1 janoary: Masina Maria Renin’Andriamanitra
- Boky Fanisana 6,22-27
- Salamo 66
- Galata 4,4-7
- Md Lioka 2,16-21
Amin’ny fankalazana ny taona vaovao, talohan’ny Kônsily dia nankalazaina ny famorana ilay zanak’i Maria sy ny fanomezana ny anarana hoe Jesoa. Anarana izay ankalazaina ny 3 janoary ankehitriny, ary henontsika ao amin’ny evanjely ankalazaina anio, araka ny fitantaran’i Md Lioka. Ary hatramin’ny 1968 dia natokan’ny Papa Md Paoly VI ho andro iraisam-pirenena ho an’ny Fiadanana sady ankalazana an’i Masina Maria, Renin’Andriamanitra ny 1 janoary.
Ny Vakiteny voalohany àry androany dia manonona tsodrano ho antsika rehetra: “hitahy anao sy hiaro anao anie ny Tompo, hampamirapiratra ny tavany aminao anie Izy sy hamindra fo aminao. Hampitodika ny tavany aminao sy hanome fiadanana anao anie ny Tompo”. Ny tsodrano zava-mahery, hoy ny tenin-drazantsika, satria mitondra fiadanana.
Ny hevitry ny barak (tsodrano) moa dia hoe miteny tsara, mankalaza. Izay nahazo soa dia tsy afaka ny tsy hidera ny mpanao soa, ary izay te hanao soa kosa dia mitalaho ny tsodranon’izay mahery kokoa noho izy mba hahaleo hahalasana. Teo amin’Israely dia zava-dehibe izany tsodrano izany. Tsy azo adinoina ny tantaran’i Esao sy Jakôba, naka ny tsodranon’i Isaàka (Jen 27–28).
Hitantsika amin’ireo teny ireo araka izany ny tsodrano mifanaraka amin’izay ampanantenain’Andriamanitra an’izay mivavaka Aminy, izay miantso ny Anarany : tahiana (barak) sy arovany (shamar), tahaka ny nataony tamin’ny Zanany Lahitokana, ka tody soa amin’ny fahalavorariana, niharitra ny mafy hatramin’ny fahafatesana teo amin’ny hazofijaliana. Aoka isika tsy ho voafitak’izay milaza fa hiaro antsika amin’ny filanjàna ny hazofijaliana miaraka amin’i Kristy ny Andriamanitra ivavahana. Tsy ny Andriamanitsika izany fa sampy ihany; hampamiratra ny tavany eo amintsika ka hamindra fo: ny fahatsapantsika ny fitiavany no hahafahantsika mizotra tsy amin-tahotra no sady tsy arahi-nenina amin’ny lalan’ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana lavorary, izany no famindram-po, izany hoe afindran’Andriamanitra amintsika ny fony, tonga taratry ny hazavany ny tavantsika; hampitodika ny tavany ka hanome fiadanana: izay mizotra manatona ny Ray, mifanatri-tava mandrakariva Aminy no afaka hihanoka ny fiadanana. Io no lazain’ny Anjely amin’ny antsan’ny Noely hoe “fiadanana ho an’ny olona ety an-tany izay ankasitrahan’Andriamanitra (en anthropois eudokìa)”, izay hoe izay tsara sitrapo, izay mahatsiaro ho notiaviny, nampitodiany ny tavany. Ary ny fahatsapantsika ny tsy fahamendrehana no mahatonga antsika hisalasa manoloana io fitiavana tsy mivadika io ka miantehitra amin’ny finoan’ny Eglizy, izay manana an’i Kristy ho Loha sy Filoha mba handova ny fiadanany.
Ny tavan’Andriamanitra mitodika amintsika no hahafahantsika mahatsapa ny fitiavany ka hahatonga ny fiainantsika ho taratry ny hazavany satria zary antsam-pihobiana hanentanana ny vahoaka rehetra sy ny mponina eran-tany hidera sy hankalaza Azy. Izany moa no ventesin’ny Salamo 66 izay milaza ny vokatr’ireo tso-drano lazain’ny Boky Fanisana eo amin’ny fiainan’ny mpino manaiky hizotra ny lalam-piadanana sy fahasambarana atoron’Andriamanitra.
Tsy fanarahan-dalàna tahaka ny ataon’ny mpanompo anefa izany, hoy Md Paoly (Vakiteny II Ga 4, 4-7) fa fiainana entanin’ny fanantenana handova ny Ray satria voatsangana ho zanany ao amin’ilay Zanaka lahitokana isika rehefa manaiky ho entanin’ny Fanahy Masina. Tsy azo adinoina araka izany fa izay mety ataontsika amin’ny fandrobarobana ny harena apetrak’Andriamanitra eo am-pelantanantsika dia fatiantoka ho antsika ihany, satria isika no handova. Asan’ny Fanahy ka mila italahoana mandrakariva ny hahatsapana fa ho an’izay manota, isika ihany no voalohany mizaka ny vokatry ny fahotana, ary izany no antony hiezahana hanalavirana azy, ka hifankatiavana fatratra, indrindra indrindra satria ny fitiavana manarona fahotana maro (1 Pi 4, 8).
