14 mey- Md Matiasy – Apostoly
- Asa 1, 15-17.20-26
- Salamo 112
- Md Joany 15, 9-17
Ny hasivianandro hivavahana manokana hangatahana ny Fanahy Masina, araka ny ohatra navelan’ireo Apostoly niaraka amin’i Masina Maria sy ny Vehivavy sasany (Asa 1, 12-14), araka ny nanafaran’i Jesoa azy ireo (Asa 1,4) no mialoha ny vakiteny voalohany anio. Zava-dehibe tokoa izany Vavaka izany satria ny Fanahy Masina no mampitsiry sy mamelona ny Fiangonana, manafana ny fontsika ho tonga Vavolombelon’ny Fitsanganan’i Jesoa ho velona. Tsy hoe miankina amin’ny vavaka ataontsika anefa no anomezan’Andriamanitra ny Fanahiny sy ny fahasoavany, maimaim-poana sy tsy misy fetra (Jn 3, 34; 7,39; 19,30). Mazava ny tenin’i Jesoa amin’ny Evanjely: ny tsirairay dia mitia toy ny nitiavana azy. Tahaka ny nitiavan’ny Ray Azy no nitiavan’i Jesoa antsika, ary tahaka ny itiavany antsika no iriny mba hifankatiavantsika.
Ao amin’ny vakiteny I, dia tantarain’i Lioka ny fomba hiainana ny fiombonana, hivoriana sy hiarahana mivavaka mba hifidianana izay hisolo an’i Jodasy izay nanana anjara fandraharahana (διακονία) tamin’ny asan’ny Apostoly, saingy naleony nisafidy ny hitarika ireo mpisambotra an’i Jesoa.
Mampandinika antsika izany, satria ambaran’i Lioka tsara fa na dia nandray anjara tamin’ny Eokaristia aza i Jodasy, na dia anisan’ireo 12 voafidy ho Apostoly taorian’ny vavaka nataony nandritra ny alina (Lk 6, 12-15), dia nijanona ho sakaiza fa tsy ho mpanompo, satria tsy an-tery fa an-kalalahana no isafidianantsika hiombom-po sy iraka amin’i Kristy. Izany no mahatonga an’i Md Paoly hananatra mba hamelombelomana mandrakariva ny fanomezampahasoavana narotsak’Andriamanitra tao anatintsika hahafahantsika mijoro ho vavolombelon’ny fitsanganany ho velona (2 Tim 1, 6ss), mba tsy hivadiana amin’ny fitiavany, tahaka ny nataon’i Jodasy.
Ambaran’i Md Piera fa ny fiarahana tamin’ny Apostoly sy Jesoa hatramin’ny Batemin’i Joany no fepetra takiana amin’izay hatokana ho solon’i Jodasy. Tsy ny fahamendrehana sy ny laza tsara fa ny fitozoana nihaino ny fampianaran’i Jesoa manontolo no mason-tsivana hahafahana mijoro ho vavolombelon’ny fitsanganany ho velona, ka hisafidianana azy ho isan’ny Apostoly. Miteny amin’ny 120 tafavory moa i Piera ka heveriko fa tsy hoe “ho namantsika” fa ho “namanay” no handikàna ny ἡμῖν (nous) eto.
Tsy nandidy samirery, araka izany i Piera, saingy nametraka kosa ny fenitra tokony harahina amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra, mba ho araka ny “Soratra masina” no hizoran’ny fanapahan-kevitra. Ireo roalahy nahafeno ny fepetra dia natokana, ary nivavahana mba hanehoan’Andriamanitra izay voafidiny handray anjara amin’ny fandraharahana sy ny maha-iraka (διακονίας καὶ ἀποστολῆς, nadika hoe fandraharahan’ny Apostoly). Ny fanaovana loka moa, araka ny fomba tamin’izany dia ny fametrahana ny safidy eo am-pelatanan’Andriamanitra. Ny fiaraha-mivavaka no antoka ho an’ny fiombonana, satria tsy hitadiavana izay heverin’ny olona ho marina, fa fikatsahana izay mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Mbola hiverenantsika amin’ny fandalinana ny Evanjely moa izay.
Ny tanjon’ny fijoroana ho Vavolombelona dia mba hahafahan’Israely tsy hanadino ny soa nataon’Andriamanitra fa izany no fisaorana Azy miaraka amin’ny Anjeliny izay feno hery mankatò ny Didiny (Salamo 102). Izany no Fiombonan’ny olomasina izay ventesintsika amin’ny Fiekem-pinoana: fiaraha-midera an’Andriamanitra amin’ny mponin’ny lanitra amin’ny Litorjia Masina. “Isika rehetra, amin’ny ambaratonga sy ny fomba samy manana, dia fitiavana tokana an’Andriamanitra sy ny namana no iombonantsika, ary antsa tokana ho voninahitry ny Andriamanitsika no hiraintsika” (Lumen Gentium 49).
