01 oktôbra :Fetin’i Mb Terezin’i Jesoa Zazakely sy ny Endrika Masina
- Izaia 66, 10-14
- Salamo 130
- 1 Korintiana 13, 1-8
- Matio 18, 1-4
Anisan’ireo Vehivavy 4 Mpampianatry ny Eglizy i Mb Terezy.
- Thérèse d’Avila (1515-1582) – carmélite, première femme proclamée docteur de l’Église le 27 septembre 1970 par Paul VI.
- Catherine de Sienne (1347-1380) – tertiaire dominicaine, proclamation le 4 octobre 1970 par Paul VI.
- Thérèse de Lisieux (1873-1897) ou Thérèse de l’Enfant-Jésus et de la Sainte-Face – carmélite, proclamation le 19 octobre 1997 par Jean-Paul II.
- Hildegarde de Bingen (1098-1179) – religieuse bénédictine, proclamation le 7 octobre 2012 par Benoît XVI.
Tao amin’ny fiainana ny fahatsorana, vokatry ny fitokisana tanteraka ny fitiavan’Andriamanitra Ray, araka ny fanomezam-pahasoavana manokana iainan’ny Fikambanan’ny Carmélites moa no nampiavaka azy. Ny fahatsapana izany maha-zanaka tian’Andriamanitra izany, hoy izy no fahalavorarian’ny fahasambarana. Fantatsika tsara ny fitantarany ny nahitany ny anjara toerany eo anivon’ny Eglizy, izay mampalaza azy: “Ho fitiavana aho, hoy izy”.
Mikoriana ao amin’ny lalan-dran’ny olona rehetra ny faniriana an’Andriamanitra sy ny te hitovy amin’Andriamanitra na hitovy amin’izay heveriny ho “andriamanitra” na “kintana” (star) na olo-manan-daza. Manosika antsika hiezaka ho lehibe izany (maius, magnus) sy haniry ny ho lehibebe kokoa (magis) hatrany. Na i Mb Terezy aza, naniry ny ho lehibe tahaka ny Apostoly sy ny Mpampianatra tao amin’ny Fiangonana.
Iza no ambony indrindra (μείζων meizon: lehibe, zokiolona) amin’ny fanjakan’ny lanitra? Izay tonga toy ny zazakely, παιδίον (paidion) izay avy amin’ny παῖς (pais) tovolahy mpanompo, na andevo mihitsy aza, izay no lehibe indrindra, hoy i Jesoa. Izany hoe: izay te ho lehibe aminareo no ho tonga mpanompo faran’izay zandriny, izany hoe tsy afaka ny haniraka na iza na iza intsony fa ho fanirakiraky ny olon-drehetra, hanetry tena (ταπεινόω tapeinoo). Ny antsika anefa heverina fa izay manome baiko na izay tompon’ny teny farany no lehibe. Mety ho eo anatrehan’ny olona anefa izay fa tsy eo anatrehan’Andriamanitra.
Misy heviny hafa koa anefa ny hoe παιδίον (paidion), zaza tsy mahavita tena, tsy mahavita na inona na inona ka tsy maintsy miankin-doha amin’ny fitiavana sy ny fiantran’ny hafa mba ho velona. Ny maha-lehibe eo amin’izao tontolo izao dia ny fiezahana hahavita tena, ka indraindray aza adino hatramin’ny fahatsapana fa tsy misy afaka mirehareha ho mahavita ny tenany, tsy misy tompon’ny ainy akory aza. Mila fibebahana izany mba hahatonga antsika ho zazalahy vonon-kanompo na iza na iza, ary zazakely mahatsapa fa noho ny fitiavan’ny Ray sy ny rahalahy no mahasambatra azy. Tsy azy ny fiainana fa harena nomena hotantanany ka ny fahaizany mampamokatra izany no haha-lehibe azy any amin’ny fanjakana (Mt 25, 14-30). Izay tsy miaina ny maha-zanaka tsy afaka ny handova ny fananan-dRainy.
Ny Salamo 130, setrin’ny Vakiteny dia manampy antsika hahazo ny fiainam-panahy takian’izay maniry ho sambatra eo anatrehan’Andriamanitra. Tsy moramora ny mifehy ny fo amam-panahy mba hamitsaka sy tsy hisain-doatra amin’izay avo tsy sahaza. Tahaka ny zaza misara-nono, notazana (גָּמַל gamal) eo am-pofoan’ny reniny, hoy ny Salamo ny fanahiko: “mitana ny fanahiko amin’ny fiononana sy fahanginana aho”. Mampionona (שָׁוַה shavah) ny fanahy mba tsy hivontom-piavonavonana ny fo, ary mampangina (דָּמַם damam) azy, mba tsy hampinandranandrana ny fijery.
Indraindray anefa iraintsika tsy am-piheverana izany ezaka tokony ataon’ny fanahy izay, indraindray adinotsika fa ny zaza efa nisara-nono, sarotra ny hiononany amin’ny nonon-dreniny intsony. Mitady zavatra hafa matetika, ary ny hitadiavany safosafo sy famihinana avy amin’ny reniny dia ny mba hangatahana zavatra hafa, ary indraindray aza, mba hanetseman-keloka satria matoahotra ny ho bedy.
Ampahatsiahivin’ny Bokin’Izaia vakiana anio koa anefa (Iz 66, 10-14) izany fahasarotana izany. Antsoina hifaly miaraka amin’i Jerosalema ny vahoaka mino ny Tompo, antsoina hiravo noho ny aminy, ka izany fahasambarana izany dia fintinin’Izaia toy izao:
“Indro hataoko misononoka eo aminy, ny fiadanana hoatra ny ony, sy ny voninahitry ny firenena, hoatra ny renirano tondraka; ka hianareo dia hampinonoina, hotrotroina, ary hosafosafoina eo am-pofoana”.
Izay tsy mitady sakafo afa-tsy ny nonon-dreniny ihany, izay tsy mitady harena hafa afa-tsy avy amin’Andriamanitra ihany no afaka hiombona amin’izany hasambarana izany. Raha sanatria heverintsika atao fitaovana hitadiavana sakafo hafa Andriamanitra, dia ho fahadisoam-panantenana ihany ny antsika.
Hanampy antsika ho tonga tahaka ny zaza, araka ny lazain’i Jesoa anie, ny fankalazana ny asan’Andriamanitra tao amin’i Mb Terezy, ka hahafahantsika manandrana ny hamamin’ny fiainana ao amin’ny Fanjakan’ny Fitiavana.
——————-
Ny anjelin’ireo miaina araka ny maha-mpanompo, miaina amin’ny fankasitrahana ny fitiavan’ny Ray ka tonga taratr’izay Fitiavana izany ho an’ny hafa no afaka mibanjina an’Andriamanitra. Izy ireo no madio fo afaka hahita an’Andriamanitra. Ny tarehin’Andriamanitra manko no mamirapiratra eo amin’ny endrik’izy ireo. Tsy midika anefa izay fa efa lavorary izy ireo, ilay Zanak’olona dia tonga mba hanavotra ireo diso lalana (Mt 18, 11). Izay te ho endrik’Andriamanitra dia tsy maintsy hianatra Aminy, hahay hibanjina ny endrik’ilay tiany hotompoina ao amin’ireo mahantra sy fadiranovana.