1 janoary: Masina Maria Renin’Andriamanitra
- Boky Fanisana 6,22-27
- Salamo 66
- Galata 4,4-7
- Md Lioka 2,16-21
Amin’ny fankalazana ny taona vaovao, talohan’ny Kônsily dia nankalazaina ny famorana ilay zanak’i Maria sy ny fanomezana ny anarana hoe Jesoa. Anarana izay ankalazaina ny 3 janoary ankehitriny, ary henontsika ao amin’ny evanjely ankalazaina anio, araka ny fitantaran’i Md Lioka. Ary hatramin’ny 1968 dia natokan’ny Papa Md Paoly VI ho andro iraisam-pirenena ho an’ny Fiadanana sady ankalazana an’i Masina Maria, Renin’Andriamanitra ny 1 janoary.
Ny Vakiteny voalohany àry androany dia manonona tsodrano ho antsika rehetra: “hitahy anao sy hiaro anao anie ny Tompo, hampamirapiratra ny tavany aminao anie Izy sy hamindra fo aminao. Hampitodika ny tavany aminao sy hanome fiadanana anao anie ny Tompo”. Ny tsodrano zava-mahery, hoy ny tenin-drazantsika, satria mitondra fiadanana.
Ny hevitry ny hoe bārakh (mitsodrano) moa dia hoe miteny tsara, mankalaza. Manambara hevitra roa io teo amin’Israely dia ny “teny” aloaky ny vavan’Andriamanitra ka mamaritra ny maha-izy azy ny olona na ny firenena iray amin’ny iraka ampanaovina azy (vocation) ary ny faharoa dia ny valin-tenin’ny olona sambatra fa mahatsiaro ho tiana ka midera an’Andriamanitra.
Izay nahazo soa dia tsy afaka ny tsy hidera ny mpanao soa, ary izay te hanao soa kosa dia mitalaho ny tsodranon’izay mahery kokoa noho izy mba hahaleo hahalasana. Teo amin’Israely dia zava-dehibe izany tsodrano izany, ary tsy ambaka izany ho amin’ny kolontsaina malagasy. Tsy azo adinoina ny tantaran’i Esao sy Jakôba, naka ny tsodranon’i Isaàka (Jen 27–28).
Tsara ho fantatra fa miverina an-398 ny matoanteny bārakh sy ny berakah (tso-drano) ary ny antony handoalohana sy ametrahana ny tanana eo ambanin’ny fe rehefa mihaniana na mitso-drano (jereo Jen 24, 2.9; 47,29) dia satria mifandraika amin’ny fananan-taranaka izay loharanon’ny fanantenana teo amin’Israely ny tso-drano, ka ny fitomboan’ny fianakaviana sy ny biby fiompy sy ny fahavokaran’ny saha no noheverina fa famantarana ny fahombiazan’ny tso-drano (azo jerena ny tsodrano ho an’i Abrahama Jen 12, 3-4).
Tsara ho jerena ihany anefa ny dikan-teny izay mandray roa mahakasika ny tavan’Andriamanitra izay sitrany hamirapitraka eo amintsika. Amin’ny vakiteny anio dia hoe hampamiratra ny tavany amintsika ny Tompo. rehefa mihira ny Salamo 66 kosa isika dia hoe hiantran’Andriamanitra anie isika, hotsimbininy, ka ataony mamiratra eo amintsika ny Tavany. Safidy apetrak’Andriamanitra eo anatrehan’ny olona tsirairay manko ny tso-dranony, ka ny tsirairay, ao anatin’ny fahalalahany no misafidy izany tso-drano izany: “indro aho nametraka tsodrano sy ozona eo anoloanareo anio; tsodrano, raha mankatò ny didin’ny Tompo Andriamanitrareo, izay andidiako anareo anio, hianareo; ozona, raha tsy manaiky ny didin’ny Tompo Andriamanitrareo hianareo, fa mivily hiala amin’ny lalàna izay andidiako anareo anio ka lasa manaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo” (Det 11, 26-28).
