Fankalazana manetriketrika an’i Masina Maria Virjiny Nampiakarina any an-danitra
15 Aogositra:
Fankalazana manetriketrika an’i Masina Maria Virjiny Nampiakarina any an-danitra
- Fanambarana 11, 19a; 12, 1-6ab. 10ab
- Salamo 44
- 1 Korintianina 15, 20-26b
- Md Lioka 1, 39-56
Ny 1 novambra 1950 no nanambaran’ny Papa Pio XII ny nampiakarana an’i Masina Maria « vatana sy fanahy » any an-danitra ho foto-pinoana katolika (dogme). Azo jerena ny Constitution apostolique Munificentissimus Deus (en anglais ou en italien). Ilay notorotoronina tsy azon-keloka dia sitrak’Andriamanitra handresy miaraka aminy, ka tsy foiny ho tra-pahalovana na ho sakafon’ny olitra fa nasandrany ho be voninahitra miaraka Aminy.
Ny Lumen Gentium 67 milaza fa tsy maintsy avy amin’ny finoana marina ny fanajana an’i Masina Maria, ka mitarika ny kristianina hiaiky ny fahamboniany sy haka tahaka ny hatsaram-panahiny. Ny fanajana an’i Maria dia tsy antony fa vokatry ny finoana an’ilay Andriamanitra nifidy azy ho Reniny, ka ilay Mahefa ny zavatra rehetra ve dia hamela ny kitapo nifonosana any am-pasana? Ambaran’ny Papa Pio XII fa lovam-panahy nifandovana tao amin’ny Fiangonana izany ary mazàva loatra fa ny tsy nisian’ny fanajana na fitadiavana ny reliques (sisan-taolana)-‘i Masina Maria dia porofo iray eken’ny saina fa tsy navelan’Andriamanitra hanaraka ny lalàna ankapoben’ny zavaboary ny Reniny fa nomeny fahasoavana manokana.
Ireo vakiteny amin’ny Fanompoam-pivavahana hankalazantsika ity fety ity (Sorona hariva mialoha: Tantara 15, 3-4. 15-16; 16, 1-2 // I Kor 15, 54-57 // Lk 11, 27-28 // Sorona Masina 15 aogositra : Apok 11 // Sal 44 // I Kor 15, 20-26b // Lk 1, 39-56) dia manampy antsika hahazo sy hiaina koa ny maha-isika antsika : voaantso hanara-dia an’i Kristy, haka tahaka an’i Marina Maria, ilay santa-bokatry ny Fiangonana, araka ny lazain’ny Konsily hoe : « Ankalazaina [i Masina Maria], fa tena ambony tsy manam-paharoa amin’ny samy ratsam-batan’ny Fiangonana ary ohatra igagana sy fakan-tahaka tapitr’ohatra amin’ny finoana sy ny fitiavana, ka toloran’ny Fiangonana fitiavana sy fanajana fanehon-janaka amin-dreny tena tia sy tsy mahafoy, araka ny fampianaran’ny Fanahy Masina » (LG 53).
Ilay zava-dehibe notanterahin’Andriamanitra tao amin’i Masina Maria, no nampisokatra ny fanahiny hidera ny halehibeazan’ny Voninahitr’ilay Mpamonjy azy (Lk 1, 39-56). Izany fahasambarana iantsoan’ny tarana rehetra an’i Maria izany anefa dia vokatry ny fahaiza-mankatò ny Tenin’Andriamanitra sy mitandrina azy, hoy i Jesoa (Lk 11, 27-28).
I Masina Maria ankalazaintsika androany satria nandray ny valisoa nampanantenain’i Kristy an’ireo izay azy (vak II I Kor 15, 20-26b) dia hery sy fanalana alahelo ho antsika satria « raha tamin’ny alalan’i Masina Maria no nanomezan’Andriamanitra antsika ny Mpamonjy, izay loharanom-pamonjena ho antsika, dia ho laviny ve ny hanome antsika izay fahasoavana hahafahantsika maka tahaka an’i Jesoa Zanany, noho ny vavaka ataon’ny reniny? »
Aza adinontsika ny famporisihan’ny Konsily milaza fa « ny tena fitiavana dia tsy fihetseham-po miserana sy tsy misy vokany, na sanatria finoanoam-poana, fa izay tena vokatry ny finoana marina, ka mahatarika antsika hankatò ny fahambonian’ny Renin’Andriamanitra sy hitaona antsika ho tia azy sy haka tahaka ny hatsaram-panahiny« .