Ndeha hiverenantsika hodinihana ny halalin’ny hafatra ambaran’i Md Lioka ao amin’ny Evanjely.
Lk 2, 16-21
Ny Mpiandry ondry, araka izay lazain’ny fiandohan’ny toko faharoa dia nandeha haingana (speudantes, speudo) hizaha izay nampahafantarin’Andriamanitra azy ireo. Entina ilazana amintsika ny hasarobidin’ny anjara asa tandrify antsika olombelona manoloana ny fanambaran’Andriamanitra, ary izay efa nanaporofo ny fahamarinany no ho tonga mpitory ny Evanjely: mampiely ny teny nolazaina ny amin’ny Zaza, diagnorizo amin’ny grika, izany hoe mampahafantatra ny manodidina ary tsy manafina na dia kely akory aza izay zavatra fantatra. Raha sanatria tsy mbola izay nolazain’ny Anjely, na tsy ny mikasika ny Zaza no ambetin-dresatsika, dia mazava loatra, tsy mbola any amin’izay nampahafantarin’Andriamanitra no nidododoantsika.
Gaga ny olona rehetra naheno ny nolazain’ny mpiandry ondry fa i Maria kosa nitadidy (syntereo) izay rehetra izany ka nieritreritra (symballo) azy tao am-pony. Raha alalinina ireo teny ampiasan’i Md Lioka eto amin’ny andininy faha-19 sy averiny any amin’ny andininy faha-51, ilazany voalohany an’i Maria tsy amin’ny anarany intsony fa amin’ny maha-Renin’i Jesoa azy (fa reniny kosa nandinika tsara – diatereo – izany zavatra rehetra izany tao am-pony Lk 2, 51), dia hahafahantsika mandray ny hafatra lalina tian’i Md Lioka havoitra amin’ny lalam-pinoana diavintsika.
Ankoatran’ny fandehanana haingana hanamarina izay voalazan’ny Tompo (hitantsika teo ny nataon’ny mpiandry ondry, fa izany koa no nataon’i Maria nandeha niandry ny fahaterahan’i Joany Batista) dia mila mitahiry (syntereo -diatereo) ny zava-misy ao am-pontsika isika. Ny hoe syntereo dia fitahirizana mitaky ezaka avy amintsika, entina ilazàna ny mpiambina miandry ny tanàna tsy hotinafika, ny mpianatra mianatra ny lesona mba ho tadidy amin’ny fanadinana.
Amin’ny toko faharoa manontolo no niezahan’i Md Lioka koa handinihana tahaka an’i Maria ny zava-niseho. Ny nadika hoe nieritreritra moa dia ny teny syn-ballo amin’ny grika, izay niavian’ny teny Simboly, dia entina ilazana ny ezaka hanambarana ny zava-mitranga rehetra mba hahitana ny heviny, sahala amin’ny olona milalao puzzle izany ka mamoaka ny sary tian’ny singa rehetra hambara rehefa mitambatra. Izany no mila italahoana mandrakariva ny Fanomezan’ny Fahazavan-tsaina mba hahafahana mahita ankoatry ny hita maso (intus legēre) sy hahaizana mampifandray ny zavatra rehetra (inter legēre), hahitana toy ny fahitan’Andriamanitra azy.
Inona moa ireo zava-dehibe nitranga ka noeritreretin’i Maria tao am-pony? Teo ny fitsidihan’ny Mpiandry ondry sy ny zavatra nolazain’izy ireo. Ankolaka no amerenan’i Md Lioka kosa ny fiarahaban’ny Anjely an’i Maria (notorotoronina an’i Jesoa) sy ny fisehoana koa tamin’i Josefa momba ny fanomezana anarana, teo ny fanolorana tao an-tempoly sy ny fihaonana tamin’i Ana sy Simeona, ny fitomboana hatramin’ny fahamatorana ka nandehanana tany Jerosalema, ny fahaverezana hateloana, ka amaranan’i Md Lioka ny toko faharoa amin’ny filazana fa nitombo fahendrena sy tena i Jesoa, izany hoe olombelona mitovy amin’ny olombelona rehetra, tsy hoe teraka niaraka amin’ny hafenoan’ny fahendrena fa nitombo ho amin’ny fahalavorariana.