Tsy ho sanatria isika no hisafidy ny ozona ho amin’ny fanombohana sy ny fiainana ny taona vaovao. Ary irariana mba ho fihirantsika ny Salamo 104 ny taona vaovao sy ny fiainantsika manontolo ka hahafahana miombom-peo amin’i Jesoa hoe: “Mankalaza (exomologeo, nadika hoe: misaotra) anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany” (Mt 11, 25).
Ny Evanjely kosa indray dia milaza fa afaka havaloana dia noforaina ny zaza ary nomena ny anarana hoe Jesoa, Andriamanitra mamonjy, araka ny voalazan’i Md Matio hoe hamonjy ny olona ho afaka amin’ny jiogan’ny fahotany (Mt 1,21). Tsy hoe entina hanavahana fotsiny manko ny anarana amin’ny fomba tatsinanana fa manambara ny maha-izy azy ny olona, maneho ny iraka ampanaovina azy na andrasana aminy.
Ny famorana moa dia nentin’i Israely hanamarihana ny fanekem-pihavanana nataony tamin’i YHWH. Tsara ho marihina anefa fa tsy nitoetra nahatoky tamin’izany fanekem-pihavanana izany ny vahoaka, nalaky nivadika, nanaraka andriamani-kafa. Fifanekena an-kalalahana no natao ka nohajain’Andriamanitra marina tokoa izany fahalalahan’ny vahoakany izany. I Jesoa, izay nanaiky ho teraka tambanin’ny lalàna, no nirahiny mba hanafaka izay rehetra tambanin’ny lalàna mba hatsangany ao amin’ny Fanahiny ho zanaka mpandova (Ga 4,4-7 Vakiteny II). Ilay Teny tena Andriamanitra, tonga Israely vaovao, araka izany no nentin’Andriamanitra nandavorary ny Fanekem-pihavanana, ka ao amin’i Jesoa no hahafahantsika manantena ny “eny” avy amin’Izy Tompo sy avy amintsika olombelona.
Jesoa no anarany, Andriamanitra mamonjy, satria mampahafantatra antsika ny tena endrik’ilay Andriamanitra tsy hita, maneho amintsika ny halehiben’ny voninahiny, ary izany rehetra izany dia amin’ny fitondrany antsika amin’ny fahasambarana maha-zanaka, amin’ny famonjena.
Dia io Zanak’i Maria io no zanak’Andriamanitra, voatsodranony, ary avy Aminy no hahazoantsika ny Fanahy hahatongavantsika ihany koa ho mpiray lova Aminy (Vakiteny II). Izay finoana ny maha-zanak’Andriamanitra an’i Jesoa izay no ankalazantsika an’i Masina Maria ho Renin’Andriamanitra. Izy no ilay zanaka “iray fomba amin’ny Ray” (Homousios), izay nanoheran’ny Konsily tany Nicée ny taona 325 an’i Arius izay nihizingizina fa tsy misy hifandraisany amin’ny Ray i Jesoa; ary noho ny fampianaran-dison’i Nestor izay nilaza fa fiombonan’ny olon-tsotra amin’ny olona ao amin’ny Trinite Masina i Kristy, dia nohamafisin’ny Konsily tao Efezy fa i Jesoa, Ilay Teny tonga nofo, dia tsy hafa fa ilay olona faharoa ao amin’ny Trinite Masina ka nanambarany tamin’ny fomba miezinezina ny taona 421 fa i Masina Maria dia Theotokos, Renin’Andriamanitra, dia io ny fety ankalazaintsika anio. Ary ny fiekem-pinoana ataontsika dia mbola nohamafisina fa tsy misaraka ary tsy mifangaro ny maha-olona sy maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy (Calcédoine 451), nialana tamin’ny hevi-dison’ny monophysites.
Ho tonga tsodrano ho antsika amin’ity taona vaovao ity anie ny fanavaozantsika ny finoantsika an’i Jesoa Kristy, tena Andriamanitra sy tena olombelona, iray fomba amin’ny Ray ary nidina avy any an-danitra ho famonjena antsika.
Ho taona hahitantsika masoandro mihiratra amin’ny sehatry ny politika, amin’ny ara-tsosialy ary eo anivon’ny fianakaviana anie ny Taona vaovao.