06 aogositra : Fankalazana ny niovan’ny Tompo tarehy
- Daniela 7, 9-10. 13-14
- Salamo 96
- 2 Piera 1, 16-19
- Md Matio 17, 1-9
Tsy azo sarahana ny fitantarana ny fiekem-pinoan’i Piera izay voafidy ho vato anorenana ny Fiangonana (Mt 16, 13-19) sy ny Fiovan’ny Tompo tarehy (Mt 17, 1-9) izay lazain’i Matio fa niseho afaka henemana taorian’izay. Ny havaloan’andro lazain’i Lioka kosa dia manampy antsika hahazo ny fetin’ny Pantekoty, fetin’ny lalàna vaovao, fomban’ny jody mivavaka havaloan’andro mba hanomana ny fo handray ny Lalàna sy hivelona amin’ny fiainana azy. Tsara ho marihina fa ny fetin’ny Tranolay dia nentina nankalazana ny andron’ny Famelan-keloka lehibe, ny Yôm Kippour. Ambaran’i Md Lioka mazava amin’ny fitantarana ny Pantekoty moa fa ny Fanahy Masina dia ilay lela mitarehina afo, γλῶσσαι ὡσεὶ πυρὸς, (glossai Hosei puros), izany hoe ilay lelafo (לָשׁוֹן אֵשׁ lashon esh = lela afo) lazain’Izaia fa mandoro sy mandevina izay manipaka ny Lalàn’YHWH sy maniratsira ny Tenin’ilay Masin’Israely (Izaia 5, 24).
Ny takela-baton’ny Lalàna anefa tsy mahavoky ho an’izay mbola fatra-pitady ny mofo. Ny fanarahana ny Torolalana tsy midika ho fahatongavana amin’ny tanjona fa kosa fanombohana hizotra ho amin’ny lalam-pahasambarana, ary lazain’ny Evanjely anio fa fizorana miaraka amin’i Kristy mba hihanika ny tendrombohitra avo. Dia tahaka ny fihanihana avoana rehetra, arakaraka ny hiakarana no mampitaky ezaka satria ny lalana vita mampihena ny hery hanohizana ny dia, saingy ny faniriana hihazo ny tanjona kosa dia mandrisika hanohy hatrany ny dia.
Izany no mahatonga antsika indraindray alaim-panahy fa tsy mahomby ny fivavahana, satria toa arakaraka ny hivavahana no toa mahatsapa fa sahala amin’ny miha-ratsy ny fandehan-javatra. Ny antony dia matetika adino ny tanjon’ny fivavahana, ka tsy ny fahatanterahan’ny sitrapon’Andriamanitra intsony no andrasana, na dia averina plivava aza ny hoe ho tanteraka anie ny sitraponao, hany ka tsy miandry ny fivoaran’ny zava-misy araka an’Andriamanitra intsony fa araka izay nirin’ny fony, ka indraindray lasa diso fanantenana.
Ny fandinihana ny Fety ankalazain’ny Eglizy anio, ny fiovan’ny Tompo tarehy, izay fety nanombohana ny 40 andro (karemy) hiomanana amin’ny fetin’ny nanandratana ny Hazofijaliana (14 septambra 335) dia natao hanampy antsika hahazo fa Lalàna vaovao no mitondra antsika amin’ny tranolay vaovao honenan’Andriamanitra, ka sady hankahery antsika eny an-dalana no tsy hahakivy manoloana ny sedram-pitiavana takian’ny Hazofijaliana. Tsy ny mofo ihany no mahavelona fa ny Teny entin’Andriamanitra mahary sy mitahy ny aina, raisina ka hiainan’izay mandà ny tenany sy manaiky ny ho mpanompo, tahaka an’Andriamanitra, hitondra ny Hazo fanorenana ka hanara-dia an’i Jesoa hatramin’ny farany.
Raha te handalina izany dia azo vakiana ny Boky nosoratan’ny Papa Benoit XVI, Jesoan’i Nazareta, ny toko faha-9 izay hitantarany ny Fiekem-pinoan’i Piera sy ny Fiovan’ny Tompo Tarehy. Ao no hanazavany ny fifandraisan’ny Fiovana Tarehy sy ny Eksaody 24 izay nihaonan’i Moizy tamin’i YHWH tany an-tendrombohitra… mbamin’ireo fety Jody hafa. Ho an’ny Papa BENOIT XVI, ny Fiovana tarehy dia manambara amintsika ny tsiambaratelon’ny vavaka (avvenimento di preghiera). Teny an-tendrombohitra avo no nandraisan’i Moizy ny Takelabaton’ny Fanekem-pihavanana (Eks 3, 1; 34, 1ss) ary teo amin’io Tendrombohitra io ihany koa no mbola nanehoana tamin’i Elia ny Endrik’ilay Andriamanitra Mpamindra fo sy mpiantra tao anatin’ny tsio-drivotra malefaka (1 Mpanjaka 8, 9; 19, 8ss). Tsy azo adinoina moa fa ny חֹרֵב, Horeb dia midika hoe tany efitra, mangetana maniry rano (désert, sécheresse).