Tsy hoe sanatria niangaran’Andriamanitra i Masina Maria fa asehon’ny Fiangonana kosa ho modely, ka na teo aza ny ngidim-piainana natrehiny tety amin’ity tany fandalovana ity, dia ny voninahitry ny lanitra kosa no valisoa nomena azy. Ny fanasatrohana satro-boninahitra azy ho Mpanjakavavy moa, dia araka ny fomba nahazatra teo amin’i Israely, ka ny Renin’izay voasandratra ho Andriamanjaka no misalotra io voninahitra io. Mpanjakavavy i Maria satria i Jesoa no ankalazaintsika ho mpanjaka mifehy sy mibaiko ny fiainantsika.
Kintana roa ambinin’ny folo no satro-boninahiny, hoy i Md Joany, milaza ilay vehivavy hiteraka ny Zanany lahimatoa hifehy ny firenena amin’ny tsora-by. I Maria dia tandindon’ny Fiangonana, vahoaka nofidian’Andriamanitra ho lovany, ka natsangany ho zanany ary mitafy an’ilay Masoandro tsy mety milentika, fahazavana avy any ambony dia i Kristy. Ny Fiangonana no miteraka an’ireo “Kristy”, olom-baovao, ary mijaly toy ny mihetsi-jaza mandra-pahary ny Kristy ao anatin’ny olombelona tsirairay (Gal 4, 19).
Amin’ny vakiteny II dia lazain’i Md Paoly fa i Kristy no santatr’ireeo izay efa nodimandry. Raha « dormition », fatoriana no ilazana ny fiakaran’i Masina Maria any amin’ny voninahitry ny lanitra, raha toa ka lalana tsy maintsy diavin’ny vatantsika ny « fatoriana » dia ilay ratsy kosa no nampiditra ny fahafateesana izay nanjary fijaliana sy loharanon’ny tahotra ho an’ny manana aina rehetra. Ny tahotra sy ny avonavona no nanosika an’i Adama tsy hanaiky izay voalazan’Andriamanitra ka tafiditra teto amin’izao tontolo izao ny fahafatesana. I Kristy kosa, nanaiky hatramin’ny fahafatesana no nampiditra antsika amin’ny fiainam-baovao, ary izay rehetra mihaino ka mitandrina, mampihatra ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fiainana no zary fianakaviany : rahalahy, anabavy ary reniny (Lk 8, 21). Sambatra i Masina Maria, akarina any amin’ny voninahitry ny lanitra, maty toy ny voa nafafy mba hamokatra, saingy tsy tratry ny fahalovan’ny fahafatesana satria « nino izay voalazan’ny Tompo taminy ».
Izay finoany izany no nahafahany nanaiky ho mpanompovavin’ny Tompo, anaram-boninahitra nampifanarahany tamin’ny fiainany, ka zary modely ho antsika amin’ny fiainantsika koa ny fiantsoana hiantsoan’Andriamanitra antsika ao amin’ny Egliziny. Ao aminy no hahafahantsika mibanjina ny hafalian’ilay « vady » mandao ny tranon’ny rainy, mandao ny fomba amam-panaony, ny foto-pisainana, izay mety ho rehareha sy kinasa, ka tsy hikatsaka afa-tsy ny hahafaly ilay Mpanjaka niantso azy ho « vadiny ». Sarotra ny miala amin’ny mahazatra raha sanatria adinontsika fa tsy misy lalan-kafa afa-tsy izany mba hahazoana ny fon’ilay Mpanjaka efa tia antsika (Sal 44).
Feno ny Fanahy Masina i Elizabeta dia niteny, nanandra-peo mafy. Inona no nolazainy? Nohasoavina ianao… nohasoavina ny hateraky ny kibonao. Izay feno ny Fanahy Masina no afaka mahita ny asan’ny fahasoavana na eo amin’i Maria na eo amin’i Jesoa. Izay entanin’ny Fanahy no afaka hibanjina ny asan’Andriamanitra ary hiaiky koa izay tanterahiny ao amin’ireo izay “sambatra” satria nino ka nampifanaraka ny fiainany amin’ny Tenin’Andriamanitra tahaka an’i Masina Maria (Jodita 13, 18-19.23).
