09 novambra :Fitokanana ny Basilika tao Latran.
- Ezekiela 47, 1-12
- na 1 Kor 3, 9-17
- Salamo 45
- Md Joany 2, 13-22
Ankoatra ny fivavahana manokana ho an’ny Papa, amin’ny maha-Evekan’i Roma azy, izy amin’ny maha-famantarana ny fivondronantsika ao amin’i Kristy, amin’ny fiorenana eo ambonin’ny fototra iray, dia i Kristy, amin’ny fanekena ny finoana iray sy fiainana ny fitiavana iray, dia izay atoron’ny Evanjely, dia tsy azontsika atao ambanin-javatra ny fampianarana aroson’ny Tenin’Andriamanitra antsika mba hahafahantsika miroso amin’ny fiainam-pinoana sy amin’ny fanarahan-dia an’i Kristy.
Nentinin’ny Anjely teo amin’ny Varavaran’ny Tranon’ny Tompo aho. Io tranon’ny Tompo io moa dia voahodidina tamboho, satria voatokana (Ez 40, 2), mba hampiavaka ny masina sy ny tsy masina (Ez 42, 20). Avy amin’io Tempoly io no nisy loharano nivoaka avy amin’ny lafiny atsinanana, nidina avy amin’ny ilany havanana ny rano, eo atsimon’ny otely. Ny mpandinika ny Soratra Masina, fa indrindra i Md Joany dia nahita ny fahatanterahan’ity faminaniana ity ao amin’i Kristy: Izy no ilay Masoandro miposaka, hitodian’ny olon-drehetra, Izy no ilay mazava atsinanana, ka ny tempoly mitodika any atsinanana dia mitodika any Aminy, miandry mba hibanjina ny fahazavany.
Ho an’Israely ny loharano dia manambara ny fitiavana sy ny herin’Andriamanitra. Izany no antony nanorenany ny Tempoly sy ny trano fivavahana manodidina ny loharano velona (Gihola sy Siloe ohatra). Araka ny lazain’ny salamo setriny (salamo 46) dia ny ony no ampifalian’Andriamanitra ny vahoakany, ary fantatsika ny fomba fiteny hoe “atao fahirano”, izany hoe, rehefa tiana ho faizina ny tanàna mimanda dia ny rano no tapahina, ka rehefa lany ny rano ao dia tsy maintsy hivoaka hitady rano ihany farany, tsy maintsy hamoha ny vavahady. Ho an’Israely manokana dia anisan’ny fanehoan’ny mpanjaka ny tanjany ny fahaizany mamatsy rano sy mitahiry rano ho an’ny tanàna. Tsy azon’ny saina eritreretina ohatra ny tobin-drano tany Masada, tendombohitra any an’efitra nanorenan’i Heroda ny rovany.
Ny habetsahan’ny rano dia entin’ny Mpaminany milaza indray amin’ny fomba hafa ny hatsaran’ny tontolo noharian’Andriamanitra tao an-tsahan’i Edena (Jenezy 2, 9-14): ny ony voalohany dia Fisòna (פִּישׁוֹן Ppyshôn: mitombo), hatreny an-kitrokely, haloalika, hatreny amin’ny andilana ka tonga rano maria tsy azo hitàna fa lalina, mila hitàna milomano; ny ony faharoa dia Geona (גִּיחוֹן GgyHôn, mitosaka), ony mandeha mankany amin’ny faritra atsinanana, hanondraka ny tany main’ny masoandro (Kosy כּוּשׁ : mainty nodoran’ny masoandro); ny ony fahatelo dia Tigra (חִדֶּקֶל Hiddeqel, haingam-pandeha) rano handeha any amin’ny faritra atsinanana, izay mandeha ao atsinanan’i Asora (אָשַׁר ‘ashar, hasohavina), ka ho velona, ho sambatra avokoa izay andalovan’ny rano; ny ony fahaefatra dia Eofrata (פְּרָת Perath, mahavokatra), hamoha voa vao isam-bolana, ny voany ho fihinana, ny raviny ho fanasitranana tsara (Ez 47, 12). Izay nolazain’i Jenezy ihany, araka izany no namafisin’i Ezekiela.
