily dia hahatsiarovantsika mandrakariva an’i Kristy Masoandrom-piainantsika.
Tsara ho marihina anefa fa manana hafatra ambara amintsika koa ny labozia arehitra sy tazonina, manavao ilay jiro natolotra antsika ny andron’ny Batemy, dia ilay Kristy fahazavana. Manam-petra ihany koa anefa ny firehetan’io famantarana io, mampahatsiaro antsika izay lazain’i Md Joany hanararaotana hanaovana ny asan’Izay naniraka antsika raha mbola antoandro: “fa ho avy ny alina izay tsy azon’olona na iza na iza iasana” (Jo 9, 4); sy ny lazain’ny Taratasy ho an’ny Hebrio hoe: “mifamporisiha isan’andro, dieny mbola misy izay atao hoe « anio », mba tsy hisy hihamafy fo aminareo, noho ny famitahan’ny fahotana” (He 3,13). Tsy ho sanatria hangataka andro na hanjehy ny andro ho lava isika amin’ny fanaovana asa soa, izay mampiavaka ny zanaky ny hazavana.
Andro natokana ho an’ireo nanolo-tena manokana ho an’Izy Tompo (Relijiozy sy laika amin’ny institut séculier) koa anio, araka ny voalaza teny ambony. Misy heviny ny Fiainan’izy ireo rehefa tonga famantarana maneho an’i Kristy ilay Madio, Mahantra ary Manaiky, ka ho fahazavana hitarika ny olona hanantona an’i Kristy. Tsy sakana velively hanehoana ny famindrampo sy ny fitiavan’Andriamanitra ny halemen’olombelona, fa vao mainka aza hanamafy ny fitokisana sy ny fiankinam-po amin’ny fahasoavana, mahatsiaro tena fa « raha tsy Izy tsy mahefa na inona na inona » isika (Jo 15, 5), hany ka sady miatrika sy miaky ny fahalemen’ny tena no mizaka sy mahalefitra ny fetran’ny hafa, saingy tsy sasatra mitalaho ny fahasoavana, mba hahatongavana ho jiro manazava ny haizina ateraky ny fahotana eo amin’izao tontolo izao,
Angatahontsika amin’Andriamanitra mba hanomezany Relijiozy vonona sy mahafohy tena ho vavolombelon’ny fitiavany ao amin’ny Egliziny, dia olona resy lahatry ny fandresen’i Kristy ny fahotana sy ny fahafatesana, hanao ho vaindohan-draharaha ny famelomana ny fianam-panahy, indrindra ny fandraisana isan’andro ny Soratra Masina mba ho vakiana sy hodinihana mba hanovozana ny fahalalàna lalina an’i Jesoa Kristy (Fil 3, 8), sy ny fankalazana ny fanompoam-pivavahana, indrindra ny Eokaristia Masina, Mistery lehibe, izay loharano tovozin-tsy ritra hahazoana hery hitiavana ny ratsambatan’i Kristy rehetra, hanajàna ny Mpiandry ondry izay mitondra ho toy ny raiamandreny ary hiray aina sy hiray hevitra amin’ny Eglizy bebe kokoa hatrany ary hanolo-tena hanao izay anirahana ny Eglizy (jereo Perfectae caritatis 6) ka hahatarika olona maro ho amin’ny tena fahalalàna an’Andriamanitra.
Ny fankalazantsika ny Eokaristia amin’izao Fetin’ny nanolorana ny Tompo izao anie hampitombo antsika koa amin’ny fitiavana an’Andriamanitra.