Manandra-peo Elizabeta satria entanin’ny Fanahy. I Zakaria kosa moana satria nisalasala amin’ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra. Ny feon’izay “nohasoavina” no mampietan-kafaliana ny zaza tao an-kibon’i Elizabeta. Hafaliana mandrakariva, Evanjely no torian’izay manaiky hampifanaraka ny fiainany amin’ny Tenin’Andriamanitra satria matoky fa izany no lalana tokana hizorana amin’ny fahasambarana.
Amin’ny Vakiteny I dia voalaza fa miseho ao amin’ny Tempoly ny fiaran’ny Fanekena. Ao amin’ny Boky faharoan’i Makabe dia lazain’i Jeremia fa hiseho io fiaran’ny fanekem-pihavanana io, (2Mac 2, 7-8), ka amin’izany fotoana izany no hahafahana mibanjina ny voninahitr’Andriamanitra tahaka ny tamin’ny andron’i Moizy. Vata hazo nofonosina tamin’ny ranom-bolamena (Eksaody 25, 10) nitahirizana ny vavolombelona (עֵדוּת `edouth) nomen’Andriamanitra io fiaran’ny fanekena io, famantarana ny fitiavany tsy mivadika mandrakizay, ka araka ny lazain’ny taratasy ho an’ny Hebrio dia mana iray famarana (Eksaody 16, 32), ny tehin’i Aarona izay namelana ary ny Teny folo (decalogue) (Det 10, 4) no tao (Hebrio 9, 4). Nandritra ny fahababoana tany Babilonina moa no tsy nahitana intsony izay nalehan’io fiaran’ny fanekena io. Saingy isika, ao amin’i Maria ilay mitondra ao am-bohoka ilay “tena mofo velona nidina avy an-danitra”, ilay tana-maherin’Andriamanitra nanaiky handresy ny fahotana sy ny fahafatesana tamin’ilay hazo namoha dia ny Lakroà, ilay “faratenin’Andriamanitra” hilazany ny fara-fitiavany, no entin’i Maria ao am-bohoka.
Avy aiza amiko izao no mba vangian’ny Renin’ny Tompoko aho! Mampahatsiaro an’i Davida matahotra ny fahatongavan’ny Fiaran’ny Fanekeny ao an-tananany ihany koa no hafalian’i Elizabeta manoloana ny famangian’i Masina Maria (2 Samoela 6, 2-15), izay tsy niandry ny fanasoavana ny tranon’i Obed-Edom (Manompo masira) tany Gata tahaka an’i Davida vao hanaiky hampiakatra azy ao an-tananany.
Faly isika satria miara-monina amintsika Andriamanitra. Ambaran’ny Evanjely anio ny fiekem-pinoana voalohany amin’ny maha-renin’ny Tompo an’i Masina Maria. Ilay zaza vao miforona ao an-kibon’i Maria no ilay Tompo. Tsy fiekena ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa ihany anefa izany lazain’ny Evanjely amin’ny vavan’i Elizabeta fa fanambarana miezinezina fa ny zaza, hatramin’ny fitsaihana azy ao am-bohoka dia manana ny hasina maha-olona, nohariana haneho ny endrik’Andriamanitra, hampahatsiaro ny maha-Ray Mpahary Azy (צֶלֶם tselem), voaantso hitovy endrika aminy, haneho amin’ny hafa ny maha-fitiavana Azy (דְּמוּת demout). Mba avy aiza amiko izao no mba vangian’ny Renin’ny Tompoko aho. Nino i Elizabeta, ary amafisin’i Md Lioka ny finoan’ny Eglizy fa Tompo sy Andriamanitra ilay Zanak’i Maria. Izy no raisintsika isan’andro ao amin’ny Teniny sy ny Eokaristia, ao amin’ny sakramenta sy amin’ny fiombonana amin’ny Vatany Masina dia ny Eglizy.