Ny voninahitr’i Kristy tafatsangana no hahafahantsika mahazo ny Soratra Masina. Ho an’izay manana andraikitra manokana amin’ny Fitantanana ny andian’ondrin’i Kristy moa (raiamandreny, mpanabe, zoky, pretra, filoha sns) dia manan-danja manokana ny vavaka, izay hifotoran’ny fanarahan-dia an’i Kristy : « Ity no Zanako Malalako, henoy Izy« , voaantso hihaino ka hiaina ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy isika, mialoha ny hitoriana izany amin’ny hafa. Manana adidy haneho ny endrik’Andriamanitra amin’ny hafa manko ny zanak’Andriamanitra rehetra, ka izay efa nahita marina ny endrik’i Kristy no afaka maneho azy amin’ny hafa.
I Moizy sy Elia dia efa nisantatra ny karemy izay efapolo andro hiomanana hihaona amin’ny Tompo. I Moizy moa, niakatra teny an-tendrombohitra niaraka tamin’i Aarona sy ny zanany roalahy (Adab sy Abihò) ary nijanona efapolo andro sy efapolo alina tany an-tendrombohitra, tao anatin’ny rahona, mba hihaona amin’YHWH (Eks 24, 18) ary i Elia izay nandeha efapolo andro sy efapolo alina mba hihaona amin’YHWH any an-tendrombohitra (I Mpanjaka 19, 8) ary i Kristy nivavaka sy nifady hanina tany an’efitra efapolo andro sy efapolo halina mialoha ny niantsoany ny Mpianany (Mt 4, ary tsara vakiana koa ireo naoty atoron’ny Baiboly TOB). Tsy azo adinoina ihany koa fa ny fety anio dia fanombohan’ny efapolo andro hiomanana amin’ny Fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny 14 septambra.
I Moizy sy Elia dia taratry ny voninahitr’Andriamanitra, satria izy ireo no vavolombelona nahita ny voninahitr’Andriamanitra nonina tao Sinaï. Ny tranolay fihaonana (Shekinà) dia ahatsiarovan’ny Jody io fisehoan’ny voninahitra nandrakotra tendrombohitra nandritra ny henemana io ka ny andro fahafito (afaka henemana) Andriamanitra no niteny tamin’i Moizy. Saingy i Moizy ihany avy eo no naminany ka niteny tamin’ny zanak’Israely hoe: “Hanangana mpaminany anankiray tahaka ahy eo afovoanao, eo amin’ny rahalahinao, YHWH Andriamanitrao; hohenoinareo izy” (Det 18, 15).
Ny Tendrombohitra avo, mihataka amin’ny tontolon’ny lembalemba, araka izany, dia miantso antsika hihaino ilay Zanaka tian’ny Ray, ilay Moizy vaovao, manoratra ny Lalàna vaovao ho antsika dia ny Fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana. Izy no ilay Mpaminany nolazain’i Moizy, ary lazain’ny Ray fa hohenointsika. Ny fihainoana Azy no zary “tranolay” hahatonga antsika ho fonenan’ny Trinite Masina (Jo 14, 23). Izy no Emanoela, Tranolay mandrakizay maneho fa miara-monina amin’ny vahoakany Andriamanitra.
Ny Lalàna (voasoratra tamin’ny takela-bato) no vavolombelon’ny fiarahan’YHWH tamin’ny vahoakany (izay ny tranolay voalohany). Ny Mpampinany kosa dia tsy nanao afa-tsy ny nampahatsiaro ny vahoaka mba tsy hanao fo vato ka hiverina amin’ny Lalàn’ny Tompo (izay ny tranolay faharoa). Ilay Teny tonga nofo kosa no ilay “zanak’Andriamanitra”, anaram-boninahitra omena ny zanaky ny Mpanjaka mandray ny fiketraham-panjakana ka asandratra ho Mesia (azontsika alalinina amin’ny famakiana ny Salamo 2), Mesia, izany hoe voahosotra mba hiaro sy hitady izay hahasambatra ny vahoaka. Mesia (Kristy) araka ny sitrak’Andriamanitra anefa (Izaia 42,1), hanetry tena sy hahalefitra fa tsy araka ny fiheveran-dison’ny olona.
