18 desambra
Jeremia 23, 5-8 / Sal 71 / Md Matio 1, 18-24
Ny salamo setriny dia vavaka tokony hataontsika isan’andro ho an’ireo mpitondra antsika :
Andriamanitry ny fahamarinana o, omeo izay voafidy hitondra anay, ny fahaiza-mitsara ara-drariny. Izy hanafaka ny malahelo, ny mahantra sy ny ory hovonjeny, hotsimbininy hatrany ny osa.
Miandrandra famonjena ny vahoaka, hatramin’ny naha-tany ny tany, tsy misy vanim-potoana tsy nampangetaheta fahamarinana ny vahoaka, hivavahana mba hisy mpitondra hendry, hanao ny hitsiny sy ny rariny amin’ny tany. I Jesoa no fahatanterahan’izany faniriana sy fampanantenana izany. Izy no ilay Zanaka ateraky ny Virjiny, hanafaka ny olona amin’ny fahotana. Tsy ny fanoloana ny olona no hampiova ny firenena na ny tsy fandriam-pahalemana fa ny fialana amin’ny fahotoana. Raha tiantsika ny handry fahalemana sy hiadana dia ny fahotana no hiadiantsika mafy.
“Aza matahotra ny hampakatra an’i Maria vadinao”.
Ny Evanjely anio dia manamafy ny finoana ny nahatongavan’ilay Zanak’Andriamanitra ho nofo tao an-kibon’i Maria, noho ny herin’ny Fanahy Masina. I Josefa (יוֹסֵף Yoseph, Andriamanitra hanampy, ajoute) no ilay lehilahy marina, manokatra ny lalana hodiavin’izay rehetra mino ilay Teny Tonga nofo ka omeny ny fahefana maha-zanak’Andriamanitra (Jn1, 12). Antsoiny isika hamonjy ny aina, hihay ny zanany, hanome azy ny anarana hahatsiarovana fa mamonjy antsika Andriamanitra, Jesoa, miara-mitoetra amintsika mandrakariva izy.
Ambaran’i Matio ihany koa anefa ankoatra ny famerimberenana ny tsy fisian’ny firaisana teo amin’i Maria sy Josefa (and. 18.25) mandra-piterany ny zanany, fa tsy afaka ny handray an’i Jesoa, ho tonga nofo iray aminy, ho tonga iray razana aminy (hiara-mandova ny fanjakany) raha tsy manaiky handray an’izay efa nanaiky sy nino ny teny ka nahatonga azy ho nofo tao an-kibo toa an’i Masina Maria. I Md Joany moa manome antsika izany fiombonana izany amin’ny fandraisana azy ho reny, satria i Maria no fahatanterahan’ny fampanantenana rehetra natao tamin’Israely, izy no ilay Siona Vaovao, ilay Eva, renin’ny aina nahazoantsika ny Tompon’ny aina.
Izay te ho tonga kristianina araka izany, tahaka an’i Josefa, tahaka ilay mpianatra malala, eo am-pototry ny Lakroà, dia tsy maintsy mandray an’i Maria, manaiky ho vadiny, manaiky ho zanany, izany hoe manaiky hitovy aminy amin’ny fandraisana sy fanekena ny sitrapon’Andriamanitra. Ny maha-olo-marina an’i Josefa koa anefa dia hahafahantsika mandray am-pitiavana ny fahasoavan’Andriamanitra. Indraindray heverintsika fa tsy rariny ny ho “ray” hanome anarana ny zanak’Andriamanitra, ka aleo miala mangingina. Ny fahasoavana sy ny fitiavan’Andriamanitra anefa dia tsy hifanaraka amin’ny fahamendrehantsika na oviana na oviana fa fanomezany maimaim-poana mandrakariva.
Ao anatin’ny torimaso no nitenenan’Andriamanitra taminy, tahaka an’i Jakoba (Jenezy 28, 10ss) ary tahaka an’i Elia (1 Mpanjaka 19, 1ss), ary ho an’ny Apostoly nitsoaka koa dia tao amin’ny “fatorian’ny Zanany” no nanambarany ny fara-fitiavany. Tsy nofy “nofinofim-paniriana fotsiny anefa izany, fa ilay “torimaso” hilazan’ny maha-olona tahaka an’i Elia hoe : ”ampy izay” (1Mpanjaka 19, 4) ka hahafahan’Andriamanitra mandray an-tanana ny zavatra rehetra ka maniraka antsika ho fitaovana hoentiny maneho ny fitiavany ny olon-drehetra.
“matahotra aho”, hoy i Adama (Jen 3, 10). “Aza matahotra” hoy ny Tompo. Ny hanafaka antsika amin’ny fahotana no nolazain’ny Anjely fa iraka nanirahan’ny Ray Azy hiara-monina amintsika. Ny fialana amin’ny fahotana no hahafahantsika manavaka ny feon’Andriamanitra amin’ny fakam-panahy izay mety hihevitra ihany araka ny nofo. I Josefa lehilahy marina dia vonona hiaro ny aina, na ny an’i Maria na ny an’ilay Zaza aloaky ny kibony. Firifiry moa ny zaza tsy mahita masoandro noho ny herisetra sy ny fitiavan-tenan’ny ray na ny reny, noho ny tsy fahafahantsika intsony mandray izay manaiky hahatonga nofo ao aminy ny Teny, toa an’i Maria.
O ry Tomponay ô! Ilay tsinjon’i Moizy tao anatin’ny kirihitra sy nanolotra azy koa ireo didinao folo: avia miondrika, mba arovy amin’ny sandrinao mahery izahay.
Efa nogejain’ny fahotana hatry ny ela izahay ka enga anie havotan’ny zanakao lahitokana ho teraka ho anay (vavaka fangatahana).