14 septambra: Ny nanandratana ny Hazofijaliana
- Fanisana 21, 4-9
- Salamo 77
- Filipiana 2, 6-11
- Md Joany 3, 13-17
Ny Lakroà Masina no famantarana hiheverantsika Kristianina hiavahana amin’ny hafa, ny famantaran’ny Hazofijaliana no entintsika maneho ny fiekem-pinoana (mamintina ny Mistery roa fototry ny finoana kristianina) fa Trinite Masina Andriamanitra ary ny Teny tonga nofo dia maty fa nitsangan-ko velona mba ho santatra ho antsika. Tsy hatrany am-piandohana anefa izany satria ny vatofantsika, ny trondro (ἰχθύς ichthus), ny mofo, ny voromahailala, ny mpiandry ondry sns no nentin’ireo kristianina voalohany naneho na nanavaka ny maha-izy azy. Faneso ho an’ny tsy mpino manko ny Lakroà ka sarotra ho an’ireo kristianina tany am-piandohana ny nampiasa ny Lakroà ho famantarana ety ivelany satria fahehoana ny fahafatesana mahafa-baraka izany ka tsy hitarika amin’ny fibebahana fa ho amin’ny fanesoana fotsiny ihany. Tsy mampaninona an’ireo tsy mpino manko ny manao kisarisary hilazana ny “hadalan’i Kristy” (1 Kor 1, 23) voafantsika eo amin’ny hazofijaliana.
Fa ny 14 septambra 335 kosa, rehefa ny mpanjaka tompon’ny tany sy ny fanjakana no nitokana ny Bazilika naoriny teo amin’ny heverina fa nisy ny fasan’i Jesoa ka nametrahan’ny Amperora Lakroà voahaingo vatosoa teo amin’ny tampon’ny Kalvery, ilay Hazofijaliana izay fahamenarana taloha satria ny fahafatesana mahafa-baraka indrindra, ny fihetrena lazain’i Md Paoly amin’ny vakiteny II (Fil 2, 6-11) ary nentin’ny tsy mpino nanivaiva ny Kristianina sy ny fivavahany no tonga rehareha sy famantarana ho an’ny mpino kosa, satria miombona amin’izy ireo ny Mpanjakan’ny tany amin’ny fanajana azy. Sarotra manko nanomboka teo ny hanala baraka ny kristianina satria fiantsiana ady amin’ny amperora Constatin ny mety ho fanimbazimbana ny Lakroà.
Indraindray anefa mampalahelo fa tsy ampiasaina amin’izay tokony ho heviny marina tokoa ny Lakroà, ka ny an’ny sasany dia atao firavaka fotsiny tsotra izao, ny an’ny hafa mety ho karazandrazana “vakana malaimisaraka”, ody lolo sy mosavy, mahatsara vitana. Ho an’izay mino kosa dia mampahatsiaro an’i Kristy maty sy nitsangan-ko velona ka miantso Azy isan’andro isan’ora mba hanolorana ny fiainan’ny tena manotolo koa ho fanarahan-dia Azy.
Tsy ny fanindraindrana ny famantarana manko no hahafahana mitarika ny olona ho any amin’i Kristy fa ny fiainana vonton’ny evanjely asehon’ny Kristianina isan’andro eo amin’ny fiaraha-monina. Ny fankalazana anio anie hanampy antsika mba hampisy heviny ny fanaovantsika famantaran’ny hazofijaliana sy ny fanajantsika ny Lakroà apetraka ao am-piangonana, any an-trano na koa hiambozonana eny an-tratra.
Rehefa mandeha amin’ny tany efitr’i Sinai dia hafatrafaran’ny “guide” mba hanao kiraro tsara sao voakaikitry ny bibilava kely miafina anaty fasika satria mahafaty (vénimeux). Ny vahoaka Hebrio koa nandalo tamin’izany faritra izany ka nisy voakaikitra ary nahafatesana betsaka. Nisy zavatra hafa anefa nanaikitra sy nampijaly bebe kokoa an’ity vahoaka ity. Fanantenana fahasambarana, tany tondra-dronono aman-tantely no tao an-tsainy saingy venjivenjy tsisy mofo tsisy rano tany an’efitra no nanjo. Efa monamonain’ny hanina tsy fantatra anarana (man’hò) izy ireo ka adinony ny fahoriana tany Ejipta. Na isika efa nahalala an’i Kristy aza mbola misy mihevitra tahaka azy ireo ihany anefa, ka nony avy nimonomonina tamin’Andriamanitra sy Moizy Mpanompony dia nihevitra fa sazim-pahotana avy amin’Andriamanitra ny bibilava sy ny fijaliana rehetra.