Tsy fanangonana ny traikefam-piainana nataontsika ny firosoana ho kristianina. Izay mahita ny voahangy tsara dia tsy maintsy hivarotra (hahafoy) izay rehetra nangoniny hatramin’izay mba hividy azy, hoy ny Evanjely (Mt 13, 45ss). I Moizy sy Elia dia nanamboatra ny lalana nitondra amin’ny fiainana ihany, jiro manazava ao anatin’ny haizim-pito vokatry ny hamafin’ny fon’olombelona, fa rehefa tonga ilay masoandrobe lohataona dia tsy ho hitan’ny maso intsony izy ireo. I Jesoa irery sisa. Mampalahelo raha mbola afangaro amin’ny sikidy sy ny fanandroana na amin’ny fanompoana andriamani-kafa, eny fa na dia amin’ny fanarahana ny fomban-drazana (raha sanatria tsy mifanaraka amin’ny Evanjely izany) ny finoana an’i Jesoa Kristy. Izay tena tafahaona tamin’YHWH dia hamirapiratra ny tarehiny (Eksaody 34, 29).
Niresaka ny fiakarany any Jerosalema tamin’i Moizy sy Elia i Jesoa, hoy i Md Lioka. I Piera kosa nandray fitenenana, miantso an’i Jesoa ho “Rabì – ῥαββί” (Marka), “Mpampianatra – ἐπιστάτης” (Lioka), “Tompo – κύριος” (Matio) mba hahafahana mitoetra eny an-tendrombohitra, mba hahafahana mitahiry an’Andriamanitra ho azy mandrakizay. Vonona hanorina samirery tranolay telo “aho”, hoy izy (Matio). Manolotra ny tenany ho antsika Andriamanitra saingy tsy azontsika hofehezina kosa amin’izay mety ho fomba na fihevitra na “tranolay” ataontsika (2 Sam 7, 3; 1 Tantara 17, 4).
Natsangan’Andriamanitra ho zanany isika tamin’ny Batemy noraisintsika, ary azo araraotina tsara hanavaozana izany voninahitra maha-zanaka antsika izany ny Fankalazana anio, ka hahafahantsika mampifanaraka ny fiainana amin’izay tena maha-zanany antsika, hitovizantsika endrika Aminy. Na ny tarehin’i Jesoa na ny fitafiany dia tonga mamirapiratra, tonga fotsy ohatry ny oram-panala, tahaka ny faminanian’i Daniely. Nomena akanjo fotsy mamirapiratra koa isika tamin’ny Batemy, ary hohafatrafarana ny Raiamanandreny sy ny Mpiantoka mba hitahiry io Akanjo io sy ny hazavana ho entina mitsena an’i Kristy.
Ambaran’i Jesoa mazava anefa fa ny voninahitra hitan’Israely amin’ny Fahazavan’ny tava sy ny fitafian’i Moizy ( Eks 24, 17 sy naoty) dia misy heviny noho ny porofom-pitiavana nasehony eo ambony Hazofijaliana. Ny voninahitra lehibe indrindra azon’Andriamanitra omena, hoy Md Piera dia ny filazany hoe : “Ity no Zanako malalako izay sitrako indrindra” (2 Piera 1, 16-19), tahaka ny ambaran’ny Salamo hoe “Ity no zanako malalako” (Salamo 2, 7) satria ilay Mesia; ilay malalako satria ilay Isaaka vaovao (Jenezy 22,2); ankasitrahako indrindra satria ilay Mpanompon’YHWH (Izaia 42,1); henony Izy satria ilay Moizy vaovao (Det 18, 15).. Mampatahotra ny maheno izany, hoy ny Evanjely, ary mahalavo miankohoka amin’ny tany (Mt 17, 6), tahotra satria mipetraka ilay Mpitsara ka manokatra ny Boky, dia ny bokin’ny fiainana (Vakiteny I Daniela 7), tahotra mampanontany tena mandrakariva, sao tsy mifanaraka amin’izay maha-zanak’Andriamanitra ny fiainana.
