10 aogositra: Fankalazana an’i Md Laurent, Diacre Martiry
- 2Kôrintianina 9,6-10
- Salamo 111
- Md Joany 12,24-26
Diakra mpanampy an’i Sixte faha-21 i Md Laurent. Ny fizarany ny fananan’ny Fiangonana tamin’ny mahantra, araka ny tantara no naha-be fahavalo azy, araka ny tantarany, ka nisamborana azy sy namonoana azy tamin’ny fandorana azy ambony farafara vy. Ndeha àry hodinihantsika ireo vakiteny nosafidìna mba hankalazana ny fetiny. Ny fanomezana an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra, hoy i Md Paoly, ny manome ny mahantra no maha sambatra satria mifanaraka amin’ny fahamarinan’Andriamanitra, hoy ny Sal 111. Tsy misy olona afaka hilaza koa anefa fa tsy manana omena. Ny fahasoavana feno omen’Andriamanitra ny tsirairay dia tsy natao hotazonina ho an’ny tena, ka ny fizarana azy amin’ny mahantra, amin’ireo tsy manan-kavaly no mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy mitaky amintsika zavatra tsy nomeny antsika Andriamanitra, saingy miangavy kosa ny hanomezantsika manontolo izay nomeny sy nampitomboiny teo am-pelatanantsika.
Izany no mifanaraka amin’ny “lojika”-n’ny voambary afafy, ny fahafoizana na dia ny zavatra efa tsara aza, mba hahazoana ny tsaratsara kokoa. Vavolombelona no ilain’i Jesoa kanefa tsy ho afaka ny ho tonga vavolombelony izay tsy mbola nahita Azy tafatsangan-ko velona, tsy afaka hahita Azy mitsangan-ko velona izay tsy hanaiky hanandrana ny fahafatesana miaraka Aminy: raha tsy maty ny voa afafy, tsy afaka hamokatra ho amin’ny fiainam-baovao. I Jesoa no voa afafy, santatra mba hananan’ny mpamafy voa afafy sy ny olombelona rehetra hanina hahavoky ho amin’ny fiainana mandrakizay (Iz 55,10). Amin’ny fanekeny hilevina, amin’ny fanekeny ho faty mifantsika eo amin’ny hazofijaliana no hitarihany ny olona rehetra hanatona Azy (Jo 12,32). Ampahatsiahivin’ny mpanatao Lakroà Masina antsika fa manohy manompo i Jesoa tafasandratra hiala amin’ny tany, mitafy ilay lamba famaohana nisikinany, nanasa ny tongotry ny Mpianany.
Izay tia ny ainy no hahavery azy fa izay mankahala ny ainy (ψυχή – psychè) amin’izao fiainana izao (κόσμος – kosmos) no hitahiry azy ho amin’ny fiainana (ζωή – zôè) mandrakizay. Izay te hitory ny Evanjeliny dia tsy manan-tsafidy afa-tsy ny fiainana araka ny Evanjely toriany. Izany no hahazoana hery hilazana tahaka ny Apôstôly hoe “Tsaroanareo na marina eo imason’Andriamanitra na tsia ny manaiky anareo mihoatra noho an’Andriamanitra; fa raha izahay, tsy azonay atao akory ny tsy hilaza izay efa hitanay sy renay” (Asa 4,20).
Ny fampiasana ny fiainana araka ny tokony ho izy no mampisy heviny azy. Ampahatsiahivin’i Jesoa koa anefa fa ny fanompoana Azy no hahazoana voninahitra eo anatrehan’Izy Ray. Izay manompo (διακονέω– diakoneô) Azy kosa dia tsy afa-misaraka Aminy. Roa ny zavatra tsara homarihina amin’izay fiarahana aminy izay. Ny voalohany dia ny hoe: tsy hanao zavatra hafa ankoatr’izay efa nataony, ka handà ny tenany, hitondra ny hazofijaliany isan’andro ka hanara-dia (ἀκολουθέω – akoloutheô) Azy amin’ny fizorana mankany an-tranon’ny Ray. Izany no hahafahana mihevitra araka an’Andriamanitra ka tsy hahazoana ny teny mafy nahazo an’i Piera hoe: “mandehana ao ivohoko, ry Satàna” (ὕπαγε ὀπίσω μου – hupage opisô mou, nadikan’ny baibolintsika hoe mialà amiko, Mt 16,23).
Ny zavatra faharoa dia ny hahatsiaro mandrakariva fa “raha tsy Izy, tsy hahefa na inona na inona isika” (Jo15,5). Izay no iantsoan’i Jesoa antsika “hitoetra ao amin’ny fitiavany” (Jo 15,9), hahatsiaro mandrakariva fa tahaka ny nitiavan’ny Ray Azy no hitiavany antsika ihany koa. Ka raha sanatria tahaka ny namelan’ny Ray Azy ho faty teo ambony hazofijaliana no mitranga, tahaka an’i Md Laurent eo ambony farafara mahamay, dia hatoky fa Izy Ray ihany kosa no hamelona ho amin’ny fiainana mandrakizay.
Ny fanompoana an’i Jesoa no hahazoana voninahitra eo anatrehan’ny Ray ary ny marika fa manompo Azy isika dia satria amin’izay itoerany no hitoeran’ny mpanompony. Mila manontany tena mandrakariva araka izany amin’izay atao rehetra raha toa ka miaraka amintsika eo i Jesoa na tsia.
Hitombo ao amintsika anie ny fitokisana ny fitiavan’i Jesoa ka hahafahantsika mijoro ho vavolombelony amin’ny seha-piainana sitrany iantsoany antsika.