Izany no nahatonga an’i Md Lioka nampiasa ny teny diatereo, hilazana fitahirizana tsy amin’ny ezaka atao fa amin’ny toetra, sahala amin’ny tranombary itahirizana vary, ho fitaovana ho entin’Andriamanitra hampitàna izay momba ilay Zaza. Tsy manala ny adidintsika anefa izany fa mampianatra antsika kosa hahalala ilay Mpamonjy, hahalàla fa fitaovana ihany isika, fitaovana entin’Andriamanitra hitahirizana ny raki-tsarobidy, eny fa na dia tahaka ny vilany mongo aza, hoy Md Paoly, mba hiharihary fa avy amin’Andriamanitra ny halehiben’ny herin’ny Evanjely, fa tsy avy amintsika (2 Kor 4, 7).
Voalaza ao amin’ny Evanjely fa afaka havaloana dia noforaina ny zaza ary nomena ny anarana hoe Jesoa, Andriamanitra mamonjy, araka ny voalazan’i Md Matio hoe hamonjy ny olona ho afaka amin’ny jiogan’ny fahotany (Mt 1,21). Tsy hoe entina hanavahana fotsiny manko ny anarana amin’ny fomba tatsinanana fa manambara ny maha-izy azy ny olona, maneho ny iraka ampanaovina azy na andrasana aminy. Ary ny fanomezana anarana ny zavatra na ny olona iray, tahaka izay nataon’i Adama (Jen 2, 20), dia milaza ny fizakàna azy, fa indrindra indrindra ihany koa, ho entina mifandray aminy. Ireo nomen’i Adama anarana hoy ny Boky Jenezy tsy nisy namana sahaza azy. Eto kosa, ambaran’i Lioka fa tsy anarana nosafidian’ireo raiamandreny no nomena ny zaza fa izay nataon’ny ANjely fony mbola tsy notorotoronina tao an-kibo ny Zaza.
Ny famorana moa dia nentin’i Israely hanamarihana ny fanekem-pihavanana nataony tamin’i YHWH. Tsara ho marihina anefa fa tsy nitoetra nahatoky tamin’izany fanekem-pihavanana izany ny vahoaka, nalaky nivadika, nanaraka andriamani-kafa. Fifanekena an-kalalahana no natao ka nohajain’Andriamanitra marina tokoa izany fahalalahan’ny vahoakany izany. I Jesoa, izay nanaiky ho teraka tambanin’ny lalàna, no nirahiny mba hanafaka izay rehetra tambanin’ny lalàna mba hatsangany ao amin’ny Fanahiny ho zanaka mpandova (Ga 4,4-7 Vakiteny II). Ilay Teny tena Andriamanitra, tonga Israely vaovao, araka izany no nentin’Andriamanitra nandavorary ny Fanekem-pihavanana, ka ao amin’i Jesoa no hahafahantsika manantena ny “eny” avy amin’Izy Tompo sy avy amintsika olombelona.
Jesoa no anarany, Andriamanitra mamonjy, satria mampahafantatra antsika ny tena endrik’ilay Andriamanitra tsy hita, maneho amintsika ny halehiben’ny voninahiny, ary izany rehetra izany dia amin’ny fitondrany antsika amin’ny fahasambarana maha-zanaka, amin’ny famonjena.
Dia io Zanak’i Maria io no zanak’Andriamanitra, voatsodranony, ary avy aminy no hahazoantsika ny Fanahy hahatongavantsika ihany koa ho mpiray lova Aminy (Vakiteny II). Izay finoana ny maha-zanak’Andriamanitra an’i Jesoa izay no ankalazantsika an’i Masina Maria ho Renin’Andriamanitra. Izy no ilay zanaka “iray fomba amin’ny Ray” (Homousios), izay nanoheran’ny Konsily tany Nicée ny taona 325 an’i Arius izay nihizingizina fa tsy misy hifandraisany amin’ny Ray i Jesoa; ary noho ny fampianaran-dison’i Nestor izay nilaza fa fiombonan’ny olon-tsotra amin’ny olona ao amin’ny Trinite Masina i Kristy, dia nohamafisin’ny Konsily tao Efezy fa i Jesoa, Ilay Teny tonga nofo, dia tsy hafa fa ilay olona faharoa ao amin’ny Trinite Masina ka nanambarany tamin’ny fomba miezinezina ny taona 421 fa i Masina Maria dia Theotokos, Renin’Andriamanitra, dia io ny fety ankalazaintsika anio. Ary ny fiekem-pinoana ataontsika dia mbola nohamafisina fa tsy misaraka ary tsy mifangaro ny maha-olona sy maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy (Calcédoine 451), nialana tamin’ny hevi-dison’ny monophysites.
Ho tonga tsodrano ho antsika amin’ity taona vaovao ity anie ny fanavaozantsika ny finoantsika an’i Jesoa Kristy, tena Andriamanitra sy tena olombelona, iray fomba amin’ny Ray ary nidina avy any an-danitra ho famonjena antsika.
Ho taona hahitantsika masoandro mihiratra amin’ny sehatry ny politika, amin’ny ara-tsosialy ary eo anivon’ny fianakaviana anie ny Taona vaovao.