Sambatra ilay nino fa tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminy. I Elizabeta moa, misolo toerana ny Testamenta Taloha manontolo, roarivo taona niandrasana, i Masina Maria kosa, misantatra ny fahatanterahan’izany, ho an’izay mino ka mampifanaraka ny fiainany amin’izany fitiavan’Andriamanitra izany, Testamenta vaovao (diathêkê ê. kainê) nanoratany ny Fanekem-pihavanany tsy mivadika mandrakizay. Izay mitady famantarana ny amin’ny hahatanterahan’izany dia ho tahaka an’i Zakaria ihany, tsy afaka ny hanambara na inona na inona (moana), ary tsy hahazo famantarana akory, saingy Andriamanitra kosa manohy ny fanatanterahana ny teniny. Izay mino kosa, dia hahay hioty ny hafaliana any amin’izay hamafazan’Andriamanitra azy, ary tsy hifampizara izany fotsiny fa hifanohana koa mba hitomboan’izany. Nijanona tokony ho telo volana tany i Maria vao nody tany an-tranony, hoy i Lioka (Evanjely 22 desambra). Tsy ny hitaiza ny zaza teraka no mahamay azy, fa tahaka ilay notiavina lazain’ny Tononkira ka nitsangana malaky, hiainga mba hifampizara ny hafaliana hatramin’ny hafenoany, amin’ny fahatanterahan’ny fampanantenana nataon’Andriamanitra, amin’ny fahaterahan’i Joany.
“Sambatra izay mino fa ho tanteraka izay nolazain’ny Tompo”, hoy i Elizabeta. Fahasambaran’i Maria io, fa fahasambaran’ny tsirairay amintsika ihany koa. Ny fahoriana sy izay mety ho tsy fahazoana ny tsiambaratelon’ilay Zanany dia neken’i Maria am-pitiavana sy am-pinoana mandrapahatongan’ilay maraina vaovao, nanome heviny ny zavatra rehetra: ny Paka.
Ny fahasambaran’i Maria no tian’ny Eglizy hiainan’ny zanany rehetra, ka isan-kariva dia satriny ny hianatra amin’i Maria, mba hidera ny Tompo, hibanjina ny halehibeazan’ny fitiavany tanteraka amin’ireo asany mahagaga. Tsy miankina amin’ny fahamendrehany sanatria ny famonjena fa fanomezana maimaim-poana avy amin’ilay Mahefa ny zavatra rehetra.
Ambaran’i Maria ireo asa mahagaga ataon’Andriamanitra entiny hilazana fa ny fahefana sy ny herin’Andriamanitra dia tsy entiny hanjakazakana na hanambaniana na hamaizana, fa hoentiny kosa mitaona ny zanany rehetra ho amin’ny fahamarinana sy ny famonjena.
Izany no tantarain’i Maria amin’ny famangiany an’i Elizabeta, ankalazaintsika anio, telo volana mialoha ny ankalazana ny nahaterahan’i Joany Batista. Hitombo ao amintsika anie ny fanajana an’i Masina Maria, amin’ny fianarana aminy ny fanekena ny sitrapon’Andriamanitra, indrindra amin’ny mafy sy izay mety hanahirana satria tsy mifanaraka amin’izay mety ho vinavina’olombelona.
Narindran’i Md Lioka ho tononkira ny fiainan’i Masina Maria, ary hiraintsika isan’andro izany: notsilovin’Anidriamanitra ny fahambaniantsika, nahefa asa mahery tamin’ny sandriny Izy, ary nahefa zava-dehibe amintsika tsirairay avy. Inona tokoa ary ny zavatra notanterahin’Andriamanitra ao amintsika? Inona ny fahasoavana atobany amintsika? Izay mahatsapa izany ihany no afaka hankalaza Azy. Raha tsy izany dia ho zary fanompoan-tsampy ny vavaka ataontsika, tsy fiderana fa fidradradradrana, hitalahoana valisoa sy fanambinana. Na mbola tsy mangataka aza anefa isika dia efa fantany izay mahasoa. Ray Andriamanitra ka mitsinjo ny zanany rehetra.
Tsy hoe sanatria niangaran’Andriamanitra i Masina Maria fa asehon’ny Fiangonana kosa ho modely, ka na teo aza ny ngidim-piainana natrehiny tety amin’ity tany fandalovana ity, dia ny voninahitry ny lanitra kosa no valisoa nomena azy satria “zanaka mendrika andova ny fanjakana izy”, nino sy natoky mandrakariva ny fitiavan’ny Ray. Voaantso hanahaka azy avokoa isika rehetra.