Ezekiela dia mampahatsiaro antsika fa ny rano sy ra nivoaka ny lanivoan’i Jesoa, loharanon’ny sakramenta rehetra dia ampy hahasafononoka ny hafaliantsika. Famantarana fa nandray io rano io isika, nolalovan’io rano io raha toa ka mamokatra. Ho voninahitra ho an’ny Raiko ianareo raha mamoa be, hoy i Jesoa ka tonga Mpianatro (Jo 15, 8). Tsy afaka ny tsy hamokatra hafaliana sy fiadanana ho an’izay andalovany izay niray aina tokoa amin’i Kristy, amin’ny fankalazana ny Sakramenta, famantarana ny fitiavan’Andriamanitra tsy mivadika mandrakizay ho an’ny vahoakany.
Tsy maintsy mailo hatrany anefa, hoy i Md Paoly, sao sanatria tsy i Kristy no fototra hanorenana ny fiainana sy ny asa fikatrohana heverina hamokarana. Mety hamono tena hamokatra manko isika, saingy mila dinihina mandrakariva sao sanatria tsy Andriamanitra no mahazo voninahitra amin’ny asa “soa” heverintsika hatao. Izay miorina eo amin’i Kristy ihany no afaka hamokatra ho voninahitr’Andriamanitra.
Indraindray tokoa manko ny fivavahana sy ny fiheverana ho fanompoana an’Andriamanitra dia tsy hitadiavana afa-tsy tombontsoa manokana. Ataon’i Joany ohatra ireo mpandraharaha tao an-tempoly, nanararaotra ny fetin’ny Paka, hiakaran’ireo mpivahiny maherin’ny iray hetsy, hivarotana ondry roa alina latsaka kely (18000 eo ho eo hoy ny mpandalina), ary mba hahazoana tombony dia lazaina fa tsy afaka miditra ao an-tempoly ny volan’ny Romana ary tsy azo vidiana any ivelany ny ondry sy ny voromahailala, ka sady mikapoka amin’ny sandam-bola no maka tombony amin’ny varotra, “ho voninahitr’Andriamanitra” hono. Tsy mifanaraka amin’ny fitiavana ankalazaina ao an-Tempoly anefa izany.
Fa ratsiratsy kokoa noho izany ny mieritreritra ny hivarotra ny sakramenta. Mety ireo mpiandraikitra mitaky vola no alehan’ny saintsika, saingy tsy ireo ihany, fa ao koa ireo mitaky fitondran-tena tsara mba hahafahana miroso. Tsy nomen’i Jesoa ho an’ny lavorary ny sakramentan’ny fitiavany fa ho an’ny olon-drehetra, indrindra fa ho an’ireo izay osa ka trotraky ny adim-piainana.
Tsy midika anefa izany fa azon’ny adala sy hendry rehetra izao raisina ny sakramenta. Adala izay mandray azy am-piheverana fa mendrika kokoa noho ireo tsy afaka noho ny antony samihafa, adala izay mihevitra fa tambin’ny fahamendrehany ny sakramenta raisiny. Ary manameloka ny tenany, mandray fanamelohana kosa ho an’ny tenany, hoy Md Paoly, izay mandray ny sakramenta kanefa mikiribiby amin’ny fiaianana tsy mifanaraka amin’izany fankalazana izany ka tsy manao izay tratry ny heriny mba hiovana.
Ny Fety anio ary, hiezahantsika mba handrandranana karavasy koa, handroahana izay rehetra mety ho varotra ao anatin’ny tempoly, izay mety ho fitadiavana tombony amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, indrindra ao anatin’ny fontsika tsirairay avy. Hianarantsika i Jesoa, ka mialoha ny handroahantsika ny mpivarotra any am-Piangonana na any amin’ny tempolin’ny hafa, dia ny mpivarotra sy ny mpanakalo vola ao am-pontsika aloha no horohahintsika voalohany.
Ny vavaka tsy fitalahoana ny fahasoavan’Andriamanitra fa nanomanana ny fontsika handray azy, ary fitadiavana fomba kosa hampifanarahana ny fiainantsika amin’ny Sorona ataontsika ao amin’io Tempoly onenan’ny Trinite Masina io.
Ho Tempoly velona hahafahan’ny olona rehetra mankalaza an’Andriamanitra tokoa anie ny fiainantsika sy ny Fiangonana manontolo.