Ho an’ny vahoaka tamin’izany andro izany dia sady famantaram-pamonjena ny bibilava (indrindra ho an’ny madianita nisy ny rafozan’i Moizy, ampiasaina amin’ny farmasia ankehitriny) no mampidi-doza ihany koa. Voalazan’ny vakiteny anio fa nasain’Andriamanitra nanao bibilava mahamay i Moizy dia bibilava varahina no nataony ka velona izay nijery azy nihantona teo amin’ny tsatokazo. Araka ny lovan-tsofina dia notehirizina tao an-tempoly tao Jerosalema io bibilava varahina io saigy nopotipotehin’i Ezekiasa zanak’i Akaza (ilay mpanjaka hendry nanao izay mahitsy teo imason’YHWH, zanaky ny virjiny) satria ho azy dia fanompoan-tsampy tsotra izao izany (2 Mpanjaka 18, 4).
Indraindray koa ny zava-masina lasa sampy na ampiasaina tahaka ny ody gasy: mampalahelo raha ny andraikitra tsy ataon’ny olona noho ny hakamoany no heveriny hovahan’Andriamanitra amin’ny fahagagana vokatry ny fikasihana na ny fiambozonana zava-masina na ny fandaniany andro manentsi-keloka ao amin’ny “heveriny ho fivavahana”. Misy olona tokoa maheno ny asan’Andriamanitra anehoany ny voninahiny amin’ny toe-javatra iray dia lasa manompo iny zavatra iny, ka mihevitra fa raha tsy amin’ny alalan’izay famantarana izay dia tsy hahasitrana na tsy hamonjy Andriamanitra. Famantarana iray anefa no omeny mba tsy hahavery izay mino Azy: ny fanandratana an’i Jesoa tahaka ny nanandratana ny bibilava tany an’efitra. Ny Mpianatr’i Jesoa koa dia antsoiny ho malina tahaka ny bibilava, hiezaka hidify sy handositra izay rehetra tsy mitondra amin’ny fiainana na sanatria mety ho risika ho an’ny aina.
Raha olona efa lanaky ny adim-piainana ary ve no hijery ny fatin’Andriamanitra mihatona dia hahazo aina sy ho velom-panantenana? Sa sanatria vao mainka ho kivy satria folaka andry niankinana? Izay no misterin’ny Lakroà: Andriamanitra voasandratra, ka ny nanandratana Azy, hoy Md Joany no lalana hiverenany any amin’ny voninahitry ny Ray, ka hanehoany amintsika ny maha-Ilay Misy (YHWH) Azy, araka ny anarana nomeny mba hahalalan’i Moizy Azy.
Tsy Andriamanitry ny “fahagagana” ny Andriamanitsika fa Andriamanitra nomena “hitoetra” (Emanoela) eo anivontsika ka miaraka amintsika eo anivon’ny fijaliana mba hahatsiarovantsika fa ny fiainany “izay mandrakizay” no omeny ho antsika.
“Bibilava mahamay” (שָׂרָף saraph) mitovy amin’izay nanaikitra ny vahoaka no nasain’Andriamanitra nataon’i Moizy. Fanandratana toy izany no famantaram-pamonjena. Ny fitovizana amin’ny fahorian’ny vahoaka izany no endrika tian’Andriamanitra hisehoana, kanefa moramora kokoa ho antsika ny hanompo andriamanitra varahina, afaka maneho hery sy tanjaka. Izay nitodika tany amin’ilay bibilava mitovy amin’ny halemen’ny vahoaka anefa dia sitrana, hoy ny Boky Fahendrena, tsy noho ny zavatra hitan’ny masony anefa, fa noho Andriamanitra, Mpamonjy ny olona rehetra (Fah 16, 7).
Mampahatsiaro ny bibilava “nanaikitra” ka nahatonga an’i Adama sy Eva hikomy amin’Andriamanitra izany rehetra izany (Jen 3, 1-5). Naniry ny hitovy amin’Andriamanitra izy ireo satria noheveriny ho fahabangana ny maha-olombelona naharian’Andriamanitra azy ireo. Andriamanitra kosa, nanaiky ny ho tonga olombelona mba hanehoany amintsika ny hakanton’ny maha-zanany, nohariany hitovy endrika aminy antsika. Ary ny faneken’i Kristy hatramin’ny fahafatesana mahafa-baraka kosa no lalana itondrany antsika amin’ny fahasambaran’ny lanitra, hiombona tanteraka amin’ny voninahitra nahariany antsika talohan’izao tontolo izao, hoy Md Paoly (Efezy 1, 4).
Izay tsy mino fa “Izy mihantona eo amin’ny hazo” no voninahitr’Andriamanitra dia ho faty ao amin’ny fahotany. Tsy finoana mijanona amin’ny fikarohana Azy fotsiny anefa izany. Mampandinika ny tenin’i Jesoa hoe : “handeha aho ka hitady ahy ianareo, ary ho faty amin’ny fahotanareo ianareo” (Jo 8, 21). Tokony ho fitokisana ho antsika anefa ny antony nahatongavany: tsy hitsara fa hamonjy.
Ho haintsika anie ny hibanjina an’i Jesoa nietry tena ho andevo, hanompo ny olona rehetra ka hahaiky ho faty teo amin’ny hazo mba hanome antsika ny aina hahavelomana tsy ho an’ny tena intsony fa ho Azy velona mandrakizay, amin’ny fanompoana ny olombelona rehetra.