Izany finoana izany no hahafahana mihira ny tononkiran’i Maria eto am-pamakivakiana ity tany “lohasahan-dranomaso” ity. Ny Litorjian’ny Eglizy dia manentana ny zanany rehetra hiventy ny Tonon-kiran’i Maria isan-kariva, hibanjina ny asa lehibe notanterahin’Andriamanitra nandritra ny andro, ka hamarana ny andro amin’izany hafaliam-po izany, mahita fa tanteraka tao amin’ilay zanakavavin’i Siona ny fampanantenan’Andriamanitra. Tsy ny vokatry ny asantsika fa ny asan’Andriamanitra vokatry ny fitiavany antsika no maha-velon-kira.
Asa fito araka ny fitanisan’i Maria: (1-) ny voalohany dia ny sandriny mahery natsotrany mba hanavotra izay very (Det 5, 15). Andriamanitra irery ihany no afaka handresy ny ratsy sy ny fijaliana vokatr’izany ary tsy ny fijaliana sy ny fahafatesana tambin’ny ota no ho tompon’ny teny farany fa ny fitiavana mamelon’aina; (2-) mampiahaka ny mpiavonavona Izy dia ireo izay mihevitra ny ho avotra sy ho sambatra noho ny herin’ny tenany, tsy sanatria tsy akory hampitsanga-menatra azy ireo fa kosa hampibebaka ny fony ho amin’ny fitiavany; (3-) nahongany ny mpifehy ary (4-) nasandrany ny ambany: tsy sanatria fivadihan’ny rasa izany, tsy hanova na inona na inona amin’ny sehatry ny tantara, izany hoe tsy tonga hanova ny mpilalao tantara Andriamanitra fa hanova mihitsy ny fomba fitantarana, ny fifandraisan’ny olombelona amin’izy samy izy, ka hifaninana ho ambany, ho mpanompo araka ny fon’Andriamanitra; (5-) ny noana hovokisany (6-) fa ny mpanan-karena kosa ampodiany mitondra tanam-polo: tsy misy hitondra na inona na inona hiala amin’ity tany ity afa-tsy ny harena nohariantsika teo anatrehan’Andriamanitra, izany fahamarinan’Andriamanitra izany no hahafeno hafaliana ny zanany miharitra ny tsy rariny noho ny hafa; (7-) miahy Andriamanitra ary ampahatsiahivin’i Masina Maria antsika fa tsy miova mandrakizay ny fitiavany. Mandrakizay no hisaorantsika Azy.
Zavatra efatra no azo amintinana izany rehetra izany: ny hafalian’ny finoana ankalazana an’Andriamanitra ao Aminy (Izaia 61, 10), faly satria navotany (Salamo 35, 9). Izany hafaliana izany dia mampahatsiaro ny tsy fivadian’Andriamanitra amin’ny fampanantenany, Izy no nifidy tsy araka ny fahamendrehana fa noho ny fitiavany maimaim-poana; ny fahatelo dia ny fo feno fankasitrahana manoloana ny asa mahatalanjona tanterahin’Andriamanitra ary ny faha-efatra dia ny fahatsiarovana fa ny madinika sy ny mahantra no ananan’Izy Tompo tombom-pitia.
Ny fankalazana ny nampiakarana an’i Masina Maria vatana sy fanahy any an-danitra, araka ny filazan’ny Papa Pie XII azy, dia fankalazana sy fanavaozana ny finoana an’i Kristy nitsangan-ko velona, ary fanavaozana ny finoana fa hitsangana miaraka aminy avokoa izay mandray ny Teniny ka mivelona amin’ny finoana Azy (Vak II). Hahay hanaraka ny torohevitry ny Fanahy anie isika ka hahay hankalaza an’Andriamanitra miaraka aminy mandrakariva.
Ho fanavaozantsika ny faniriantsika ny lanitra anie izay fankalazana ataontsika vetivety ety izao ka hamerimberenantsika ny Vavaka fangatahan’ny Sorona Masina hoe : « Andriamanitra Mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay o, atodiho mandrakariva amin’ny haren’ny lanitra ny sainay ka ho mendrika hiombom-boninahitra amin’i Masina Maria nampankarina any an-danitra izahay » (Vavaka fangatahana), hidera sy hisaotra anao mandrakizay.