Lazain’ny Bokin’i Daniely fa fahitana tamin’ny alina no hitany, ary amafisin’ny zava-miseho teny amin’ny Tendrombohitra Avo (Tabhor) io, ho entina manambara ny haizina vokatry ny alina na vokatry ny rahona, ka tsy hahafahana mahita mazava, manoloana ny zava-mitranga sy ny fahoriana mianjady. Ao anatin’izany haizin-kitroka izany no nanoratana ny Bokin’i Daliely mba hankaherezana an’ireo mpino nitondra faisana noho ny fanenjehan’i Antiochus IV (167-164 a.C), nanomboka nanjaka ny 167, izay te hantsoina hoe Antiochus Epiphane, epifania na fisehoan’andriamanitra, saingy ny olona tao Antiokia dia niantso azy ho Epimane, le cinglé, olona mpieboebo foana sy mivatravatra. Toa zavatra mbola ho avy anefa no ilazan’ny Mpaminany azy: “amin’izany no androm-pahoriana tsy mbola nisy toa azy hatramin’ny nisian’ny firenena”, sahala amin’ny hoe vao mainka aza manampy trotraka, satria raha olona efa mijaly no ilazana hoe: “mbola aiza ity hanjo”, tsy hamoy fo ve. Ny antony anefa dia noho ny mpanoratra tsy afaka miteny mivantana satria izay asa soratra manambara fikomiana dia mazava loatra, tsy hampidi-doza izay manoratra azy fotsiny fa loza koa na ho an’izay mamaky azy koa aza. Izay no mahatonga an’i Daniela mampiasa sarinteny hafa, sahala amin’ny tempoly izay hiderana an’Andriamanitra tamin’ny andron’i Nabokodonozora (Tononkira amin’ny Dan 3), fa ho an’izay mahalala ny tantara dia mahafantatra fa noravan’i Nabokodonozora ny Tempoly.
Antiochus moa nandrara ny fomba fivavahana rehetra satria sitrany hatolotra azy irery ny fanajana rehetra natolotry ny mpino ho an’ny andriamaniny avy, ka izay tsy nanaraka izany baikony izany dia novonoina ho faty, ary fomba feno habibiana no anatanterahana ny famonoana. Manoloana izany, ireo mpino jody, raha tsy mafy ny finoana ny zavatra tsaratsara kokoa noho izay afoy dia tsy ho “possible” ny hiharitra ny fanenjehana sy haharitra amin’ny finoana marina.
Mazava ny hafatr’i Daniela araka izany: tsy hanam-pahataperana ny fanjakan’ilay Zanak’olona avy ao anatin’ny rahon’ny lanitra (Dan 7, 13-14) ary hitsangana miandany amin’ny zanaky ny fireneny i Misely ilay filoha ambony, ka na eo aza ny fijaliana tsy roa aman-tany, dia miandry izay manao ny marina sy izay mitarika ny maro ho amin’ny fahamarinana ny fiainana mamirapiratra mandrakizay tahaka ny kintana (Dan 12, 1ss). Miatrika ady ny mpino araka izany, saingy toa sarin’ady ihany satria efa fantatra izay handresy.
I Kristy no fahatanterahan’ny Lalàna sy ny Mpaminany, izany no tanjon’ny Fiainany (Mt 5, 17). Ny fahalalana Azy araka ny tena toetrany no hahafahana manahaka Azy, hoy Md Joany (1 Joany 3, 2: Tononkiran’ny Komonio). Ao Aminy no hahafahantsika mitandrina ilay akanjo fotsy porofon’ny nampakarana antsika ho vadiny ao amin’ny Eglizy amin’ny alalan’ireo sakramenta noraisintsika (batemy, komonio…), tsy ho akanjom-boninahitra sy fety ihany, fa akanjo hanehoana koa ny fahavononan-kanompo, haneho ny maha-Mpanjaka antsika amin’ny fampanjakana ny Fitiavana, hiaina ny maha-Mpaminany antsika amin’ny Fijoroana ho vavolombelon’ny finoana nekena (na ho Hazofijaliana aza no hiafaran’izany) ary hivelona ny maha-Mpisorona amin’ny fiainam-bavaka, hahatsapana fa ny fihaonana amin’ny Ray eny an-tendrombohitry ny fivavahana no hany loharano azo hanovozana ny hery hahafahana mitondra ny hazofijaliana sy manara-dia an’i Kristy amin’ny fihainoana Azy, izay antoka omen’izay te hanara-dia an’i Jesoa nosoratan’i Lioka manelanelana ny Fiekem-pinoan’i Piera sy ny Fiovan’ny Tompo tarehy (Lk 9, 23). Ao no hahafahan’ny Ray ihany koa manome voninahitra antsika, amin’ny hanambarany ny maha-zanany antsika, satria taratry ny fitiavany, mitovy endrika amin’ny Zanany lahitokana ka zary mpandova miaraka Aminy.
Ilay mararin’ny androbe, lazain’ny Perikaopa manaraka ity Evanjely ity (Mt 17, 14ss) izay nentin’ilay rainy tamin’ny mpianatra nefa tsy nahasitrana azy izy ireo, dia entina anambarana fa izay tsy miaraka amin’i Kristy eny an-tendrombohitra mba hivavaka dia tsy afaka ny handroaka ny fanahy maloto. Ao no hahafahantsika manantena ny fiovan-tarehy izay efa nosantarin’i Jesoa Kristy Filoha (prefasy).
Mivavaha mba hampiova ny toetrantsika hitovy endrika amin’i Kristy ny vavaka ataontsika.