19 desambra
Bokin’ny Mpitsara 13, 2-7-24-25a/ sal 70 / Md Lioka 1, 5-25
Ambaran’ny Evanjely anio fa tamin’ny andron’i Herôda, Mpanjakan’i Jodea no nisehoan’ny tantara. I Herôda dia azo heverina ho anisan’ny Mpanjaka nanana ny lazany sy nampiseho ny fahefany tamin’ireo zavatra nahoriny, ary mbola tsy rava mandraka ankehitriny. Eo anatrehan’ny fahefan’olombelona, eo anivon’ny vahoaka nofidiany manokana, tsy hoe mendrika sanatria, fa notiaviny manokana (Det 7, 7) no isehoan’i Gabriely, ilay herin’Andriamanitra, hampahatsiaro antsika ny. Fitiavany ho an ‘ny olombelona rehetra, fitiavana tsy mivadika, hahafahana mandresy ny tahotra.
Ny fanambarana ny fahaterahan’i Joany Batista dia manampy antsika hahazo ny halehibeazan’ny Fanambarana momba an’i Kristy sy hitondra antsika amin’ny antony nanoratan’i Md Lioka ny Evanjeliny: hanao fanadihadiana mari-pototra mba hahamafy orina ny fampianarana momba an’i Jesoa, ilay Kristy.
Ny hany fanirian’ny Mpisorona sy ny taranak’i Levi dia ny ho voafidy hanolotra ny emboka ao amin’ny Tempoly. Indray mandeha amin’ny fiainana no hahafahana manao izany, ka miandry ny anjaran’ny fianakaviany vao afaka safidiana indray, ary i Zakaria efa nahazoazo taona ihany, avy amin’ny fianakavian’i Abia (Andriamanitra dia Ray), izany hoe ny fahavalo amin’ireo antoko 24 (ἐφημερία) nizaran’i Davida ny Mpisorona mba hanompo ao an-tempoly mandritra ny herinandro (I Tantara 24, 10). Lazain’i Lioka anefa fa voatendrin’ny loka izy hanolotra ny emboka, ary rehefa vita ny fisoronana dia tokony hitsodrano ny vahoaka miaraka amin’ny lehiben’ny Mpisorona, araka ny fomba. Izay no antony niandrasan’ny vahoaka rehetra nivavaka tao alatrano.
Ny loza anefa dia moana izy rehefa avy nivoaka avy ao, rehefa avy nolazain’ny Anjely fa hiteraka ilay Elia (araka ny faminanian’i Malakia 3,24), hialoha lalana ny fiavian’ny Mesia. I Gabriely, ilay Herin’Andriamanitra no nampita ilay Vaovao Mahafaly, ka ny famantarana nolazainy dia ny fahataperan’ny tso-drano nifandovana ao amin’ny Testamenta Taloha: moana ilay tokony hitsodrano.
Amin’ny famaranana ny Evanjeliny dia ambaran’i Md Lioka mazava fa i Jesoa niakatra any amin’ny voninahitr’Andriamanitra no manome antsika ny hafenoan’ny tsodrano izay mameno hafaliana ny fontsika ka tsy hialantsika ao an-tempoly hankalaza an’Andriamanitra (Lk 24, 50-51). Izay mino azy mitsangan-ko velona no afaka hitory ny Evanjeliny, izay mitady famantarana dia ho moana ihany tahaka an’i Zakaria.
Zakaria (זְכַרְיָה Zekaryah) moa ny heviny dia hoe “Tsaroan’Andriamanitra”, satria tsy afaka ny hanadino ny zanany Andriamanitra Rainy (Abìa). Elizabeta (אֱלִישֶׁבַע ‘Eliysheba`) kosa azo adika hoe “Andriamanitry ny fianianana”. Ambaran’i Md Lioka fa samy marina teo anatrehan’Andriamanitra i Zakaria sy Elizabeta, no sady nitondratena tsy nanantsiny tamin’ny didy sy ny tenin’ny Tompo rehetra, kanefa tsy nanan’anaka. Nankaiza ny fahatsiarovan’Andriamanitra ny fianianana nataony? Inona no hafaliana ho azony amin’ny fahamombàna?
Ao amin’ny Jenezy (Jen 1, 27) dia זָכָר Zakar no iantsoana ny lehilahy, נְקֵבָה neqebah kosa ny vehivavy. Zakaria sy Elizabeta kosa no mamarana ny tantaran’ny Patriarka momba, niantomboka tamin’i Abrahama sy Sarà sy ny hafa koa (Jen 18, 1-15; 25, 21ss; 30, 22ss; Mpitsara 13, 1ss; 1 Samoela 1, 1ss), izy ireo no maneho ny olona miaina sy mivelona amin’ny fahamarinana kanefa entin’Andriamanitra manambarana fa ny heriny irery ihany no hahafaka ny tahotra sy hahafeno fatra ny hafaliana, ho hafaliana ho an’i Zakaria fa ho hafaliana ho an’ny maro hafa koa (and. 14).
Mampalahelo ny maheno olona mitaraina fa tsy mandeha araka ny faniriany ny fiainana satria miangatra Andriamanitra, na sanatria an’izany sazin’ny fahotana efa vita, ka mila mionona. Tsy miankina velively amin’ny fahamendrehantsika ny safidin’Andriamanitra. Tsy misafidy ny mendrika Izy, hoy i Md Augustin, fa manome fahasoavana hahamendrika izay nofidiny mba hanatanterahany ny asam-pamonjena kasainy atao ho antsika, sy amin’ny alalantsika tsirairay avy.
Hanampy antsika hatoky izany herin’Andriamanitra (Gabriel) mitantana ny zavatra rehetra izany anie ny fiomanana amin’ny Noely, ka hahaizantsika miandry am-pitokiana ny fotoana hisehoan’ny voninahiny ho fiadanantsika.
Ry Solofon’i Jesea, Ianao ilay faneva fitarihana ny olona ka mampitampim-bava an’ireo Mpanjaka atrehinao, avia aza ela mba ekeo ny talahon’ny vahoaka miantso vonjy (Grandes O).