1 janoary: Masina Maria Renin’Andriamanitra
- Boky Fanisana 6,22-27
- Salamo 66
- Galata 4,4-7
- Md Lioka 2,16-21
Amin’ny fankalazana ny taona vaovao, talohan’ny Kônsily dia nankalazaina ny famorana ilay zanak’i Maria sy ny fanomezana ny anarana hoe Jesoa. Anarana izay ankalazaina ny 3 janoary ankehitriny, ary henontsika ao amin’ny evanjely ankalazaina anio, araka ny fitantaran’i Md Lioka. Ary hatramin’ny 1968 dia natokan’ny Papa Md Paoly VI ho andro iraisam-pirenena ho an’ny Fiadanana sady ankalazana an’i Masina Maria, Renin’Andriamanitra ny 1 janoary.
Ny Vakiteny voalohany àry androany dia manonona tsodrano ho antsika rehetra: “hitahy anao sy hiaro anao anie ny Tompo, hampamirapiratra ny tavany aminao anie Izy sy hamindra fo aminao. Hampitodika ny tavany aminao sy hanome fiadanana anao anie ny Tompo”. Ny tsodrano zava-mahery, hoy ny tenin-drazantsika, satria mitondra fiadanana.
Ny hevitry ny hoe bārakh (tsodrano) moa dia hoe miteny tsara, mankalaza. Izay nahazo soa dia tsy afaka ny tsy hidera ny mpanao soa, ary izay te hanao soa kosa dia mitalaho ny tsodranon’izay mahery kokoa noho izy mba hahaleo hahalasana. Teo amin’Israely dia zava-dehibe izany tsodrano izany. Tsy azo adinoina ny tantaran’i Esao sy Jakôba, naka ny tsodranon’i Isaàka (Jen 27–28).
Voalaza ao amin’ny Evanjely fa afaka havaloana dia noforaina ny zaza ary nomena ny anarana hoe Jesoa, Andriamanitra mamonjy, araka ny voalazan’i Md Matio hoe hamonjy ny olona ho afaka amin’ny jiogan’ny fahotany (Mt 1,21). Tsy hoe entina hanavahana fotsiny manko ny anarana amin’ny fomba tatsinanana fa manambara ny maha-izy azy ny olona, maneho ny iraka ampanaovina azy na andrasana aminy.
Ny famorana moa dia nentin’i Israely hanamarihana ny fanekem-pihavanana nataony tamin’i YHWH. Tsara ho marihina anefa fa tsy nitoetra nahatoky tamin’izany fanekem-pihavanana izany ny vahoaka, nalaky nivadika, nanaraka andriamani-kafa. Fifanekena an-kalalahana no natao ka nohajain’Andriamanitra marina tokoa izany fahalalahan’ny vahoakany izany. I Jesoa, izay nanaiky ho teraka tambanin’ny lalàna, no nirahiny mba hanafaka izay rehetra tambanin’ny lalàna mba hatsangany ao amin’ny Fanahiny ho zanaka mpandova (Ga 4,4-7 Vakiteny II). Ilay Teny tena Andriamanitra, tonga Israely vaovao, araka izany no nentin’Andriamanitra nandavorary ny Fanekem-pihavanana, ka ao amin’i Jesoa no hahafahantsika manantena ny “eny” avy amin’Izy Tompo sy avy amintsika olombelona.
Jesoa no anarany, Andriamanitra mamonjy, satria mampahafantatra antsika ny tena endrik’ilay Andriamanitra tsy hita, maneho amintsika ny halehiben’ny voninahiny, ary izany rehetra izany dia amin’ny fitondrany antsika amin’ny fahasambarana maha-zanaka, amin’ny famonjena.
Dia io Zanak’i Maria io no zanak’Andriamanitra, voatsodranony, ary avy aminy no hahazoantsika ny Fanahy hahatongavantsika ihany koa ho mpiray lova Aminy (Vakiteny II). Izay finoana ny maha-zanak’Andriamanitra an’i Jesoa izay no ankalazantsika an’i Masina Maria ho Renin’Andriamanitra. Izy no ilay zanaka “iray fomba amin’ny Ray” (Homousios), izay nanoheran’ny Konsily tany Nicée ny taona 325 an’i Arius izay nihizingizina fa tsy misy hifandraisany amin’ny Ray i Jesoa; ary noho ny fampianaran-dison’i Nestor izay nilaza fa fiombonan’ny olon-tsotra amin’ny olona ao amin’ny Trinite Masina i Kristy, dia nohamafisin’ny Konsily tao Efezy fa i Jesoa, Ilay Teny tonga nofo, dia tsy hafa fa ilay olona faharoa ao amin’ny Trinite Masina ka nanambarany tamin’ny fomba miezinezina ny taona 421 fa i Masina Maria dia Theotokos, Renin’Andriamanitra, dia io ny fety ankalazaintsika anio. Ary ny fiekem-pinoana ataontsika dia mbola nohamafisina fa tsy misaraka ary tsy mifangaro ny maha-olona sy maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy (Calcédoine 451), nialana tamin’ny hevi-dison’ny monophysites.
Ho tonga tsodrano ho antsika amin’ity taona vaovao ity anie ny fanavaozantsika ny finoantsika an’i Jesoa Kristy, tena Andriamanitra sy tena olombelona, iray fomba amin’ny Ray ary nidina avy any an-danitra ho famonjena antsika.
Ho taona hahitantsika masoandro mihiratra amin’ny sehatry ny politika, amin’ny ara-tsosialy ary eo anivon’ny fianakaviana anie ny Taona vaovao.