ἀγαπάω (agapao = mitia), ἀγάπη (agapê = fitiavana) moa dia entina milaza ilay fomba fitiavan’Andriamanitra izay manome manontolo sy maimaim-poana, ka izany no anasan’i Jesoa ny mpianany hitoetra ao amin’io Fitiavana io, hahatonga ny fitiavana ho “trano fonenana” hahafahana manandrana ny hamamin’ny maha-zanaka sy maha-mpirahalahy sy anabavy, amin’ny fitandremana ny Didy. Izany no lalana mitondra amin’ny fahalavorarian’ny hafaliana satria ny fiombonana aina amin’Izy Ray dia mameno hazavana ny fiainana ka tsy hahafahan’ny haizina mahita irika ao intsony. Ny hafaliana dia vokatry ny fitia mifamaly, mahatsara fihavanana, fitia hifankatiavan’ny Ray sy ny Zanaka, hafaliana lavorary iriany mba ho fiainantsika koa.
Izany hafenoan’ny hafaliana izany no fanirian’i Jesoa ho antsika tsirairay avy, dia ny hafaliany tsy miandry valiny intsony fa faly satria notiavina dia afaka mitia koa. Mazàna ny tsy fahazoana valim-pitia, na ny fahadisoam-panantenana no mahatonga antsika hilofika ao anatin’ny alahelo sy ny fahakiviana. Ambaran’i Jesoa fa ny fitiavany (ἀγάπη agapê) ihany no hahatongavantsika amin’ny hafaliana feno fatra, izay tsy manana antony manokana ankoatra ny fitiavana.
Arakaraky ny hahatsapantsika ny fitiavana itiavana antsika araka izany no mampitombo ny hafaliantsika ka mahatonga antsika ho mpianatra marina, miombona aina amin’i Kristy, satria tsy afaka hanao intsony afa-tsy ny sitra-pony, izany hoe izay mifanaraka amin’ny hafaliana sy ny fiadanana ary ny fahasambaran’ny olombelona rehetra. Ny fitandremana ny didim-pitiavana no fitoerana ao amin’ny. Fitiavany.
Tsy azo adinoina anefa ny tanjon’ny fitoriana ny Evanjely sy ny ezaka rehetra atao eo anivon’ny Fiangonana: mba hifankatiavana bebe kokoa, izany hoe mba hahatonga ny olon-drehetra ho mpianatr’i Kristy, hitia tahaka ny itiavan’i Kristy azy, hahafoy ny aina ho an’ny hafa. Ny hahalalan’ny olona fa mpianatr’i Kristy isika dia ny fifankatiavana. Ilay fitiavana manambatra ny Ray sy ny Zanaka, dia ilay fitiavana nitiavan’ny Ray ny Zanaka no manambatra ny mpianany amin’i Jesoa ary tonga rohim-pihavanana koa mampiombona ny mpianatra samy mpianatra. Nahafoy ny ainy ho antsika Izy ka isika koa antsoiny hitia amin’ny hafenoan’ny fitiavana: mahafoy ny zavatra rehetra, hatramin’ny aina aza. Io no didy vaovao omeny izay te hanara-dia Azy.
I Jesoa no misafidy ny sakaizany sy nanendry (τίθημι tithemi, manamasina, jereo Fanisana 8,10) azy ireo mba handeha sy hahavokatra ary haharetan’ny vokany. Misafidy maimaim-poana tsy araka ny fahamendrehan’ny olom-boafidy Izy, fa araka ny haben’ny fitiavany, tahaka ny nataony tamin’Israely (vakio Deteronomy 7, 7-8). Tsy ho mpanompo fa ho sakaiza, ho zanaka mpandova no niantsoan’Andriamanitra antsika, ka tsy hihanona amin’izay mety ho baiko na karama, fa ho mpiombon’antoka amin’ny fanitarana ny famonjena tiany ho an’izao tontolo izao.
Izay no iraka ampanaovina ny Eglizy Fanasina sy Fahazavana (Mt 5, 13ss), mitondra ny hanitr’i Kristy amin’ny olon-drehetra (2 Kor 2, 14), ka tsy teny tsara lahatra fa ny fomba fiainana andavanandro izay hazavain’ny fitiavana no mitondra vokatra hahasarika ny olona hanatona (Jn 12,32) ka hanome voninahitra ny Ray (Jn 15, 8), hidera Azy vory vahoaka, hiantsa Azy anivom-pirenena noho ny halehibeazan’ny hatsaram-pony (Salamo 56).